TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 12 Oktobra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tetikasa vaovao “Nouveaux Projets Emergents » (NPE) taona 2022 hananganana fotodrafitrasa manara-penitra miisa 10 hatao biraon’ny fitaleavam-paritra sy ny fananan-tany any Mahanoro, Sambava, Tolagnaro, Toliara, Ihosy, Tsiroanomandidy, Ambositra, Maevatanana, Fianarantsoa, ary Miarinarivo.

    Ny ampahany voalohany 20%, amin’ny fampiasam-bola ilaina amin’zany asa fanamboarana izany no nankatoavina, fa horaisin’ny teti-bola 2023 kosa ny ampahany faharoa, dia ny 80%. Etsy ankilany dia nankatoavina koa ny fanamboarana maika ny biraon’ny fananan-tany Faritra Vatovavy izay potika hatrany amin’ny 95% vokatry ny rivodoza Ana sy Batsirai tamin’ny fiandohan’ny taona 2022.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fitaovana ara-informatika izay nangatahan’ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta, ao anatin’ny fiarahamiasan’ny Governemanta Malagasy sy ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD).

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fitaovana rehetra ilain’ny tetikasa GIZ vatsian’ny Governemanta Alemana vola. Izany moa dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny andininy faha-3 andalana voalohany amin’ny fifanaraham-piaramiasa teknika (accord de coopération technique) eo amin’ny Governemanta Malagasy ny ny Governemanta Alemana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fitaovana fampitan-davitra (matériel visioconférence) fanomezana avy any amin’ny SADC ho an’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fiara Mitsubishi Pajero V96 GLX ho an’ny Birao Mahaleo Tena Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) izay vokatry ny fiarahamiasa amin’ny Vondrona Eoropeana.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanovàna ny teny filamatry ny Polisim-pirenena ho lasa hoe “POLISIM-PIRENENA MIARO SY MANAMPY NY VAHOAKA ».

    Nanomboka tamin’ny nananganana ny Polisim-pirenena dia « adidy sy hitsim-po » no teny filamatra nentiny, heverina fa ilaina ny mampifanaraka amin’ny toetrandro sy ny fanamby takiana aminy izany teny filamatra izany. Raha iverenana kely ny tantara dia ny taona 2021 lasa teo no feno 60 taona ny Polisim-pirenena Malagasy ary io “polisim-pirenena miaro sy manampy ny vahoaka” io no lohahevitra nentina nanamarihana izany jobily izany. Lohahevitra izay nosafidiana manokana mba hanehoana ny fahavononan’ny Polisim-pirenena hiasa ho an’ny vahoaka sy ny paikady hiatrehana ny olan’ny fandriam-pahalemana. Koa dia hotazomina izy io ho lasa teny filamatra vaovao manomboka izao.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Ho fanatanterahana ny Velirano faha-4 mikasika ny « fanabeazana sy kolontsaina ho an’ny rehetra » dia ilaina ny fanamafisana ny fotodrafitrasan’ny Oniversite manerana ny Nosy. Izany indrindra no antony nankatoavan’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana famatsiam-bola fanampiny ho an’ny Minisitera mba ahafahany miroso amin’ny famefena sy ny fanajariana ny ivelan’ireo « Campus » vaovao vao natsangana, dia ny any Antalaha, Soavinandriana Itasy ary Fenoarivo Atsinanana.

    Izany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa vaovao na « Nouveaux Projets Emergents » ho an’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa taona 2022.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA+ MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fanampiana fitaovam-pianarana izao omen’ny rafitry ny firenena mikambana UNICEF ho an’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Ny fananganana ny Hopitaly Manara-penitra any anivon’ny distrika samihafa dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana tetibola ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ao anatin’ny tetikasa vaovao « Nouveaux Projets Emergents » taona 2022 ahafahana manao fampitaovana ara-pitsaboana sy ara-informatika sy manangana fotodrafitrasa sy toeram-ponenan’ny mpiasan’ny fahasalamana, ho an’ny Hopitaly Manara-penitra Maintirano, Mandritsara, Beloha.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana fanadiovana rano antsoina hoe « waterflock » sy ny fitaovana ilaina amin’ny toeram-pivoahana sahanin’ny Minisitera hotsinjaraina amin’ny faritra 23 eto Madagasikara.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Manoloana ny doro tanety sy doro ala ary ny afo miparitaka tato ho ato, indrindra amin’ny faritra na valan-java-boahary arovana, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisana fepetra hentitra hiadiana maika amin’izany.

    Araka ny toromarika maika nomen’ny filohan’ny Repoblika, dia natsangana ny Rafitra enti-miady amin’ny doro tanety dia ny « Centre de Coordination et d’Opérationnalisation » (CCO) ka ny Minisitry misahana ny Tontolo Iainana sy ny Birao misahana ny fitantanana ny Ambana sy ny Loza voajanahary (BNGRC) ary ny avy amin’ny Tafika Malagasy no hitarika azy. Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no nisy ny fivoriana maika notarihin’Atoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, nandraisana anjaran’ireo minisitera isan-tsokajiny izay voakasiky ny ady, ka izy ireo no handrafitra ny CCO. Hahetsika ny Komity GRC (Gestion des Risques et Catastrophes) izay efa misy any anivon’ny Faritra, Distrika, Kaominina ary Fokontany rehetra, ka io Komity io no hifandray mivantana amin’ny CCO. Hatsangana koa ny rindrambaiko “AROAFO DATA” ahafahana manao ny angom-baovao, manaraka tsy tapaka ary amin’ny fotoana tsy tara ny mety ho fisian’ny afo miforona, hahafaingana ny fandraisana an-tanana ka hanetsehana ny fitaovana ilaina amin’ny famonoana afo, hanetsehana koa ny tompon’andraikitry ny ala sy ny tontolo iainana ifotony, ny mpitandro filaminana ary ny fokonolona amin’izany famonoana afo izany. Hisy koa ny laharana maintso izay hapetraka faran’izay haingana indrindra, hanangonana ny vaovao avy amin’ireo olom-pirenena mikasika ny ady amin’ny doro tanety sy doro ala.

    Hentitra ny Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy atao ny fiaraha-mientana ankapobeny mihitsy ho an’ny firenena iray manontolo, hisy ny fanetsehana ny angidim-by an’ny tafika, sy ny fividianana fitaovana famonoana afo maika avy any ivelany. Tsy azo ekena hoy Andriamatoa Filoham-pirenena ny famotehana ny firenena ka MELOHINA TANTERAKA NY FANDOROANA INIANA ATAO IZAY HELOKA BEVAVA EO ANATREHAN’NY LALÀNA, tsy maintsy ampiharina koa ny “tolerance 0” tsy hisian’ny fandeferana na kely aza ho an’ireo tratra mandoro tanety na mandoro ala na faritra arovana.

    Ankoatra izay fepetra manokana avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy dia manao antso amin’ireo mpiara-miombona antoka rehetra koa ny Filan-kevitry ny Minisitra, na ato anatiny na avy any ivelany mba hisian’ny fifanomezan-tanana amin’ny fampitaovana ilaina hifehezana faran’izay haingana ny afo miparitaka ankehitriny.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Ho fanatanterahana ny Velirano voalohan’ny Filohan’ny Repoblika, mikasika ny « Filaminana sy fandriam-pahalemana ho laharam-pahamehana » dia nankatoavina ny tetikasa vaovao « Nouveaux Projets Emergents » ho an’ny Zandarmariam-pirenena ahafahana manangana « Brigade territoriale de la Gendarmerie » any amin’ny Kaominina Tongobory, distrikan’i Betioky Faritra Atsimo Andrefana.

    Ny fotodrafitrasa izay atsangana, dia hahitana birao, trano fonenana manamboninahitra zandary 4 sy zandary tsotra 4, ary trano fonenana ho ana zandary 12 hafa handrafitra ny « Brigade ». Ankoatra izay dia hisy fampitaovana « motos cross » miisa 6 ho azo. Hisy koa ao anatin’ny NPE ny zandarmariam-pirenena ho an’ity taona 2022 ity ihany ny fananganana « Centre Spécial d’Aguérissement Opérationnel» (CSAO) any amin’ny Kaominina Mahaly, Amboasary Atsimo Faritra Anosy. Ny CSAO kosa dia natao handray zandary hatramin’ny 75, hahitana trano miisa 5 izay hampiasaina ho birao, fisakafoanana, toeram-patoriana, ary toeram-pitsaboana. Hisy koa fampitaovana fiara tsy mataho-dalana miisa 2, motos cross miisa 10, fiarabe hitaterana ireo tropy. Ny ampahany voalohany, 20% amin’ny tetibola ilaina no homena amin’ity taona 2022 ity ary ny ampahany faharoa, 80% kosa dia hosoratana amin’ny tetibola 2023.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fomba hitsinjarana ireo motos miisa 178 izay nomena ny Zandarmariam-pirenena, araka ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 19 septambra 2022. Araka izany dia hahazo ireo motos ireo ny biraon’ny Zandary (Unités de gendarmerie) miisa 82 miparitaka amin’ny faritra 23, ary koa ny CSAO vaovao miisa 8 vao avy natsangana.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

     

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Anisan’ny asa goavana tafiditra anatin’ny fanatanterahana ny « Plan Emergence Madagascar » mba ho fanatrarana ny fahataran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ny fanamboarana ny lalambe migodana na « autoroute » mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Miroso hatrany amin’ny fanomanana ny fanatanterahana ny asa ny fitondram-panjakana ankehitriny ka noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana hanambarana ho tombontsoam-bahoaka ny asa fanamboarana ny lalambe migodana na « autoroute » mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ka mandalo ao anatin’ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro ary Atsinanana. Ny ampahan-tany voakasika amin’ny asa fanamboarana araka izany dia ho alain’ny Fanjakana Malagasy, na amin’ny alalan’ny fifampiraharahana amin’ny tompony (acquisition par voie amiable), na amin’ny alalan’ny fanesorana noho ny tombontsoam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique) raha tsy mahita fifanarahana amin’ny tompony.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARISON Tokiniaina, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektioran'i Mananjary.

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015- 1427 tamin'ny 24 oktobra 2015 ary manendry an'Atoa. DAVIDSON Mark Ny Aina, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektioran'Ambatondrazaka.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015- 1427 tamin'ny 24 oktobra 2015 ary manendry an'Atoa.NORO Luc Mohamed, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektioran'i Manakara.

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAZAFINDRABE Rinah, ho "Directeur Général de la Gouvernance Environnemental" eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 709 tamin'ny 1 jolay 2020 manendry an'Atoa.BAKARIZAFY Jean Hervé, ho "Directeur des Aires Protégées, des Ressources Naturelles Renouvelables et des Ecosystèmes" eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy.
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1063 tamin'ny 26 août 2020 nanendry ny Talen’ny "Dépêche Informative TARATRA"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1242 tamin'ny 6 jona 2019 nanendry ny Talen'ny Radiom-pirenena Malagasy.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-708 tamin'ny 07 septambra 2021 nanendry ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Alaotra Mangoro.

Natao ny 12 Oktobra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO