TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 13 OKTOBRA 2021

 

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA sy MINISTERAN’NY FITATERANA sy FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Taorian’ny fivorian’ny Filankevim-pitantana sy ny fangatahan’ny kaompania AIR MADAGASCAR dia nentin’ny Minisitera misahana ny Fitaterana, amin’ny maha mpiahy ara-teknika azy, teto anivon’ny Filankevitry ny Minisitra, ary nankatoavina ny hidirana amin’ny « procédure collective d’apurement de passif » an’ity orinasa lehibe ity satria efa manodidina ny 80 tapitrisa dolara ankehitriny ny « déficit opérationnel / perte cumulée », araka izany dia tena midangana sy avo dia avo tokoa ny trosan’ity orinasam-panjakana Malagasy lehibe ity.

    Araka ny lalàna mifehy ny orinasam-panjakana na « société à participation publique » dia ny Filankevitry ny Minisitra no manome alàlana ny hidirana amin’izany « procédure collective d’apurement de passif ».

    Nisy ny goragora sy ny kolikoly fa indrindra ny tsy fahaiza-mitantana tao amin’ny orinasa Air Madagascar. Tsy nisy « rigueur » teo amin’ny sehatry ny fitantanam-bola hatrizay ary tsy nisy fitsinjovana mihitsy ilay orinasa. Tsy nitsahatra niakatra ihany koa ny « charge fixe », anisan’izany ny habetsahan’ny isan’ny mpiasa izay mihoatra lavitra ny tena hilain’ny orinasa. Ny hofan’ny fiaramanidina izay nofain’ny Air Madagascar dia avo roa heny nohon’ny hofana fiaramanidina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nohamarinin’ny « Audit » nataon’ny Orinasa BearingPoint ireo lesoka rehetra ireo. Mbola hisy ny « inventaires » na fanamarinana lalina an’ireo trosa rehetra ataon’ny “Commissaire aux comptes ». Ankoatr’izay dia tsy maintsy hatsahatra ireo fifanarahana na « contrat » rehetra nambotry ny Air Madagascar.

    Kendrena manomboka izao ny hisian’ny « Excellence, régularité, fiabilité, ponctualité » eo amin’ny sehatry ny fitaterana anabakabaka ary hirosoana ny « digitalisation ». Fitantanana mahomby manomboka izao no hapetraka.

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY, MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY, MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA, NY MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO, MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    1- Nankatoavina ny fisokafan’ny habakabak’i Madagasikara amin’i Eoropa mankaty Antananarivo, miaraka amin’ny Air Madagascar sy Air France. Afaka miditra ihany koa arak’izany ireo « vols charters » avy any Milan/Rome Eoropa mankany Nosy-Be Hell-Ville. Mikasika ny sidina na « vol long-courrier » Europe dia hanomboka amin’ny 06 Novambra 2021 izany

    2- Nankatoavina ihany koa ny fisokafan’ny lanitr’i Gasikara amin’ny sidina eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana izany hoe : Maurice –Madagasikara (Air Mauritius) sy La Réunion- Madagasikara (Air Austral) ka vinavinaina amin’ny 23 Oktobra 2021 ho avy izao no hiatombohan’izany

    3- Ankoatry ny « évacuation sanitaire » dia mila “autorisation spéciale” izay ankatoavin’ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenena ny fidiran’ny « Jet privé » na ny « sidina tsy miankina manokana ».

    Mikasika ireo FEPETRA mifandraika amin’izao fisokafan’ny habakabaka izao dia ireto manaraka ireto izany :

    a- Handoavam-bola manomboka izao ny test PCR izay hatao manomboka izao amin’ireo olona rehetra miditra eto Madagasikara ka eo amin’ny 25euros eo ny vidian’izany ary ampidirina ao anatin’ny vidina tapakila na billet d’avion. Harotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    b- Mikasika ny fihibohana na ny « confinement » kosa indray dia aharitra iray andro na roa andro izany mandram-pivalin’ny Test PCR izay hatao. Koa raha « négatif » ilay mpandeha dia afaka mivoaka ny toerana nanaovany fihibohana. Raha toa kosa ka « positif » dia manao fihibohana 14 andro.

    c- Tsy maintsy ho ferana ny « fréquence » na ny isan’ireo sidina miditra eto Madagasikara fa tsy hitovy tamin’ny vanim-potoana talohan’ny Coronavirus satria noferan’ny OACI ho adiny dimy ny elanelan’ny sidina miditra amin’ny firenena iray.

    Hiroso amin’ny fanokafana ny lanitr’i Madagasikara ny fitondram-panjakana ankehitriny araka izany. Efa nahazo fankatoavana avy amin’ny OACI moa i Madagasikara amin’ny fisokafan’ny habakabany indray manomboka izao saingy hirosoana miandalana izany (ouverture progressive).

    Nisy hatrany ny fivorian’ny « comité interministériel » nandritry ny volana vitsivitsy mikasika ireo paikady sy fiomanana sy fanatanterahana ireo fepetra maro ahatomombanan’ny fisokafan’ny habakabak’i Madagasikara.

    d- Tokony hisy ny famoahana ny lisitr’ireo firenena mbola ao anatin’ny lisitra mena.

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY

    Nankatoavina ny fidiran’i Madagasikara ao amin’ny “Safe travel stamp” mba hisitrahany ny maha toeram-pizahantany azo antoka azy.

    Tsy maintsy napetraka ireo fepetra hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina covid-19 mba hahafahan’i Madagasikara ho voasokajy ho isan’ireo “toerampizahantany azo antoka”. Hatramin’ny faran’ny taona 2020 no niarahan’ny Miniisteran’ny Fizahantany sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka nametraka ireo arofenitra ara-pahasalamana, nanofana ny mpiasan’ny minisitera roa tonta sy ny “office du tourisme” ary ny avy amin’ny sehatra tsy miankina mba hahafahan’izy ireo manara-maso ny fampiharana ireo arofenitra napetraka ireo.

    Izany dingana rehetra izany no ahafahan’i Madagasikara hisitraka ny “Safe travel stamp” na “Fitombokase manamarina fa toeram-pizahantany azo antoka” lavitry ny valanaretina, rehefa nankatoavin’ny “World Travel and Tourism Council (WTTC). Araka izany, i Madagasikara dia ho voasokajy ho isan’ireo toeram-pizahantany azo antoka. Azon’i Madagasikara ampiasaina amin’ny serasera izay ataony ny kasen’ny “SAFE TRAVEL STAMP”, manomboka izao.

     

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY FIKAROHANA ARA-TSIANSA, MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY, MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny harena voajanahary sy ny fahasalamana (biodiversité et santé), hatao ny 19 ka hatramin’ny 21 novambra 2021 ao Mahajanga, Faritra Boeny, ary neken’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hanaovany « Parrainage » izany hetsika izany.

    Ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa, ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ary ny Fandaharan’asa PAGE II an’ny GIZ, dia miaraka mikarakara fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny harena voajanahary sy ny fahasalamana, izay mitondra ny teny filamatra hoe : “Isika, hifanome-tanana ho an’ny harena voajanahary sy ny fahasalamana” na "Agissons ensemble pour la Biodiversité et notre Santé”.

    Hotanterahana ao Mahajanga ny 19 sy 20 novambra 2021 izany fikaonan-doha iraisam-pirenena izany ary hisy fanentanana hotanterahina mialoha sy aoriana ka ny voalohany dia hatao ao amin’ny “Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza”, ny 12 novambra 2021. Ny farany kosa dia fanentanana ny mponina sy ireo manam-pahefana eny ifotony izay hatao ao amin’ny Parc National d’Ankarafantsika, ny 21 novambra 2021.

     Nofidiana ity faritra ity taorian’ny nisian’ilay dorotanety lehibe tany an-toerana. Ary any rahateo ihany koa no isan’ny toerana fiasan’ny Alemana na « Zone d’intervention des Allemands ».

    Antenaina fa fotoana iray izany hahafahan’ireo mpisehatra samihafa mifampizara sy mifanakalo ireo voka-pikarohana siantifika tsy azo ialàna sy tapaka hitantanana ny harena voajanahary sy ny fahasalamana ary mba ho tondrozotram-piaraha-miasa ho an’i Madagasikara sy ireo firenena miara-dalana aminy.

    Hisintomana ireo mpizahantany hitsidika ireo valan-javaboahary eto Antananarivo sy manerana ny faritra dia nentanina ny hijeren’ity minisitera ity izay fahafahana mampiditra biby avy any amin’ny firenen-kafa.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ireo « intrants de santé » sy fitaovana natokana ho an’ny hamehana any Atsimo avy amin’ny UNICEF.

    Hamaliana maika ireo filàna amin’ny hamehana any Atsimo, ny minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka dia nahazo fanampiana avy amin'ny UNICEF mba hanatanterahana ny fifanarahana amin’ny fikarakaràna tsara sy maimaim-poana ny ankizy sy ny vehivavy. Misy hetsika tanterahina eny anivon’ny ny tobim-pahasalamana sy amin'ny alàlan'ny « cliniques mobiles » any amin'ireo faritra ireo, araka ny « plan de riposte national ».

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY ny LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Nankatoavina ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny DTI amin’ny fampidiran’ny OMNIS ny fitaovana “Spectromètre gamma portatif”.

    Ao anatin'ny ny fiaraha-miasa eo amin'ny « Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques (OMNIS) » sy ny « Agence Internationale de l'Energie Atomique (IAEA) »- Fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fitrandrahana « uranium » ao amin'ny « bassin sédimentaire », ny AIEA dia nanolotra fitaovana « XRF » manavaka ny « uranium , ny sédiments géochimiques de cours d’eau, des minéraux lourds extraits au tamis, des échantillons de plage, de sol et de roche, des roches et minerais phosphatés, de l'acide phosphorique, des eaux naturelles (salines et non salines) avec une préparation appropriée », avy amin'ireo santionana singa biolojika, ara-tontolo iainana sy ara-jeolojika, izay tombanana ho 84.370 Euros ny vidiny.

    Raha ny nifanarahan’ny roa tonta dia ny Governemanta Malagasy no mandray antanana ireo sandan’ny DTI satria mijanona ho an'ny fanjakana ny fitaovana.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    Nankatoavina ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny haba sy ny hetra mifandraika amin’ny fanafarana ireo fampitaovana sy fitaovana ilaina amin’ny ady amin’ny andiam-balala.

    Ny fisian’ny andiam-balala eto Madagasikara ankehitriny dia mivoatra miharatsy ary ahiana hirongatra mihitsy aza satria manampy trotraka ny tsy fahampiana ara-tsakafo mahazo ny any amin’ny faritra Atsimo. Faritra manodidina ny 400.000 hektara no efa tandindomin-doza ankehitriny, ka ilaina ny mandrava farak’izay haingana ny mety ho fipoiran’ny andiam-balala indray mialoha ny fotoanan’ny orana 2021/2022, indrindra amin’izao vanim-potoana tsy mampirongatra azy izao mba hanaperana izany krizy amin’ny andiam-balala izany.

    Ho fifehezana tsara ny fisian’ny andiam-balala, ny fanakanana haingana ny fanatodizana na « stade larvaire » any amin'ny toerana saro-dalana sy ny fanentanana ary ny fametrahana mialoha ny fanampiana rehetra ilaina amin’izany, alohan'ny fanombohan'ny fotoanan'ny orana no zava-dehibe indrindra.

    Mandritra ity fotoanan’ny ady amin’ny andiam-balala 2021-2022 ity, dia ny 90% -n’ny velaran-tany voakasika no kasaina hanatanterahana izany, izany hoe 360.000 hektara ; hiroso amin'ny fividianana fitaovana sy fampitaovana noho izany ny FAO.

  • III- FANENDRENA

    MINISITERAN’NY ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANJAFININDRINA Jean Roger ho Governoran’ny Faritr’i BETSIBOKA.
    •  

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA TANY sy ny SAMPANDRAHARAHAN’NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-122 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAHAINGOSON Harifidy Haja, ho « Directeur de la Communication » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-133 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an-Dramatoa TSANTAVOLOLONA MASINIRINA Andrianantoandro, ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-135 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANIRINA Harifidy, ho « Directeur de l’Observatoire du Territoire » eo anivon’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOMANGA Fandio, ho « Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation » eo anivon’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.
    •  

    MINISITERAN’NY FITATERANA sy FAMANTARANA ny TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFIMBELO Alain Manajary, ho « Coordonnateur Général des Projets » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro.
    • Noraisiona ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1338 tamin’ny 15 oktobra 2020 ary manendry an-Dramatoa RAKOTOMALALA Dina Hariniry, ho « Directeur Général des Transports Maritime, Fluvial et Aérien » eo anivon’ny  Minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro.
    •  

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha°2019-0407 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa LOVAHASINA Vahatriniaina, ho « Directeur de la Santé Familiale » eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA sy ny FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARINOMENA Fanja Miharisoa, ho « Secrétaire Général du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-093 tamin’ny 27 janoary 2021 ary manendry an’Andriamatoa LEZOMA Tsiry Andriamahatola, ho « Directeur Général de l’Elevage » (DGE) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-418 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RATSIMBASON Miora Z., ho « Directeur de la Cellule Communication » (CelCom) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMBOLARIMANANA Herintahina, ho « Directeur de l’Unité de Gestion des Systèmes d’Informations et de la Digitalisation » (USID) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-096 tamin’ny 27 janoary 2021 ary manendry an’Andriamatoa RADAVIDSON Hervé Patrick, ho « Directeur Administratif et Financier » (DAF) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-414 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa RABEONY Voara Ambinintsoa, ho « Directeur des Affaires Juridiques et Contentieuses » (DAJC) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-771 tamin’ny 17 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANAIVOMANANA Andritiana Luc, ho « Directeur de la Planification et du Suivi Evaluation » (DPSE) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1788 tamin’ny 18 septambra 2019 ary manendry an-dRamatoa RASAMOELINA Mirado, ho « Directeur de l’Unité de l’Audit Interne et de la Lutte contre la Corruption » (UAILC) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-967 tamin’ny 03 mey 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMPAMOA Hanitra Nirinalinoro Lucile, ho « Directeur d’Appui à la Production Animale » (DAPA) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    •  

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKNIKA sy ny FAMPIHOFANANA ARAKASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1367 tamin’ny 21 Oktobra 2020 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANAIVO Misa Ravo Fiononana, ho « Directeur du Patrimoine et de la Logistique du Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle ».
    •  

    MINISITERAN’NY TANORA sy ny FANATANJAHAN-TENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-445 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa ROBENA Gabriel, ho « Directeur Administratif et Financier (DAF) » eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
    •  
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY ANGOVO sy ny AKORANAFO

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2261 tamin’ny 18 desambra nanendry ny Tale jeneralin’ny Orinasa JIRAMA, eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Ary notendrana misahana ny andraikitry ny Tale jeneraly vonjy maika Andriamatoa RADANIELINA Rivo

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA sy ny FIOMPIANA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-297 tamin’ny 04 martsa 2020 izay nanendry ny « Coordonnateur de la Cellule de Coordination et d’Appui aux projets et Activités Régionales » (CPAR) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

                                 

Natao androany faha alarobia 13 oktobra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika