TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 20 jolay 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY TETI-BOLA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny haban-tseranana sy ny hetra amin’ny fanafarana entana mikasika ny fampidirina ny vary milanja 5.000 taonina izay fanomezana avy amin’ny Governemanta Indiana. Amin’ny fiandohan’ny Volana Aogositra no andrasana ho tonga eto Madagasikara ireo vary fanomezana ireo.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny haban-tseranana sy ny hetra amin’ny fanafarana entana mikasika ny fampidirina fitaovana informatika avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD). Ireo fitaovana ireo dia natokana ho an’ny Fitaleavana Ankapobeny Misahana ny Toekarena sy ny Teti-pivoarana.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta Indiana amin’ny alalan’ny EXIMBANK any Inde, izay hampiasaina amin’ny sehatry ny fiarovam-pirenena, fambolena sy fiompiana, angovo azo avaozina, fitaterana an-tanety sy fitaterana an’habakabaka, indostria madinika, …

    Mitentina 100 tapitrisa dolara io famatsiam-bola io, ka ny 10 tapitrisa dolara amin’io dia fanomezana tsy averina. Aorian’izao fankatoavan’ny Filan-kevitry ny Minisitra izao dia hiroso avy hatrany amin’ny fandrafetana sy ny fanasoniavana ny fifanaraham-pamantsiam-bola ny fanjakana Malagasy sy ny EXIMBANK Inde/Governemanta Indiana.

    Raha tsiahivina, nandritra ny dinika nifanaovan’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA tamin’ireo mpitatitra mikasika ny fampiakarana ny saran-dalana, dia nisy ny fampanantenana fanohanana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika ho an’ireo mpandraharaha ara-pitaterana vonona hanova ny fiarany. Fiara fitateram-bahoaka lehibe (bus) izay mahazaka olona 25 mipetraka sy 25 mitsangana no takiana amin’izany, ka horaisin’ny fanjakana malagasy an-tanana ny ampahany amin’ny vidiny. Hisy ampahany amin’izay famatsiam-bola avy amin’i Inde izay araka izany hampiasaina amin’ity fanohanana (subventions) ho an’ny fanavaozana ny fiara fitaterana ho an’ireo mpandraharaha hiroso amin’ny fanoloana ny fiarany ity. Hentitra ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny hanafainganana ny fanatanterahana ny fifanaraham-pamantsiam-bola mba ahafahan’ny mpitatitra misitraka ihany koa faran’izay haingana ny tohana avy amin’ny Fanjakana.

    Ankoatra izay dia hisy koa ny fampitaovana ho an’ny Foloalindahy Malagasy, ny fividianana fiaramanidina ho an’ny Tafika Malagasy sy ny Kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Malagasy, ny fananganana orinasa ara-indostrialy madinika ao anatin’ny programa “One District, One Factory” (ODOF), ny famatsiana fitaovana ahazoana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ary ny famatsiana bisikileta ho an’ny tantsaha, samy ho tafiditra ao anatin’ity famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta Indiana ity avokoa.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanetsehana ny kitampom-bolan’ny “Fonds National de Péréquation » mba hanampiana ireeo kaominina tena niharam-pahavoazana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza ANA, BATSIRAI ary EMNATI. Kaominina 15 amin’ny faritra 4 (Vatovavy, Fitovinany, Ihorombe, Atsimo Atsinanana) tena voa mafy no hisitraka izany, ary ny fanamboarana ireo biraon’ny Kaominina rava no hiompanan’ny famatsaim-bola. Ny ratsa-mangaikan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana « FDL » na “Fonds de Développement Local » no miandraikitra ny FNP

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanatontosana ny andiany faha-7 amin’ny Fifaninanam-pirenena ara-panatajahantena andraisan’ireo mpiasam-panjakana ao anatin’ny Fikambanana ASIEF (l’Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires et des agents de l’Etat) anjara. Any Toliara no hatao ity andiany faha-7 ny 20 aogositra ka hatramin’ny 4 septambra 2022.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ny fampivondronana ireo atleta malagasy izay manomana ny andiany faha-11 amin’ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, ho amin’ity taona 2022 ity. Tsiahivina fa i Madagasikara no hampiantrano ity lalao ity. Atleta 1.175 isa no ho voakasiky ny fampivondronana, izay hampihetsehana ihany koa mpanazatra miisa 77 sy mpitsabo sy mpanara-maso “kinésithérapeutes” miisa 160.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’I Madagasikara anjara amin’ny lalaon’ny Vaomieran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena aty amin’ny Ranomasimbe Indiana (CJSOI). Ny 04 ka hatramin’ny 11 desambra 2022 no hanatanterahana ity lalaon’ny CJSOI ity atsy amin’ny Nosy Maurice. Firenena 7 no handray anjara, Madagasikara, Djibouti, Comores, Maurice, Mayotte, Seychelles ary La Réunion.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fitokanana fotodrafitrasan’ny Minisitera, namboarina tao anatin’ny tetikasa PROSPERER any amin’ny Kaominina Iboaka, Distrikan’i Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony, izay hatao amin’ny volana Aogositra ho avy io.

    Ireto avy ireto fotodrafitrasa ireo:

    - Toby fanodinana ronono izay mahavita manodina ronono 3.000 litatra isan’andro, ary mamokatra ronono mandry, yaourt, crème fraiche ary fromage. Tantsaha mpamokatra ronono miisa 600 isan’andro fahafahakeliny no misitraka ny fisiana sy ny fihodinan’io Toby fanodinana ronono io.

    - Orinasa famokarana sakafom-biby afaka manodina akora hatrany amin’ny 5 taonina isan’andro, eo amin’ny 800 kilao isan’ora eo.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny tatitra nataon’ny Minisitera amin’ny fanomanana ny tetikasa maika ho fanamafisana ny famokarana sakafo eto Madagasikara tafiditra ao anatin’ny famatsiambolan’ny BAD na Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana « Facilité Africaine de Production Alimentaire d’urgence » (AEFPF).

    Izy ity dia vokatry ny fivoriana niarahan’ireo minisitry ny fambolena sy fiompiana avy amin’ny firenena afrikana samihafa, volana vitsy lasa izay ho fiatrehana ny vokatry ny krizy maneran-tany ateraky ny ady any Ukraine, ka mahasarotra ny famatsiana varimbazaha, katsaka, soja, voanjo sns… maneran-tany. Mba isorohana ny krizy ara-tsakafo dia misy famatsiam-bola mitentina 15 tapitrisa UC, izany hoe eo ho eo amin’ny 20 tapitrisa dolara amerikana eo omen’ny BAD hamatsiana masomboly sy zezika ho an’ny tantsaha. Faritra 20 amin’ny 23 eto Madagasikara no afaka hisitraka izay tetikasa maika izay, mba hampiakarana ny taham-pamokarana eo amin’ny fambolena. Ny vary, ny mangahazo, ary ny ampemba ho an’ny faritra Atsimo dia ho voakasiky ny tetikasa ihany koa. Ezahina haparitaka mialohan’ny taom-pambolena manaraka ireo masomboly sy zezika ireo.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny haban-tseranana sy ny hetra amin’ny fanafarana entana mikasika ny fampidirana ireo fitaovana fanadiovana rano fisotro azo entina mandehandeha (Unité de système de purification d’eau portable) miisa 10 izay fanomezana avy amin’ny Governemanta Israeliana. Tetikasa andrana eo amin’ny fiarahamiasan’ny firenena roa tonta izy ity, ka heverina ho azo tohizana raha ahitana fahombiazana ny fampiasana azy ho an’ireo faritra tena mila izay fanadiovana rano fisotro izay.

    MINISITERAN’NY HARENA ANKIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA ARA-STRATEJIKA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny haban-tseranana sy ny hetra amin’ny fanafarana entana mikasika ny fampidirana fitaovana siantifika sy fitiliana singa mineraly ao anatin’ny vato (traçables hygromètres thermomètres et de réactif multi-élément ICP standard 33 éléments 100 mg/L in 5% HN03) avy amin’ny AIEA (Agence Internationale de l’Energie Atomique). Miisa 6 ireo fitaovana lehibe ireo, tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanamafisana ny fahaiza-manao isam-paritra ahazoana indostria fitrandrahana harena ankibon’ny tany maharitra iarahan’ny OMNIS (Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques) sy ny AEIA.

    SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindran-toerana ireo tokantrano miisa 57 ao amin’ny Fokontany Lazaret Avaratra, sy ireo tokantrano miisa 5 izay voakasiky ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « MIAMI La Corniche » any Antsiranana. Misy tany mirefy 1 hektara sy 50 ara izay fananan’ny SEIMAD any an-toerana ihany no hamindrana ireo fiankaviana rehetra voakasika ireo.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna manome alalana ny fankatoavana ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’i Madagasikara sy Maurice. Tamin’ny 19 marsa 2019 no vita sonia teo amin’ny firenena roa tonta ity fifanaraham-piarahamiasa ity, efa nahvita ny fankatoavana azy ny Governemantan’i Maurice ka ny fankatoavana avy amin’ny Governemanta Malagasy sisa no andrasana. Ny lalàm-panorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara moa no mandidy fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny lalàna no hanaovana ny fankatoavana ny fifanaraham-piarahamiasa amin’ny firenena vahiny

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 507 tamin'ny 27 martsa 2019 ary manendy an-dRamatoa RAZANANDRASOA Marie Léontine, ho "Directeur Général de la Coopération Internationale" ny Minisiteran'ny raharaham-bahiny.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 506 tamin'ny martsa 2019 ary manendry an'Atoa.KOLA Emi-Haulain, ho "Directeur Général du Partenariat au Développement et de la Diaspora" ny Minisiteran'ny raharaham-bahiny.

     

  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020 - 1494 tamin'ny 11 novambra 2020 nanendry ny Tale Jeneraly mpisolo toerana ny Office Malgache des Tabacs (OFMATA).

Natao ny 20 jolay 2022, 

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO