TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Talata 05 Aprily – Lapan’Iavoloha

Notanterahina tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fametrahana fomba fitantanana vaovao na « module de gestion » an’ireo Demandes d’Autorisations d’Engagement (DAE) sy ny famindràna ireo fanampiana na « transfert de subventions » mankany amin’ireo EPN ao anaty ny SIIGFP.

    Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny mangarahara amin’ny fampiasam-bola, ny hanamafisana ny fepetra fanaraha-maso ny fampiasam-bolam-panjakana, ny hanaovana maoderina ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny alalan’ireo fepetra mifandraika amin’ny « dématérialisation », ny hanafainganana ny fikarakarana ireo taratasim-panjakana.

    Nankatoavina ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny « Réunions de printemps » an’ny Fonds Monétaire International (FMI) sy ny vondron’ny Banky Iraisam-pirenena, ny 18 hatramin’ny 24 aprily 2022 any Washington.

    Anisan’ny ho resahina mandritra ny fihaonana ny mikasika ny fandrosoan’ny fiaraha-miasa. Ho tanterahina mandritra izany ihany koa ny fivorian’ny Filankevitr’ireo Goverinora, izay hiompana amin’ny politika ara-toekarena sy ara-pitantanam-bola.

    Anisan’ny handrafitra ny delegasiona malagasy, izay ho tarihin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ireo solontenan’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY sy FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavina ny fangatahana famatsiambola fanampiny hanaovana ny asa fanamboarana ny « Campus universitaire » an’Androy (Nouveaux projets émergents)

    Ao anatin’ny fanatanterahana ny teny nomena sy ireo tetikasan’ny Filoham-pirenena ity Minisitera ity dia maniry ny hanohy ny fanamafisana ireo fotodrafitrasan’ny Oniversite.

    Ireo tetikasa ireo dia tafiditra ao anatin’ny Politikan’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny VELIRANO ny Filoham-pirenena. Ho an’ity taona 2022 ity, ankoatran’ny faritra Alaotra mangoro, Sofia, Vatovavy dia hametrahana « Campus Universitaire » any amin’ny Faritra Androy (Ambovombe-Androy).

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKNIKA sy ny FANOFANANA ARAK’ASA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fampiasana ny PIP eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arak’asa ho an’ny taona 2022.

    Isan’ny andry lehibe, nataon’ny « Initiative émergence Madagascar » iankinan’ny fampandrosoana ny fampianarana sy ny fanofanana. Ny Velirano fahaefatra sy fahaenina dia mampisongadina ny maha-zavadehibe ny fanomezana lanja ny fanofanana arak’asa hanamorana ny fidiran’ireo tanora eo amin’ny sehatry ny asa.

    Arak’izany, ny NPE an’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy fanofanana arak’asa dia manana tanjona ny hanangana « Centres de formation professionnelle » sangany ary tsy misy fiangarana eraky ny faritry ny Nosy, ary ihany koa mampifandraiky ny fanofanana amin’ny filana misy, sy ny asan-tanana eo amin’ny sehatra maro ilain’ireo faritra izay samy manana ny mampiavaka azy.

    Ny ampahany amin’izany teti-bola izany dia ho ampiasaina amin’ny fampitaovana sy fampandehanana ireo ivom-pampiofanana miisa 05 zay efa voatsangana tamin’ny taona 2020 mba ahafahan’ny mponina amin’ireo faritra 05 ireo misitraka izany ao anty ny fotoana fohy.

     

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny didim-panjakana mikasika ny firafitra, ny fampandehanana, ary ny andraikitr’ireo rafitry ny Tetikasa fampivoarana ara-toekarena mba hisian’ny fitomboana mampiaty – « Organes du Projet de transformation économique pour une croissance inclusive »

    Ny tetikasa PIC 3 dia tetikasan’ny Governemanta Malagasy vatsian’ny « Association Internationale de Développement » na (IDA/Banque Mondiale) mba hanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana izay mifanaraka amin’ny Veliranon’ny Filoham-pirenena

    Ny fifanarahana ara-bola andiany fahatelo na PIC 3 izay mikasika ny « Fanavaozana ara-toekarena mba hisian’ny «Fivoarana ara-toekarena mampiaty » na « Croissance Inclusive » izay mitentina 104,5 millions de DTS, dia nosoniavina tamin’ny volana Jolay 2021.

    Ity tetikasa PIC3 ity dia mikendry ny fampitomboana ny famatsiambola tsy miankina sy ny fampivoarana ireo orinasa madinika sy salantsalany any amin’ireo faritra sasany eto Madagasikara. Koa ireto avy ireo faritra sivy voasafidin’ny Governementa amin’ny dingana voalohany : Diana, Atsimo Andrefana, Anosy, Atsimo Atsinanana, Fitovignany, Vatovavy, Atsinanana, Analanjirofo, ary Analamanga ho an’ny sehatra nomerika.

    Araka izany ity didi-panjakana ity dia mamaritra ny firafitra sy ny andraikitry ny « Comité National de Pilotage»n’ny PIC 3, ny fametrahana, ny firafitra ary ny andraikitra sy fampandehanana ny Komity Teknika ary ny fampandehanana, ny andraikitry ny « Unité d’exécution » ary mamaritra ireo fepetra hafa mameno izany

    MINISITERAN’NY ANGOVO sy ny AKORANAFO + MINISTERAN’NY FANAJARIANA ny TANY sy SAMPANDRAHARAHAN’NY FANANANTANY + SEKRETARIA-PANJAKANA miadidy ny TANANA VAOVAO sy ny TRANO FONENANA eo anivon’ny FIADIDIANA ny REPOBLIKA

    Nankatoavina ny didi-panjakana manambara ny fampiasan’ny daholobe na « declaration d’utilité publique » ireo asa fanamafisana ny fanamboarana ireo fitaova-pitaterana herinaratra ho 63KV ho an’Antananarivo avaratra mankany Antananarivo atsimondrano, sy Antananarivo avaradrano mankany Ambodivona, ary manambara ny fahazoana amin’ny alalan’ny firaharahana na « par voie amiable » na amin’ny alalan’ny « expropriation pour cause d’utilité publique » an’ireo ampahantany sy trano voakasiky ny asa.

    Mba ahafahana manatanteraka ny Velirano faha 2 « Angovo ho an’ny rehetra » sy ahafahana mamatsy herinaratra ny ankamaroan’ireo tokantrano malagasy (50%) dia ilaina ny fanamafisana sy fanamboarana ireo fitaovam-pitaterana ireo. Izany moa dia hanatanterahana ireo tanjona fampiakarana 1000 MWatts ny fahafahana mamokatra herinaratra amin’ny taona 2023 satria sady tsy ampy no antitra ireo fitaovana misy. Arak’izany dia hisy trano fonenana sy tany ho voakasik’ity tetikasa ity. Koa raha tsy vita amin’ny alalan’ny fifampiraharahana izany dia atao amin’ny alalan’ny « expropriation pour cause d’utilité publique ».

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA ny REPOBLIKA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1870 tamin’ny 25 septambra 2019 izay nanendry ny Talen’ny Kabinetra ny Fiadidiana ny Repoblika. Notendrena ho Talen’ny Kabinetra ny Repoblika, Ramatoa BAOMIAVOTSE Vahinala Raharinirina
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha2021-605 tamin’ny 02 jona 2021 izay nanendry ny Talen’ny Serasera ny Fiadidiana ny Repoblika. Notendrena ho Mpitondra Tenin’ny Filohan’ny Repoblika sady Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Ramatoa Lova Hasinirina RANOROMARO

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-967 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIMANANA Olinah Hanjarisoa ho « Directeur des Etudes et de l’Evaluation Environnementale »

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-923 tamin’ny 15 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa SASY Nireigna Suzuéline, ho « Directeur de la Communication »

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA SY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019- 2122 tamin’ny 20 novambra 2019 ary manendry an-dRamatoa TSABOTO Joslina Fridoline, ho Tale Jeneraly vonjimaika an’ny « Caisse Nationale de Prévoyance Sociale » (CNaPS).

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANTSARA Jean François Davidson, ho « Directeur Régional » any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVÀNA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-587 tamin’ny 27 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAHARISOLONIRINA Christian Joseph Alfred, ho « Directeur des Systèmes d’Information ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-591 tamin’ny 27 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa RASOANINDRINAHARINOSY Holy, ho « Directeur de la Régulation du Secteur Postal ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOMAHARO Andry Hajaina Rabenja, ho « Directeur de la Transformation Digitale »
  • IV- FANAFOANANA

    FIADIDIANA ny REPOBLIKA

    Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-605 izay nanendry ny Talen’ny Serasera ny Fiadidina ny Repoblika.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020- 1293 tamin’ny 07 oktobra 2020 izay nanendry ny « Directeur de la Police Economique »

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-971 tamin’ny 29 semptambra 2021 izay nanendry ny « Directeur de la Logistique et du Patrimoine » eo anivon’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-Tany.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020- 1447 tamin’ny 04 novambra 2020 izay nanendry ny « Directeur du Développement et de la Coordination du Partenariat » (DDCP).

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-785 tamin’ny 17 aprily 2019 izay nanendry ny « Directeur Général » an’ny « Maison de la Communication des Universités ».

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-217 tamin’ny 27 febroary 2019 izay nanendry ny « Directeur Général » an’ny « Institut National de l’Infrastructure » (ININFRA).

     

Natao ny 05 aprily 2022

Ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika