TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 13 jolay 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra an’ireo maherifo tamin’ny tolo-panafahana 1947-1948, izay novonoina taorian’ny fitsarana tao Andafiavaratra. Ireto ny anaran’ireo maherifo novonoina ireo : 

    - Ny Lieutenant RANDRIAMAROMANANA Albert: novonoina ny 28 aprily 1948

    - Andriamatoa RAKOTONDRABE Samuel : novonoina ny 19 jolay 1948

    - Andriamatoa RATSIZAFY Samuel : novonoina ny 19 jolay 1948

    - Andriamatoa LEZOMA : novonoina ny 19 jolay 1948

    - Andriamatoa BEKAMISY : novonoina ny 19 jolay 1948

    Ny Talata 19 jolay 2022 ho avy izao no hanaovana ny lanonana fahatsiarovana eny amin’ny Tsangambato Ampitifirana Ankatso.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fampidirana ao anatin’ny tetibolam-panjakana foibe (budget général de l’Etat) ny karaman’ny mpiasa misahan-draharaha ara-panjakana sy ara-teknika (Personnel administratif et Technique) eny amin’ireo Oniversite, ireo IST (Instituts Supérieurs de Technologie) ary ny CROUA (Centre Régional des Oeuvres Universitaires).

    Ny zava-nisy nandritra ny taona maro dia tara foana ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa PAT ireo satria tetibola manokana no andoavana azy, ka vahaolana lehibe entin’ny fitondram-panjakana ity fampidirina anaty tetibolam-panjakana foibe ity mba hitovy amin’ny mpiasam-panjakana rehetra izy ireo ka ho afaka handray karama ara-potoana tsy misy fahatarana intsony.

    Tsindriana ihany koa fa hentitra ny fitondram-panjakana fa tsy azo atao intsony ny mampiditra mpiasa vaovao eny amin’ireo sampan-draharahan’ny fampianarana ambaratonga ambony voatanisa tery ambony ireo raha tsy mahazo alalana mazava avy amin’ny filan-kevitry ny minisitra.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny haba sy hetra amin’ny fanafarana entana avy any ivelany (Droits et taxes d’importation) amin’ny fampidirana ireo fanampiana iraisam-pirenena amin’ny maha-olona avy amin’ny firenena mikambana sy ny fikambanana iraisam-pirenena hafa izay namaly ny antson’i Madagasikara taorian’ny rivodoza nifanesy tamin’ny fiandohan’ny taona 2022. Ny BNGRC no miandraikitra ny fanangonana ireo fanampiana iraisam-pirenena ireo. Indroa miantoana ny fahatongavan’ireo fanampiana iraisam-pirenena ireo.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Mbola nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny haba sy ny hetra amin’ny fanafarana entana avy any ivelany (droits et taxes d’importation) mikasika ny fanomezana fiara fitaterana mpianatra omena ny kaominina ambanivohitra Sambaina, avy amin’ny Fikambanana APIC (Association pour la Promotion d’Initiatives Citoyennes) avy atsy amin’ny Nosy La Réunion.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny vola tsy voaloa tamin’ny fanamboarana ny CSB II ao Manja, Menabe. Ny kitapom-bola iraisana na « budget transversal » ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no handoavana izany

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanitarana ny fisokafan’ny sisin-tanintsika indray taorian’ny krizy ara-pahasalaman’ny Covid 19.

    Manoloana ny fahalafosan’ny saran-dalana amin’ny fitaterana an’habakabaka izay mampitaraina ny mpandeha, dia anisan’ny vahaolana lehibe entin’ny fitondram-panjakana ny fampitomboana ny fivezivezen’ireo kaompaniam-pitaterana miasa eto Madagasikara ankehitriny, ao anatin’ny fanajana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fitaterana an’habakabaka izay efa nankatoavin’ny firenena malagasy.

    Taorian’ny fisokafan’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo, Mahajanga, Nosy Be, Antsiranana, Sainte-Marie ary Toamasina amin’ireo zotram-pitaterana avy any Turquie, La Réunion, Mayotte, Maurice, Ethiopie ary France dia nomen’ny Filan-kevitry ny minisitra alalana ihany koa fisokafan’ny seranam-piaramanidina Toliara sy Tolagnaro ho an’ny zotra avy atsy La Réunion.

    Hentitra kosa ny Filohan’ny Repoblika ny tsy maintsy hisian’ny fanamafisana ny fepetra rehetra hiadiana amin’ny fanondranana ny harem-pirenena antsokosoko. Izany indrindra no mbola tsy mampisokatra ny zotra an’habakabaka mampitohy an’i Madagasikara amin’i Afrika Atsimo izay mbola miandry ny fanasoniavana fifanarahana na « protocole d’accord » (MOU) hiantohana ny fisorohana izay fanondrana antsokosoko ny harem-pirenena izany. Nohamafisin’Atoa Filohan’ny Repoblika koa ny fitakian’i Madagasikara ny fiverenan’ireo volamena 73 kg naondrana tsy ara-dalàna tany Afrika Atsimo sy ny fampodiana eto Madagasikara ireo teratany malagasy tompon’andraikitra tamin’izany fandikan-dalàna izany, amin’ny alalan’ny « extradition ». Mikaroka ny fomba rehetra, na araka ny lalàna manan-kery na ara-pomba diplomatika hahatratrarana izany tanjona izany ny fitondram-panjakana ankehitriny satria sarotiny amin’ny fiarovana ny harem-pirenena malagasy.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana didim-panjakana sy didim-pitondrana hamaritana ny drafitr’asa fametrahana (plan d’action de réinstallation) mifehy ny fanesorana (expropriation) na famindrana (déplacement) ireo olona mipetraka amin’ny faritra voakasiky ny tetikasa fanarenana ny lalam-pirenena RNS10 mampitohy an’Andranovory sy Ambovombe, sy ny lalam-pirenena RNT31 mampitohy an’Ankazobetsihay sy Andapa ary ireo lalam-paritra na lalan’ny kaominina mifandray amin’ireo lalam-pirenena ireo. Izany moa dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny hitsivolana lf 62-023 tamin’ny 19 septambra 1962 mikasika ny paika fanatanterahana ny « expropriation pour cause d’utilité publique ».

    Nanamafy ihany koa ny Filohan’ny Repoblika ny amin’ny tokony hanajana amin’ny antsipirihany ny voalazan’ny lalàna lf 2015-052 tamin’ny 3 febroary 2016 izay milaza fa misy elanelana tokony hajaina ny fahafahana manangana fotodrafitrasa tahaka ny trano fonenana na trano fivarotana na orinasa sy ny sisa manamorona ny lalam-pirenena ary mifanaraka amin’izany fanajana ny voalazan’ny lalàna manan-kery izany ny fandoavana ny onitra ho an’ireo voakasiky ny fanesorana na famindrana toerana.

    Ireo asa fanarenana ireo dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa PCMCI ( Projet Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive) izay vatsian’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (IDA) izay nosoniavina niaraka tamin’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny 18 avrily 2022. Ny « Agence Routière » no manatanteraka ny tetikasa.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny ahafahan’ny minisiteran’ny jono miroso amin’ny fanaovana fifanarahana hanomezana alalana ireo orinasa manana sambo mpanjono madinika tsy mampiasa fitaovana indostrialy. Hatreto dia miisa 5 ireo orinasa efa nahazo izany alalana izany tany aloha ka efa nanjono tamin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Ankehitriny dia mangataka ny fanavaozana izany fahazoan-dalana izany izy ireo.

    Ankoatra izay dia misy orinasa manana sambo mpanjono 3 hafa koa manao fangatahana vaovao.

    Marihana fa ny fanomezana ny fahazoan-dalana dia miankina amin’ny fahafenoan’ny fepetra fanaraha-maso izay tokony hajain’ireo mpangataka, ary miankina koa amin’ny fandoavana ny tataon-ketra mikasika ny jono izay voafaritry ny didim-pitondrana iraisan’ny minisitera lf 31793/2021 tamin’ny 29 desambra 2021.

    Nankatoavina ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny DTI amin’ny fanafarana fitaovana fanamboarana sakafon-trondro, ho an’ny Ivon-toeram-panofanana « MAF »

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavina ny fanolorana ny fitantanana ny Fantson-drano Ampotaka-Tsihombe an’ny « Alimentation en Eau dans le Sud » (AES).

    Tany aloha dia nankinina amin’ny orinasa tsy miankina ny fitantanana io fantsona lehibe famatsiana rano io, ankehitriny anefa dia tsy mahafeno ny fepetra takiana aminy intsony io orinasa io satria raha 90 m3 isan’andro no tokony hovatsian’izy ireo dia tsy mahafeno afatsy 25 m3 sisa izy ireo. Sahirana araka izany ny mponina any an-toerana ka ahiana hiteraka savorovoro any an-toerana. Izany indrindra no antony fandraisana fepetra haingana, dia ny fandraisan’ny AES ny fitantanana ahafahana mitondra ny fanavaozana ilaina, tahaka ny vina fanitarana ny fantsona lehibe hatrany Faux-Cap sy ny fampiasana ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro hanodinana ny fantsona.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TRANO FONENANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny haba sy ny hetra amin’ny fanafarana entana avy any ivelany (DTI) mikasika ny ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny toeram-piantsonana, ny andrimby (pylônes) ary ny fitoeran’ny mpandeha (cabines) ao anatin’ny tetikasa TPC (transports par câble), zotra volom-boasary. Izany moa dia araka ny fifanaraham-piarahamiasa amin’ny orinasa miandraikitra ny tetikasa teleferika.

    Izany dia ho fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika faha-11, ho fanavaozana an’i Madagasikara. Efa ao anatin’ny fanombohana ny asa amin’ny zotra volom-boasary ankehitriny ny fitondram-panjakana ary ny tanjona dia ny hahavitany mialohan’ny Lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana amin’ny taona 2023.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY SAMPANDRAHARAHAN’NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJAONARISON Lalaina Dina Prisca, ho “Coordinnateur des Projets” eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny sampandraharahan’ny fananan-tany

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana laharana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1115 tamin’ny 09 septambra 2020 ary manendry an’Atoa. RABIALAHY Marcellin Romuald, ho Lehiben’ny Distrikan’Isandra

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. ANDRIAMBININTSOA Toky Harivelo, ho « Directeur des Bourses Nationales et Extérieures » (DBNE).
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJAONARISON Sendra, ho « Directeur du Développement et de la Coordination du Partenariat » (DDCP) eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. MAMISOA Aina, ho « Directeur du Centre Régional des Œuvres Universitaire d’Antananarivo » (CROUA)

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1059 tamin’ny 06 oktobra 2021 manendry an-dRamatoa RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RANAIVO RAHAMEFY Lanto Zo, ho « Directeur de la Cellule Promotion de l’Intégrité » eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1200 tamin’ny 23 septambra 2020 ary manendry an’Atoa. RAKOTOMALALA Andrianjaka Miadana, ho “Directeur d’Evaluation des Acquis” eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1298 tamin’ny 07 oktobra 2020 ary manendry an’Atoa. RANDRIANANDRIANINA Jean Jacques, ho « Directeur de Développement des Ressources Pédagogiques » eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1365 tamin’ny 21 oktobra 2020, ary manendry an’Atoa. AUGUSTIN Laihova, ho « Directeur de l’Apprentissage et de la Formation Qualifiante » eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1369 tamin’ny 21 oktobra 2020, ary manendry an’Atoa. RAMIANDRARIVO Aina Andriamijery, ho « Directeur de la Veille et Prospective des Compétences » eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1370 tamin’ny 21 oktobra 2020 ary manendry an’Atoa. RASAMIMANANA Andriamandily Lyell, ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1372 tamin’ny 21 oktobra 2020 ary manendry an’Atoa. TAHADRAY Jean Tsitaitse, ho « Directeur de l’Enseignement Technique et de la Formation Initiale » eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1373 tamin’ny 21 oktobra 2020 ary manendry an-dRamatoa TSIKASIHY Fanjanirina, ho « Directeur des Curricula et de l’Assurance Qualité » eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa DOMINIQUE Josie Volaravo, ho Talen’ny Serasera sy ny Fiaraha-miasa eo anivon’ny minisiteran’ny fampiroboroboana sy ny fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY FANDROSOANA LOVAINJAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RAZAFIMAHEFA Nantenaina Luciano, ho “Directeur de la Communication et du Système d’Information » eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIAMBAO Nivo Malalatiana, ho “Directeur du Reboisement et de la Gestion des Paysages et des Forêts » eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 678 tamin’ny 23 jona 2021 ary manendry an’Atoa. CHRISTIAN Claude, ho Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ao Diana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 855 tamin’ny 29 jolay 2020 ary manendry an’Atoa. CHEBAN Saoly Alfred, ho Talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ao Ihorombe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1170 tamin’ny 16 septambra 2020 ary manendry an’Atoa. M. MANANTSOA Clermond, ho Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ao Sofia.
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1052 tamin’ny 06 oktobra 2021 nanendry ny Talen’ny serasera teo anivon’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoranafo

Natao ny 13 jolay 2022,

 

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO