TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 08 SEPTAMBRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY :

    Nankatoavina ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny herinandron’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ara-potoana, andiany faha-76 ny faha-14 hatramin’ny 28 Septambra 2021, ao New York.

    Ny lohahevitra amin'io Fivoriambe io dia ny hoe : " Construire la résilience par l'espoir, pour se remettre du Covid-19, reconstruire durablement, répondre aux besoins de la planète, respecter les droits des personnes et revitaliser les Nations Unies ». Amin’io fotoana io ny Filohan’ny delagasionina Malagasy dia handray fitenenana any an-toerana mandritra ireo adi-hevitra izay hanomboka ny 21 Septambra ary hifarana ny 27 Septambra 2021 ho avy izao. Fotoana izay hahafahany hampita ny fomba fijerin'ny Governemanta Malagasy mikasika ireo lohahevitra ireo.

    Araka ny mahazatra, ho hita mandritra ity Fivoriana ity ihany koa ireo hetsika mifanindran-dalana amin’izany, izay hotontosaina kosa amin’ny fomba ampitain-davitra na « virtuel » nohon’ny toe-draharaha ara-pahasalamana.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny Fangatahana “exoneration des taxes” TVA sy DTI amin’ny famokarana sy fividianana ireo “produits nutritionnels spécialisés” ao anatin’ny fisorohana sy fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo izay nangatahin’ny PAM na Programme Alimentaire Mondiale.

    Ny PAM na “Programme Alimentaire Mondiale” miasa eto Madagasikara dia nangataka ny tsy handoavana haba sy ny hetra (TVA, DTI) mahakasika ny famokarana sy ny fividianana fanampin-tsakafo manokana ho an’ny ankizy sy ny vehivavy mitondra vohoka na mampinono izay sokajiana ho marefo na iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo izay miisa 520.000 farafahakeliny. Izany fanampin-tsakafo izany dia mitondra otrik’aina sy singa maro mahavelona.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny fanomezana famatsiam-bola hividianana sakafo ho an'ireo « cantines scolaires » eo anivon’ ny « Farimbon'Ezaka ho Fahombiazan'ny Fanabeazana eny lfotony » na FEFFI eny an-tsekoly.

    Ho fiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fialan’ny ankizy any an-tsekoly dia nisy ny fametrahana « cantines scolaires » nanomboka ny taona 2015. Nisy noho izany ny fividianana sakafo natokana ho an’ireo « cantines scolaires » eny anivon’ny sekoly. Taona vitsivitsy taty aoriana anefa dia tsapa fa nisy lesoka izany, na teo amin’ny fanomezana tsenam-barom-panjakana hividianana izany sakafo izany, izay matetika tsy nisy akory na “marchés fictifs”, na teo amin'ny fitantanana ireo « cantines scolaires » ihany koa, izay nahitana fanodikodinam-bola.

    Ho fanatsarana ny fitantanana ireo « cantines scolaires » ireo no mahatonga ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena hamindra ny famatsiam-bola natao hividianana izany sakafo izany amin'ny Fikambanana « Farimbon'Ezaka ho Fahombiazan'ny Fanabeazana eny Ifotony » na FEFFI eny anivon’ny sekoly, ho fampidirana azy ireo ao anatin'ny fandaniana azo ekena eny amin’ireo « caisses-écoles ».

    Ho an'ity taom-pianarana 2021-2022 ity dia sekoly miisa 2183 manerana ny Nosy no hisitraka izany raha toa ka 204 monja teo aloha.

    Ireo talen'ny sekoly, miaraka amin'ireo solon-tena roa mpikambana ao amin'ny FEFFI no hiandraikitra ny famoahana ny vola eo anivon’ireo « Trésoreries Générales” na “Perceptions Principales », ary izay fampiasam-bola mifandraika amin’ny « cantines scolaires » dia hatao mifanaraka amin'ny « manuel de procédure » manokana ho an’izany. Mba hisian’ny mangarahara bebe kokoa eo amin’ny fitantanana ireo «cantines scolaires » dia havoaka eny amin'ireo « Directions Régionales de l'Education Nationale » (DREN) sy ireo « Circonscriptions Scolaires » (CISCO) ny lisitr'ireo solon-tena telo (03) isaky ny sekoly. Mpianatra 525 524 no hisitraka izany « cantines scolaires » izany. Ny faritra Androy sy Anosy no atao laharam-pahamehana amin’ny famatsiana sakafo ny mpianatra, mba hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo.

    Fanampin'izany, ny « Unité de Contrôle et d'Audit » ary koa ny « Direction de l’Encadrement Scolaire et de l’inspection Pédagogique » eo anivon’ny Minisiteran'ny Fanabezam-pirenena no hiandraikitra ny fanaraha-maso maharitra mba hiantohana ny fampiasana ny vola amin'ny tokony ho izy.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fangatahana ny “exoneration des droits et taxes à l’importation” amin’ny fanafarana fiara fitondrana marary na “ambulance” ho an’ny Minisiteran’ny fahasalam-bahoaka

    Nanomboka ny taona 2007, ny AFD na Agence Française de Développement dia nanohy ny fanampiana ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny tetikasa « Réseau SEGA one health » eo anivon’ny « UVS-COI » na « Unité de veille sanitaire de la Commission de l’Océan Indien ».

    Araka izany, ary mbola tafiditra ao anatin’ny ady atao amin’ny valanaretina Covid-19, ny tetikasa dia nanome fiara fitaterana marary harifomba (ambulance) ho an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Ho maimaimpoana ny fampiasan’ny vahoaka io fiara fitaterana marary io.

    Nankatoavina ny fandraisan’anjaran’ny fanjakana amin’ny latabatra boribory iresahana momba ny “Engagement de haut niveau pour la planification familiale à Madagascar”

    Ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana eo amin’ny lafiny fahasalamambahoaka dia manao ho laharam-pahamehana ny fahasalaman’ny vehivavy mba hisian’ny firindràna eo anivon’ny tokantrano Malagasy.

    Madagasikara dia nanaiky ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy ary niroso tamin’ny fiaraha-miasa FP 2020 mba hahafahana miantoka ny fahafahan’ny vehivavy misitraka ny fanabeazana aizana. Izany ezaka izany dia mitaky fanavaozana ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana izay mifototra amin’ny fanajàna ireo zo mifandraika amin’ny fandrindram-piterahana ka hahafahana manatanteraka ny drafitra fampandrosoana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.

    Mandritra ny andro iraisam-pirenena momba ny fanabeazan’aizana izay hankalazaina ny 26 septambra ho avy izao dia hisy ny fihaonana an-databatra boribory izay karakarain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka iarahana amin’ny Komity Nasionaly momba ny Fandrindram-piterahana. Izany fihaonana izany dia ahafahana mahazo ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana amin’ny fampitomboana ny hoenti-manana izay natokana ho amin’ny famatsiam-bola ny programa mikasika ny fandrindram-piterahana sy hampiharana ny lalàna 2017-043 tamin’ny 5 janoary 2018 izay mifandraika amin’izany isan’ambaratongany.

    Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia miantso ny fandraisana anjara an’ireo andrim-panjakana rehetra mandritra io fihaonana an-databatra boribory io, izay miompana amin’ny lohahevitra hoe « L’engagement de haut niveau pour la Planification Familiale à Madagascar ».

    MINISITERAN’NY RANO sy ny FANADIOVANA ary ny FIDIOVANA

    Nankatoavina ny fangatahana ny “prise en charge à titre exceptionnel des droits et taxes à l’importation (DTI)” an’ireo fitaovana mikasika ny rano sy ny fidiovana

    Ho fanohanany ny fanatrarana ireo « Objectifs du Développement durable 6 » na (ODD), ny UNICEF amin'ny alalan'ny « Fonds des Nations Unies pour l'Enfance » sy ny tetikasa RANOWASH dia nanafatra ireo fitaovana mifandraika amin'ny fampandrosoana ny sehatry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ho an’ny Minisitera misahana izany sehatra izany dia ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY SERASERA sy ny KOLONTSAINA 

    Nankatoavina ny didim-panjakana mahakasika ny fananganana, ny fandaminana sy ny fomba fiasan’ny Akademia Nasionaly momba ny Kanto sy ny Kolontsaina na « Académie Nationale des Arts et de la Culture » na ANAC

    Ny taona 1930, ny Fitantanan-draharahan'ny Fanjanahan-tany na ny « Administration coloniale » dia nanorina ny sekoly voalohany ho an'ny zavakanto teto amin'ny firenena na « Ecole des arts appliqués ». Taona vitsy taorian’ny nanorenana azy dia nitsahatra tsy niasa intsony io sekoly io izay naorina tao amin'ny Lapan’i Praiminisitra Rainilaiarivony, Andafiavaratra. Nanomboka teo dia tsy nanana sekoly nasionaly natokana ho an'ny haitao sy ny kolontsaina intsony i Madagasikara.

    Tsapan’ny Filohan’ny Repoblika anefa ny maha-zava-dehibe ny sehatra ara-java-kanto sy ara-kolontsaina eo amin’ny fampandrosoana ny Firenena ka nahatonga azy namaritra tao anatin’ny politika ankabopen’ny fanjakana ny hametrahana « école des beaux-arts et des arts appliqués » Ity sekoly ity araka izany dia hiasa ho fanondrotana indray ny harena sy ny fahasamihafan’ny kolontsaina izay mampiavaka ny malagasy. Ao amin'ny faritry ny Lapampanjakana ao Ambohitsorohitra rahateo no miorina izany sekoly natokana ho an’ny zava-kanto sy ny kolontsaina izany.

    Amin’ny maha-lehibe ny sehatra sahanin’ity sekoly ity dia natao ho akademia izy ka nomena anarana hoe « Akademia Nasionalin'ny Zava-kanto sy ny Kolontsaina» na « Académie Nationale des Arts et de la Culture » na ANAC. Tanjona ihany koa ny hanaovana ho matihanina ireo mpiasa rehetra eo amin’io sehatra io. 

  • III- FANENDRENA

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-667 tamin’ny 08 jona 2016 ary manendry an’Andriamatoa ANDRINIAINA Lydien Sihanaka, ho « Directeur des Affaires Financières » eo anivon’ny Minisiteran’ny Ati-tany sy Fitsinjaram-pahefana.

    MINISITERAN’ NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMANAMPANOHARANA Andry Velomiadana Bearison ho « Secrétaire général » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola 
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa Johasy RANDRIANARISOA Haritiana ho « Directeur de la communication » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola
    •  
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAJAOFETRA Andry Nirina ho « Directeur général du Trésor » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola
    •  

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA ny TANY sy ny FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-116 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an-dRamatoa RAKOTO Bebiarivola Marie-Louise ho « Secrétaire générale » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-118 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’Atoa RATOLORANTSOA Petera ho « Directeur général des services fonciers » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-117 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’ Andriamatoa RANDRIANASOLOARIMINA Tiana, ho « Directeur Général de l’Aménagement du Territoire et de l’Equipement » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-123 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa TSARANIRINA Marc Aurèle, ho « Directeur Administratif et Financier » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-124 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAMANANTSOA Antsivalahiniriko Eralison Pierrot, ho « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany
    •  

    SEKRETARIAM-PANJAKANA miadidy ny ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-327 tamin’ny 11 aprily 2018 ary manendry ny Général de Brigade ITIBAR OTTMAN, ho « Deuxième Adjoint au Commandant de la Gendarmerie »
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-328 tamin’ny 11 aprily 2018 ary manendry ny Général de Brigade RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert, ho « Chef d’Etat-major du Commandant de la Gendarmerie nationale »
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-326 tamin’ny 11 aprily 2018 ary manendry ny Général de brigade RERIBAKE Jeannot, ho « Premier Adjoint au Commandant de la Gendarmerie ».
    •  

                                 

Natao androany faha alarobia 8 septambra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika