TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 15 jona 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fifampidinihina ara-politika eo amin’i Madagasikara sy ny « Principauté de Monaco », amin’ny septambra 2022.

    Taorian’ny fanaovan-tsonian’ny fifanarahana lasitry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny « Principauté de Monaco », ny 28 martsa 2022 lasa teo, dia nifanarahana ny hanatanterahana fifampidinihina ara-politika eo amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahin’ny firenena roa tonta any Monté Carlo, Monaco ny volana septambra 2022. Ny daty dia mbola hifanarahan’ny roa tonta.

    Marihina fa i Madagasikara no firenena voalohany niarahan’ny « Principauté de Monaco » niasa eto Afrika. Efa roapolo taona mahery izao ny « Principauté de Monaco » no manohana ny fampandrosoana an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fidirany an-tsehatra mivantana ao anaty fandaharan’asa samihafa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fanampiana ireo tanora tojo fahasahiranana, ireo olona manana fahasembanana, ny tsy fahampian-tsakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo.

    Io fihaonana io dia tombony ho an’i Madagasikara ahafahany mampisongadina ireo laharam-pahamehan’ny Governemanta Malagasy ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasam-pampandrosoana, izay miray lalana amin’ny Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fivoriana faharoan’ny Vaomiera iombonan’i Madagasikara-Frantsa.

    Taorian’ny fivoriana voalohan’ny Vaomiera iombonan’i Madagasikara-Frantsa izay niresahana ny momba ireo nosy kely « Glorieuses, Juan de Nova, Europa et Bassas da India », ny 18 novambra 2019, dia hisy ny fivoriana faharoa izay kasaina ho tanterahina amin’ny volana septambra 2022 any Frantsa.

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fikarakarana ny « Forum » ho an’ireo Malagasy monina any ivelan’i Madagasikara, ny 29 hatramin’ny 31 jolay 2022 eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina

    Ny fankatoavana ny « Lettre de Politique Nationale pour l'Engagement de la Diaspora » (LPNED) tamin’ny febroary 2021 dia manaporofo ny lanja omen’ny Fitondram-panjakana ireo Malagasy monina any ivelan’i Madagasikara.

    Io taratasy io rahateo dia tafiditra ao anatin’ny vina ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ka hanondrotra ny firenena ho isan’ireo mamiratra indrindra eto Afrika, amin’ny alalan’ny Drafi-pampandrosoana an’i Madagasikara na « Plan Emergence de Madagascar ».

    Mifanaraka amin’io LPNED io dia misy ny fametrahana rafitra hakana ny hevitr’ireo Malagasy monina any ivelany amin’ny alalan’io « Forum » io, izay tahala ofisialy hifanakalozana sy hifampiresahana eo amin’ireo mpisehatra samihafa eto an-toerana sy any am-pielezana. Ny « Forum » voalohany ho an’ireo Malagasy am-pielezana dia natao tamin’ny volana oktobra 2017. Io hetsika io dia nafahana nampiroborobo ny fandraisan’andraikitry ny Malagasy monina any ivelany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavina ny famindrana ny tany mirefy 06Ha 70A 60CA izay ao amin’ny faritry ny « CITE FITIAVANA » TN°24.479-V ao Andrainjato, Kaominina an-dRenivohitra sy Distrikan’i Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony, mba hampidirina ao anatin’ny tahiry tany (réserve foncière) io tany voalaza io, ho ampiasain’ny Agence Nationale d’Appui au Logement et à l’Habitat (ANALOGH).

    Nankatoavina ny fanomezana ny tany izay antsoina hoe « Service Fonciers Mampikony» TN°1255-BT ao Ambavahadiala, Kaominina Ambonivohitr’i Mampikony I, Distrikan’i Mampikony, Faritr’i Sofia, mba hampiasain’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany ao Mampikony hanorenana birao.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fanavaozana ny « Nomenclature budgétaire de l’Etat ».

    Ny « Nomenclature Budgétaire de l'Etat » (NBE) dia singa fototry ny fitantanana ny volam-panjakana, afahana mandrakitra ireo vola miditra sy ireo fandaniam-panjakana ao anatin’ireo antotan-taratasy momba ny tetibola ka miantoka ny fanaraha-maso feno sy mangaraharan’ny politikam-panjakana. Ny sokajin’ny tetibola (nomenclature budgétaire) ampiasaina eto Madagasikara amin’izao fotoana dia somary efa tranainy ary tsy nisy fijerena firy hatramin’ny fanavaozana farany izay natao taminy ny taona 2005. Ilaina noho izany ny fanavaozana azy mba hiantohana ny fahombiazany, ary koa mba hampifandraisana azy amin’ireo fenitra iraisam-pirenena.

    Nankatoavina ny fanafahan-ketra amin’ny fanafarana « pales »-n’angidimby miisa 03, ho an’ny « ONG HELIMISSION » izay misehatra amin’ny fitsinjovana ny olona..

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fanatanterahana ny famelana hampiasa ireo tany ao anatin’ny fanatanterahana ny fifanarahana natao tamin’ny 04 aprily 2021 teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Orinasa Intermediaction Ingeniera Tecnica Omega.

    Ireo tany ireo dia natolotra mba hanatanterahana ny tetikasa famokarana siramamy any amin’ny Faritra Atsinanana sy Menabe. Marihina fa ireo tany ireo dia mijanona misoratra amin’ny fanjakana

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    Nankatoavina ny hanohanana ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny Vovonam-Pirenena Katolikan’ny Tanora (VPKT) eto Madagasikara eo amin’ny lafiny fitaterana, fampisakafoana, loka sy mari-pankasitrahana, ary sara ara-pitaovana samihafa ao anatin’ny fankalazana ny andiany fahafolo amin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora any Antsirabe..

    Io hetsika io dia ho tanterahina any Antsirabe, ny 30 aogositra hatramin’ny 4 septambra 2022, ary tanora mpivahiny miisa 30 000 izay avy amina fikambanana miisa 13 sy diosezy miisa 22 no handray anjara amin’izany.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY FAMATARANA NY TOETRANDRO + MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY SAMPANDRAHARAHAN’NY FANANAN-TANY + SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanamoràna ny fomba fanomezan-dalana ny fananganana ireo toeram-piantsonana amin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena “train urbain”.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny tetiandron’ny Fampianarana ara-teknika sy ny Fanofanana arak’asa, taona 2022-2023, any amin’ireo toeram-pampianarana rehetra izay miankina amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika sy ny Fanofanana arak’asa

    Maharitra 35 herinandro ny tetiandrom-pampianarana, ka ny 2 herinandro dia natokana ho an’ny fanomanana ara-pitantanana sy pedagojika ary ny 33 herinandro ho an’ny fampianarana sy ny fanofanana.

    Ny 03 oktobra 2022 no fidiran’ireo mpiofana ary ny fakan-drivotra lehibe dia manomboka ny 24 jona 2023.

    Ho fepetra tan-tsoroka taorian’ny Covid 19 sy mba hamerenana sy hampivoarana indray ny fahaiza-manaon’ireo tanora, dia tsy hisy ny fampandoavana saram-pisoratan’anarana sy saram-piofanana ary ihany koa « frais généraux » eny anivon’ireo toeram-panofanana rehetra miankina amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ara-tekinika sy Fanofanana arak’asa, mandra-pisian’ny fanapahan-kevitra vaovao. 

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Noraisina ny volavolan-dalàna manome alalana ny fanaovan-tsonian’ny fifanarahana findramam-bola hamatsiana ny tetikasa fametrahana fly-over Anosizato sampanana RN1 sy RN58A, izay natao ny 19 may 2022 teo amin’ny Repoblikan’i MAdagasikara sy ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana eto Afrika (BADEA)

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    Noraisina ny volavolan-dalàna manome alalana ny fanaovan-tsonia findramam-bola hamatsiana ny tetikasa fanohanana ny fanarenana sy ny fahafaha-miatrika ao anaty Faritra miisa telo any Atsimo na SUD-PA2R natao ny 1 jona 2022 teo amin’ny Repoblikan’I Madagasikara sy ny Tahirim-bolan’ny Fambolena FIDA

    Noraisina ny volavolan-dalàna manome alalana ny fanaovan-tsonia ny findramam-bola hamatsiana ny Projet Pole Intégré de Croissance Agricole et Agro-industrielle any Atsimo dingana voalohany, natao ny 9 jona 2022 teo amin’ny firenena Malagasy sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana sy petra-bola afrikanina ho an’ny fampandrosoana.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Noraisina ny didim-panjakana manambara fa filàna iombonana ny fanatanterahana ireo asa fanamboarana sy fanajariana ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’ny Gymnase mahazaka mpijery miisa 4000 ao Toliara.

    MINISITERAN’NY FANABEZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY FIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA + MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

    Noraisina ny volavolan-dalàna mametraka ny sori-dalana ankapoben’ny drafi-pampianarana eto Madagasikara

    Fanamby napetraky ny fitondram-panjakana ny mametraka fanabeazana tsara kalitao ho an’ny rehetra araky ny velirano faha-efatra. Amin’ny ankapobeny, ny rafi-pampianarana dia tokony hamaly ireo filan’ny firenena ary mifandraika amin’ny zava-misy ao aminy. Arak’izany ireo minisitera telo miandraikitra ny fanabeazana, ny fampianarana ambony sy ny fampiofanana dia nanapa-kevitra ny hanavao ny lalàna izay mametraka ny lalan-tsaina hitondrana ny rafi-pampianarana. Ny fandrafetana ity lalàna ity dia nanaraka fomba fiasa mampiaty, izay niarahana tamin’ireo teknisian’ny minisitera telo tonta sy ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana mba nafahana namaritra ireo teboka lehibe hampiharana izany fanavaozana izany. Ity lalàna vaovao ity dia ho fanoitry ny fampandrosoana satria hametraka fanabeazana manakaiky kokoa ny vahoaka sy rafitra mifandraika amin’ny zava-misy. Ireo no fototry ny rafi-pampianarana vaovao izay hapetraky ny Governemanta eto Madagasikara.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny volavolan-dalàna manome alalana ny findramam-bola mifandraika amin’ny famatsiam-bolan’ny tetikasa fanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio eto Madagasikara, nosoniavina ny 15 jona 2022 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Association International de Développement (IDA).

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 872 tamin’ny septambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade ZAFIMIHARY Heriniaina Cyriaque, ho “Sous-Chef d’Etat-Major Administration à l’Etat-Major de l’Armée de l’Air.”

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIRINA Elysa, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny rahaharam-bahiny.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016- 1463 tamin’ny 29 novambra 2016 ary manendry an’Atoa. ANDRIANASOLO Haja Lalaina Elià, ho « Directeur de l’Inspection Pénitentiaire » eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-901 tamin’ny 1 aogositra 2018 ary manendry an’Atoa. TOLOJANAHARY Renel Edelphin, ho « Directeur de la Formation Initiale de l’Institut National de la Décentralisation et du Développement Local ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1434 tamin’ny 24 oktobra 2015 ary manendry an-dRamatoa ZARA Amélie, ho Lehiben’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 990 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an’Atoa. RAKOTOSON Frank Tantely, ho Directeur des Normes, des Etudes et de la Formation eo anivon’ny minisiteran’ny fizahantany.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RABOTOMANASA Patrick, ho Coordonnateur de la Cellule Anti-Corruption (CAC) ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RATOMAHENINA Beson Tantelitiana, ho « Directeur des Infrastructures » eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 861 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMBELO Jeanne Eulalie, ho Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ao Itasy

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. LAIGAONA Nara Mauricio, ho Talem-paritry ny jono sy ny toekarena manga ao Analanjirofo

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RABEHARIVONY Jeanza Georal, ho Directeur du Système d’Information, eo anivon’ny minisiteran’ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMAHERISON Zo Aina Angelica, ho Directeur de la Promotion de l’Hygiène, anivon’ny minisiteran’ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 778 tamin’ny 16 jolay 2020 ary manendry an’Atoa. AIME François, ho Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ao Atsimo Andrefana
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa RAKOTONIAINA José Fulgence, ho Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ao Itasy

    SEKRETERIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 306 tamin’ny 7 martsa 2019 ary manendry ny Colonel APPOLINAIRE Lezafy Celin, ho Commandant de la Circonscription de la Gendarmerie nationale ao Mahajanga
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1265 tamin’ny 10 novambra 2021 ary manendry ny Colonel RANDRIANARIVELO-IARIVONY Noelson Félicien, ho Commandant des Forces d’Intervention de la Gendarmerie Nationale.
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manambara ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny “Coordonnateur National des Pôles Anti-Corruption.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1340 tamin’ny 15 oktobra 2020 nanendry ny “Directeur Général de la Gouvernance Environnementale », eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 708 tamin’ny 1 jolay 2020 nanendry ny Directeur du Reboisement et de la Gestion des Paysage et des Forêts eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy.

Natao ny 15 jona 2022

Ny Fitaleavan’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika