TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 20 Aprily

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    TATITRY NY DIAN'NY DELEGASIONA MALAGASY TANY WASHINGTON

    Ny tanjon'ny dia tany Washington dia ny hihaona amin'ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena mba hahafahana nifanakalo hevitra momba ny famatsiam-bola sy ny fanatanterahana ny PNR ary nanaovana sonia fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny fanarenena an'i Madagasikara.

    Sambany teo amin’ny tantaran’i Bretton Woods no nisy mpitarika ireo vondrona roa lehibe dia ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI niaraka nandray Filoham-pirenena. Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara izany ary mariky ny fanavaozana ny fahatokisana eo amin'ny telo tonta.

    Raha ny fifanaovan-tsonia manokana no resahana dia:

    - nahazo 534 tapitrisa dolara i Madagasika ho an'ny sehatry ny lalana sy ny fahasalamana

    - nahazo famatsiam-bola avy amin'ny Banky Iraisampirenena mitentina 415 tapitrisa dolara kosa isika, ho fanatanterahana ny “Plan de Redressement National” (PNR).

    - nahazo famatsiam-bola fanampiny avy amin’ny USAID ihany koa isika entina hanatanterahana ny tetikasa eo amin’ny lafiny ny tontolo iainana miaraka amin’ny sehatra tsy miankina, sy ho fanatsarana ny fahafaha-miatriky ny mponina.

    Ho an'ireo famatsiam-bola rehetra azo ireo dia tsara ho marihina fa ny 50% dia tsy averina.

    Nihamafy araka izany fifampitokisana amin'ireo vondrona mpitantam-bola iraisampirenena sy ireo sampana miasa ho an'ny fampandrosoana any Washington. Nitondra endrika vao an'i Madagasikara ny Filohan’ny Repoblika ary niverina amin'ny toerany eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavina ny fangatahana famatsiam-bola fanampiny, hanatanterahana tetikasa sy asa sokajiana ho laharam-pahamehana saingy tsy voarakotry ny tetibola voalohany natokana hanatontosàna ireo NPE 2022 an’ny Minisitera. Izany famatsiam-bola fanampiny izany dia ahafahana manantanteraka ny fanorenana tribonaly vaovao ao Mahanoro, Ambatofinandrahana ary ao Beroroha. Hisy ihany koa fanorenana fonja vaovao ao Antsiranana.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavina ny fanomezana fahazoan-dalana manokana ho an’ny minisitera, hanototra tany eo Andavamamba izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahina ny tetikasa PRODUIR

    Ao anatin’ny asa fanadiovana ny Canal C3 sy ny fanamafisana ny fefilohan’Ikopa sy Sisaony, ny tetikasa PRODUIR dia mikasa ny hiroso amin’ny fanajariana ireo toerana ahafahana mandray ireo mponina voakasika eny amin’ny faritra Andavamamba. Izany asa fanajariana izany dia mifototra amin’ny fanotofana ny toerana hananganana ireo trano fonenana izay mizara ho sokajy 03, ary hisy rihana iray (R+1) sy trano (appartements) miisa 87.

    Efa misy ny fahataràna amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity, koa dia nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezana fahazoan-dalana manokana ny minisitera, hanototra tany eo amin’io toerana voalaza eo Andavamamba io.

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA SY NY LALANA SOSIALY

    Nankatoavina ny fampitàna am-bava mahakasika ireo Nouveaux Projets d’Emergence (NPE) an’ny Minisitera ho an’ny taona 2022.

    Tafiditra ao anatin’izany NPE izany, izay mitentina 5 000 000 000 Ariary, ny fanorenana sy fampitaovana ireo birao rejionaly, indrindra any amin’ny faritra Atsinanana, Diana, Bongolava, Sofia, Ihorombe, Vatovavy. Ny Minisitera ihany koa dia mikasa ny hanome tohana ara-teknika ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa famoronana asa mendrika ho an’ireo vehivavy tokan-tena any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Matsiatra Ambony, Anosy.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny fametrahana lavadrano sy fotodrafitrasa fidiovana sy fanadiovana eny anivon’ny sekoly Manarapenitra miisa 285 manana efitra roa sy efitra efatra.

    Nankatoavina ihany koa ny fampidirana jiro sy rano ny JIRAMA amin’ireo sekoly Manarapenitra manana efitra 12 sy efitra 24 rehetra manerana an’i Madagasikara.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fampitàna am-bava mahakasika ny hanaovana adisisika (plaidoyer) eny anivon’ireo andrimpanjakan’ny Repoblika amin’ny fametrahana fomba fiasa marolafy mba hanafainganana ny fanaovam-baksiny miady amin’ny Covid-19.

    Tsara ny manindry fa tsy nisy fiovana ny politikan’ny Fanjakana Malagasy manoloana ny fanaovana vakisiny : an-tsitrapo no hanaovana izany ary tsy an-tery velively. Ny Governemanta rahateo dia mitohy mamokatra ireo fitsaboana amin’ny alalan’ny raokandro (CVO, CVO+) ho an’ny vahoaka Malagasy.

    Nampatsiahivin’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny dinika nifanaovany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola tany Washington:

    Ekena fa ambany ny tahan’ny fanaovana vakisiny ho an’i Madagasikara, saingy anisan’ny ambany indrindra teto Afrika sy manerana izao tontolo izao kosa ny tahan’ny fipariahan’ny valanaretina sy ny tahan’ny isan’ny maty ho an’i Madagasikara. Azo heverina ho antony tsy naharisika ny olona hanao vakisiny izany.

    - Olana ihany koa ny fitehirizana ny vakisiny satria ny ankamaroan’ny toeram-pitsaboana eto amin’ny firenena dia tsy manana fitaovana enti-mitahiry araka ny fenitra takian’ny fitehirizana ny vakisiny. Izay no antony tsy maintsy nanariana ireo vakisiny miisa 800 000.

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fampiasana ny « procédure de passation de contrat-cadre » sy ny fandraisana an-tanana ireo asa maika noho ny fandalovan’ireo rivo-doza tamin’ity 2022 ity.

    Mitentina 52 867 341 000 Ar ireo asa ireo ary ho raisin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola izany.

    Nampatsiahivin’ny Filohan’ny Repoblika anefa ny tokony hamaranana ny fanarenana ireo lalam-pirenena hatramin’ny taona 2023 sy ny fijerena ny fanaraha-maso tsenam-baro-panjakana sy ny fanajana ny fenitra takiana amin’ireo orinasa hanao ny asa.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA+ MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny firosoana amin’ny fitokanana ireo fotodrafitrasa natokana ho an’ny fikarohana an’ny FOFIFA ny 11 may 2020 eny Ambatombe.

    Ho fanatrarana ny tanjona mba hanatsarna ny fahafahan’ireo tantsaja misitraka masomboly tsara kalitao sy manaraka ny fenitra sy karazan-tsakafo tsara kalitao sy nohatsaraina, dia nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eo amin’ny fampitomboana sy famokarana masomboly.

    Hojerena ihany koa ny fanapariahana ireo akora fambolena sy ireo fomba fambolena samihafa. Noho izany indrindra, ny FOFIFA dia nisitraka fanajariana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa natokana ho an’ny fikarohana sy fampandrosoana, natokana hamantarana ireo olana « phytosanitaire » eo amin’ireo voly, ny fanatsarana ny famokarana masomboly tsara kalitao ho an’ny fambolena maharitra eto Madagasikara.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanavaozana ireo fahazoan-dalana nomena ireo orinasa toy ny : VITOGAZ, GALANA RAFFINERIE TERMINAL, JOVENA Madagascar, Total Energies Marketing Madagascar, GALANA DISTRIBUTION PETROLIERE, VIVO ENERGY, MOCCO, LOGISTIQUE PETROLIER S.A.

    Miisa 13 ireo fanavaozana fahazoan-dalana ireo ary mitotaly 19 tapitrisa dolara ny vola hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny sarany tsy maintsy aloa amin’izany fanavaozana izany.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA+ MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, ny PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoaviana ny didim-panjakana mifehy ny fandoavana ireo fandaniam-panjakana amin’ny alalan’ny e-poketra an’ny Paositra Malagasy. Izany dia mandray anjara amin’ny ezaka ataon’ny Fanjakana Malagasy amin’ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ezaka izay nankasitrahan'ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny Bretton Woods manokana. Nambaran’ny ny Filohan’ny Repoblika fa raisin’ny Fanjakana an-tanana ny saran’ny fanontana ireo karatra e-poketra ho an’ireo mpiasam-panjakana miisa 200.000.

    MINISITERAN’NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA+ MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA+MINISTERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    Nankatoavina ny didim-panjakana mandrava/manafoana ny Institut National du Commerce et de la Concurrence (INCC)

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1453 tamin’ny 07 aogositra 2019 ary manendry an’ny Colonel RANDRIANANTENAINA Emilson, ho Talen’ny « Combattants Nationalistes » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. M. RAZAFIARISON Jean Jugus, ho Tale Jeneralin’ny Administration du Territoire eo anivon’ny Minisiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RAKOTOMALALA Tojonirina, ho Directeur des Affaires et Financière au sein du Fonds de Développement Local eo anivon’ny minisiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. M. RATSARAHASINA Aina Nomena, ho Directeur de la Cellule Technique d’Exécution au sein du Fonds de Développement Local, eo anivon’ny minisiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana

    MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’i Commissaire Principal de Police RABENANDRASANA Jean Marcel, ho Directeur de la Police Economique eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1121 tamin’ny 09 septambra 2020 manendry an’i Commissaire Principal de Police RANDRIAMALAZA Tsilova Donné, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka any Melaky.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1123 tamin’ny 09 septambra 2020 ary manendry an’i Commissaire de Police de Première Classe MICHEL Rawilly, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka any Atsimo Atsinanana

    MINISITERAN’NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RAZANAKOTO Andrianirina Isidore, ho Tale Jeneralin’ny varotra sy ny fanjifana eo anivon’ny minisiteran’ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY FIKAROHANA SIANTIFIKA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 711 tamin’ny 10 aprily 2019 ary manendry ny Filohan’ireo Oniversite

    MINISITERAN’NY FAHASALAM-BAHOAKA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 0746 tamin’ny 11 jolay 2020 sy laharana faha 2021-408 tamin’ny 07 aprily 2021 ary manendry an-dRamatoa HANITRINIALA Sahondranirina Pâquerette, ho Directeur Général de l’Institut National de Santé Publique et Communautaire eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 996 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an’Atoa. RATSIMBAZAFY Mihariniaina, ho Directeur des Affaires Financières auprès minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1234 tamin’ny 10 novambra 2021 ary manendry an’Atoa. RASOLOFONIRINA Avotra Manitriniavo Marx, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy any Melaky
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. TANTARA Noelson Fernandel, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy any Analanjirofo

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 773 tamin’ny 17 aprily 2019 ary manendry an’Atoa. MANANJO Robert Helmo, ho Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana (DRAE) any Andro

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RANDRIATSIFERANA Simon Robison, ho Tale Jeneralin’ny Rano eo anivon’ny Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIRINA Felana, ho Directeur des Affaires Administratives et Financières eo anivon’ny Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1056 tamin’ny 06 oktobra 2021 ary manendry an’Atoa. RAZANAKOTOMALALA Berckisse, ho Directeur des Ressources Humaines eo anivon’ny Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RAVALOSON Andrianaritsifa, ho Directeur de la Planification et du Suivi-Evaluation, eo anivon’ny Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMANANTSOA Miora Lalaina Erica, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMAMPIANINA Miora Hantaniaina, ho Responsable de l’Unité d’Audit Interne, eo anivon’ny Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-458 tamin’ny 21 aprily 2021 ary manendry an’Atoa. PILAZA Tsakorien Jaona Adolphe, ho Coordonnateur Général des Programmes et Projets eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1099 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary manendry an’Atoa. ANDRIAMADIMANANA Sandy Miatrika, ho Directeur du Patrimoine et de la Logistique, eo anivon’ny anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-768 tamin’ny 28 jolay 2021 ary manendry an’Atoa. ABRAHAM Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade MIASA Manohizara Toussaint, ho Inspecteur Général Adjoint à l’Inspection Générale eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1146 tamin’ny 20 oktobra 2021 nanendry ny Chef de la Cellule de Communication (CELCOM) teo anivon’ny Minisitera lefitra nisahana ny Tanora

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2022- 144 tamin’ny 27 janoary 2022 ary nanendry ny Talen’ny fanadiovana sy ny fidiovana eo anivon’ny Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana

     

Natao androany faha 20 aprily 2022,

Ny Fitaleavan’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika