TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 16 novambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ny vary misy proteina, fitaovana teknika, fitaovana sy kojakoja anaty birao, fitaovana ara-informatika, ary fiara « toyota land cruiser », « motocross Honda XL » miaraka amin’ny aroloha miisa 49. Izy ireo dia fitaovana hampiasain’ny Ofisim-pirenena momba ny Fanjarian-tsakafo (ONN)

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ny fitaovana ara-informatika avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) atolotra ho an’ny Birao Nasionaly Misahana ny Ambana sy ny Loza (BNGRC).

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana ny fantson-drano amin’ny tambajotran’ny orinasa JIRAMA izay tafiditra ao anatin’ny RN9 eo anelanelan’i Bevoay sy Manja, sy ny manamorona ny RNT12A eo anelanelan’i Tolagnaro sy Ebakika. Izany dia ao anatin’ny tetikasa « Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce (PACFC) ». Raha tsiahivina dia nanomboka ny Aogositra 2020 ny asa fandrakofana tara ny RN9 ary ny Jona 2022 kosa ho an’ny RNT12A. Misedra sakana nefa ankehitriny ny fanohizana ny asa amin’ireo ampahan-dalana voalaza ireo noho ny fisian’ny fantson-dranon’ny JIRAMA tafiditra ao ampovoan-dalana. Nanapaka araka izany ny filan-kevitry ny Minisitra fa horaisin’ny orinasa nahazo ny tsenan’asam-panjakana manamboatra ny lalana an-tanana ny famatsiana ny fitaovana ilaina amin’ny famindrana ireo fantson-drano ireo ary ny sampana JIRAMA Toliara kosa no hanatanteraka ny asa famindrana.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA+ MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna mikasika ny fankatoavana fifanaraham-pindramam-bola fanampiny ao anatin’ny tetikasa « Projet de Durabilité du Secteur Routier à Madagascar » izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (IDA) tamin’ny 3 oktobra 2022 lasa teo. Mitentina 100 tapitrisa Dolara izay famatsiam-bola fanampiny izay. Araka ny didin’ny lalàna manan-kery dia hatolotra ny Parlemanta mba hankatoavin’izy ireo izany volavolan-drijatenin-dalàna izany.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna mikasika ny fankatoavana ny famatsiam-bola hanamboarana ireo tobin-kerinaratra miisa 2 ka ny iray eny Avaratr’Antananarivo ( Tana Nord 2) ary ny iray any Ambohibary. Izany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Projet de Renforcement et Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie Electrique à Madagascar » (PRIRTEM I), izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Eximbank any Corée Atsimo.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana hanambarana ho tombontsoam-bahoaka ny asa fanajariana ny lalam-pirenena vonjimaika laharana faha-31 (RNT31) mampitohy an’Ankazobetsiahy sy Andapa. Ny ampahan-tany na fotodrafitrasa voakasika amin’ny asa fanajariana araka izany dia ho alain’ny Fanjakana Malagasy, na amin’ny alalan’ny fifampiraharahana amin’ny tompony (acquisition par voie amiable), na amin’ny alalan’ny fanesorana noho ny tombontsoam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique) raha tsy mahita fifanarahana amin’ny tompony.

    MINISITERAN’NY HARENA ANKIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana vaovao manafoana ny didim-panjakana lf: 2019-700 tamin’ny 10 avrily 2019 manendry ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny Filan-kevim-pitantanan’ny Ofisin’ny Harena Ankibon’ny tany nasionaly sy ny Indostria stratejika (OMNIS) hisolo tena ny Minisitera misahana ny Solitany.

    SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARMARIAM-PIRENENA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manome tombony manokana (bonification d’ancienneté de 3 mois) amin’ny fitondrana grady ny Kapiteny Manampy Clairot Chantol, mba ho fankasitrahana azy izay nanao vy very ny ainy tamin’ny fanatanterahana iraka sarotra sy nitera-doza izay nataony.

    Raha tsiahivina dia naratra nandritra ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana tamin’ny dahalo izay nanao halatr’omby tao amin’ny Fokontany Manamby Kaominina Ambanivohitra Ampanihy, Distrika Mahabo ity mpitandro filaminana ity ary tsaboina ao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana izy ankehitriny.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIRINA Holy Volana, ho Tale Jeneralin'ny "Centre National d’Etat Civil et de l’Identité" (CNECI).

    MINISITERAN'NY NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny "Directeur d’Ecole Doctorale à l’Université" ao Toamasina.

    MINISTERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-772 tamin'ny 16 jolay 2020 ary manendry an'Atoa. RAMANANTSOAVINA Rivoharivony, ho Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana Analamanga

Natao ny 11 novambra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO