FILANKEVITRY NY MINISITRA

  • FAMPAHAFANTARANA :

    « FAMPIANARANA : ALEFA « MOBILE BANKING » NY KARAMAN’NY MPAMPIANATRA SY MPANABE AN-TANY LAVITRA AMIN’ITY TAONA ITY »

    Ireto no dingana tsy maintsy tanterahan’ny fitondrampanjakana amin’ity taona voalohany 2019 ary hampitomboina sy hamafisina isan-taona ireo ary hatsaraina araka ny filàna takiantsika ho amin’ny fanatsarana sy fanomezana fianarana sy fanabeazana mendrika ny zaza sy tanora Malagasy, hoy ny toromarika nomen’ny Filohampirenena nandritra ny filankevitry ny minisitra androany:

    Hamboarina sy harenina ny lakilasy miisa 2000 hoan’ny sekoly fanabeazana fototra sy ny ambaratonga faharoa manerana ny faritra 22, homena dabilio miisa 7500 ireo sekoly, tanterahana ireo fanadinam-panjakana rehetra araka izay voafaritra anatin’ny tetiandro napetraky ny governemanta

    Hamaivanina ny vesatry ny fandanian’ireo ray amandreny amin’ny fampianarana ny zanany ka apetraka ny atao hoe « Caisse des écoles » ho an’ny toeram-pianarana miisa 20.000, zaraina ireo kits scolaires miisa 1 tapitrisa manerana ny Nosy, hapetraka ny toeram-pisakafoanana hanomezana sakafo maimaim-poana ireo zaza miisa hatramin’ny 30.000 izay tena sahirana ara-tsakafo.

    Hamafisina ny fanofanana ireo mpampianatra sy mpanabe indrindra ireo mpampianatra FRAM izay tsy maintsy mahazo fanofanana feno vao tokony hampianatra, hapetraka ny fanofanana mitohy sy amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ireo mpampianatra sy mpanabe rehetra manerana ny Nosy, hovatsiana fitaovana mendrika ny sekoly sy hoentiny mampianatra ireo mpanabe miisa 30 000, handray mpampianatra sy mpanabe tena matihanina sy tsara hofana isika eo amin’ny ambaratongam-pampianarana rehetra miainga any amin’ny garabola, ny fanabeazana fototra, ny ambaratonga voalohany, ny ambaratonga faharoa ary ny eny amin’ny ambaratonga ambony araka ny tetibola izay tokony atokan’ny ministera isantokony voakasik’izany ary atao anatin’ny mangarahara tanteraka.

    Harafitra ireo fepetra sy volavolan-dalàna isankarazany isika hifehezana ny fampiasana sy fampidirina ny teknolojia vaovao ao anatin’ny sehatry ny fampianarana.

    Hamboarina ny fomba fandoavana ny karaman’ireo mpampianatra sy ny fampitomboana izany araka izay tratra sy mifanaraka amin’ny tetibola ary indrindra ny fandoavana ny karaman’ireo mpampianatra sy mpanabe araka ny tokony ho izy sy haingana amin’ny alalan’ny Mobile Banking.

    Hapetraka mazava tsara ny antontan’isa momba ny foto-drafitrasa, ny mpampianatra sy mpanabe isak’ireny toeram-pianarana ireny ary ny kaominina, ny faritra ary ny faritany misy azy ireo avy sy ny tena isany marina sy miasa.

    « Hotanterahana tsy hoela ny andiany faha 15 amin’ny fihaonan’ny governemanta sy ireo mpiara-miombonantoka »

    Nampahafantarin’Atoa Praiminisitra androany nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny mahakasika ny lahadinika hoentina mandritra ny fivoriambe andiany faha 15 eo amin’ny Governemanta sy ireo mpiara-miombonan’antoka amintsika miasa sy mampiasa ny volany eto amintsika, izany dia tafitra ao amin’ny antsoina hoe : Vondrona ifampiresahana hoentina amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

    « Hankalazaina afaka andro vitsivitsy ny andro natokana hoan’ny zandary » :

    Maro ny asa sy adidy aman’andraikitra sahanin’ny zandarimaiam-pirenena na eo amin’ny fitandroana ny olona sy ny fananany, na eo amin’ny asa fanabeazana, na eo amin’ny ady amin’ny asan-dahalo, na ihany koa eo amin’ny seham-piarahamonina ankapobeny. Ho marik’izany dia hisy ny fankalazana manokana ny andron’ny zandary izay hotanterahana afaka andro vitsivitsy manerana an’i Madagasikara.

  • FANENDRENA:

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto : Araky ny tolokevitry ny Filohampirenena,
    • Ramatoa RAMANAMPISOA Anja, voatendry ho Tale misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.
    • Andriamatoa RAKOTONOMENJANAHARY Andriamanampisoa Désiré, voatendry ho Tale Jeneralin’ny Inspection Générale de l’Etat.
    Araky ny tolokevitry ny Praiminisitra :
    • Colonel ZAFISAMBO RUPHIN Fortunat Dimbisoa, voatendry ho Sekretera Jeneraly Lefitra ao amin’ny fiaididiana ny Governemanta.
    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fiarovampirenena :
    • Général de Brigade Aérienne RASOLONIRINA Roger Jean Baptiste, voatendry ny Tale misahana ny « Service National et de la Gestion des Réserves »
    • Médecin Général de Brigade MANANTSOA Yves,voatendry ho Tale Foibe misahana ny « Services de Santé Militaire »
    • Colonel RAMANANKAVANA Jean Henri José, voatendry ho Kaomandin’ny Académie Militaire Antsirabe.
    Araky ny tolokevitry Minisitry ny raharaham-bahiny :
    • Ramatoa RAHAJARIZAFY Lanto, voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny « Coordination du Partenariat pour le Développement ».
    • Ramatoa N’DIAYE Alice, voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny raharaha politika
    • Ramatoa RODELYS Elza Razafimanantsoa, voatendry ho Tale misahana ny « Affaires Juridiques Consulaires et du Contentieux ».
    • Andriamatoa ANDRIAMIALIHARISON Nary Lys, vaotendry ho Tale miandraikitra ny arifenitra.
    • Capitaine de Corvette TOVONE Samoela Gizavo Ayamar, voatendry ho Tale misahana ny lamina amin’ny fampitam-baovao
    Araky ny tolokevitry ny Ministry ny Fitantanambola sy ny toe-karena :
    • Atoa ANDRIAMANANTSILAVO Zinaha Mampionona Solon’ny Aina, voatendry ho Tale misahana ny « Opérations Financières »
    • Ramatoa RAJEMISA Haingotiana Liliane, vaotendry ho Tale Misahana ny Dette Publique.
    • Ramatoa RAKOTONDRABE Nivontsoa Zoliarinoro, voatendry ho Tale misahana ny tetibola.
    • Atoa RAKOTOMANANA Eric Michel, voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny « centre de Recherches et d’Etudes en Analyse Macroéconomique »
    • Atoa RABEARINOSY Gilles, voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny « Contrôle Financier »
    • Atoa RATOVOHARINONY Tsirofy Mihamina, voatendry ho Tale misahana ny Etudes
    • Ramatoa RAZANADRAKOTO née ANDRIANARIVO Lalaina Irma, vaotendry ho Tale misahana ireo « Grandes Entreprises »
    • Ramatoa HERY Manantenasoa Micheline, voatendry ho Tale misahana ny « Comptabilité Publique »
    • Atoa ZAFIMAHERY Abel, vaotendry ho tale misahana ny « Brigade d’Investigation Financière et de l’Audit »
    • Atoa MAMY NOMENJO Christian, voatendry ho Tale misahana ny « Solde et des Pensions »
    • Atoa RAKOTONDRAINIBE Mihamintsoa Hasina, voatendry ho Tale Teknika
    • Ramatoa RABARISON Hantamalala Léa Josée, voatendry ho Tale misahana ny « Coordination et du Suivi des Réformes »
    • Atoa RANDRIAMBOLANIRINA Guy Patrick, voatendry ho Tale misahana ny « Patrimoine de l’Etat »
    • Atoa RANDRIAMAHALEO Ratsimo Rivo Dimitri, voatendry ho Tale misahana ny « Promotion du Partenariat Public-Privé »
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana :
    • Atoa M. RANDRIANTSOA Félicien voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’i Vohipeno.
    • Atoa RANDRIANASOLO Solofo Joëllin voatendry ho Lehiben’ny distrikan’i Lalangina.
    • Colonel ELACK Olivier Andriakaja, voatendry ho « Secrétaire Exécutif » ny « BNGRC »
    • Atoa RAZAFINDRAKOTO Rado Harinjaka, voatendry ho Mpandrindra Nasionalin’ny « Unité de Coordination générale des Projets et des Partenariats »
    • Ramatoa RASITEFANOELINA Haingotiana, vaotendry ho Tale misahana ny « Appui aux Systèmes d’état civil ».
    • Atoa RAKOTONIERA Toky Nirina Ambinintsoa, voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’Antanananarivo faha 5.
    • Atoa HERITIANA Charles Olivier, voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’Antalaha
    • Ramatoa ZARANIVO Ernestine, voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’Anosibe An’ala.
    • Atoa RAMANANKIRAHINA Falihery, voatendry ho Préfet an’i Maevatanana.
    • Atoa RAKOTOMALALA Richard, voatendry ho Préfet an’Ambositra.
    • Atoa NAJARHOUSSEN Michel, voatendry ho lehib’ny distrikan’i Port-Bergé.
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy :
    • Atoa RAZAFINDRALAMBO Manantsoa, voatendry ho Tale misahana ny « Appui aux Urgences »
    • Atoa SAMBISOLO Emile Joseph, voatendry ho Tale misahana ny Foto-drafitrasa
    • Atoa RAZEFASON Ando Malala, voatendry ho Tale misahana ny fikojakojana ny làlana.
    • Atoa RAZAFINDRAKOTO Andrinirina, voatendry ho Tale misahana ny lamina fampitam-baovao
    • Ramatoa RAZAFIMBOLOLONA RALINORO, voatendry ho Tale misahana ny « Etudes et Normes »
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana arateknika sy fanofanana ara-kasa :
    • Ramatoa RAZAFIARIVONY Linà Iarisoa, voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana ara-kasa
    • Atoa ZENIA, voatendry ho Mpandridnra ankapobeny ny Fandaharanasa sy ny Tetikasa
    • Ramatoa RAZAIARIMANANA Voahangy Rivesty Aimée, voatendry ho Tale misahana ny « Encadrement sy ny Inspection Pédagogique de l’Education Fondamentale »
    • Atoa RAKOTONIAINA Roger, voatendry ho Tale misahana ny « Encadrement et de L’Inspection Pédagogique de l’Enseignement Secondaire »
    • Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Elisah, voatendry ho Tale misahana ny « Etudes et des Recherches Pédagogiques »
    • Atoa RANDRIANARIVO Hasiniaina Richard, voatendry ho Tale misahana ny fampianarana ambaratonga faharoa.
    • Atoa RASAMISON Jullino Serge, voatendry ho Tale misahana ny « Planification de l’Education »
    • Atoa JAOROBY Elie Willfried, voatendry ho Tale misahana ny fanofanana ny daholobe.
    • Atoa RAMAROLAHY Albert, voatendry ho Tale misahana ny « INFP »
    • Atoa RAKOTOMALALA Andrianjaka Miadana, voatendry ho tale misahana ny Fanadinana
    • Atoa AUGUSTIN Laihova, voatendry ho Tale misahana ny Fampianarana arateknika sy ny fanofanana arakasa « Qualifiant et aux métiers de Base »
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Fambolena, ny fiompiana ary ny Jono
    • Atoa RABEMIAFARA Lahatra Hery Zo, voatendry ho Tale misahana ny « Protection des Végétaux »
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Fitaterana, ny fizahantany ary ny famatarana ny toetr’andro
    • Atoa RAMONJAVELO Manambahoaka Valery Fitzgerald, voatendry ho lehiben’ny Filankevim-pitondran’ny SPAT.
    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny asa, ny fampananasa, ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy
    • Atoa MAHADINY Girard Bernardin,voatendry ho Tale Jeneralin’ny Asampanjakana.
    • Atoa RABENARIVO Lanto Lauréat, voatendry ho Tale Jeneralin’ny INFA.
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana
    • Atoa RAHARIJAONA Fabrice M., voatendry ho Sekretera Jeneraly
    • Atoa RAMINDO Gaëtan, voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny Industrialisation.
    • Atoa KAJALY Dunest Audace Rabin, voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny asa-tanana
    • Atoa RAHERISON Andoniaina Hajanirina, voatendry ho Tale misahana ny fitantanana sy ny ara-bola.
    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Paositra sy ny fifandraisandavitra ary ny fampivoarana ny kajy mirindra :
    • Atoa RAHARISOLONIRINA Joseph Alfred Christian, voatendry ho Tale misahana ny lamina fampitam-baovao.
    • Atoa ANDRIATONGARIVO Nasolo Tojonirina, voatendry ho Tale misahana ny « Affaires Juridiques ».
    • Atoa RAVONISON Jean Willy, voaterndy ho Tale misahana ny « Logistique sy ny Patrimoine »
    • Atoa ANDRIANASOLOHARIJAONA Jocelyn, voatendry ho Tale misahana ny mpiasa
    • Ramatoa RASOANINDRINAHARINSY Holy, voatendry ho Tale misahana ny Régulation du Secteur Postal
    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina
    • Atoa M. RAJERISOA RASATA Mandimby Andriamanetsiarivo, voatendry ho Tale misahana ny « centre d’Etudes et de Formation Multi-média »
  • FANAFOHANANA:

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireo didimpanjakana :

    Araka ny minisitry ny raharaham-bahiny :
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Sekretera Jeneraly, ireo Tale Jeneraly isantokony ary ireo Tale Foibe isantokony dia nofoanana avokoa.