TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 02 JONA 2021

NOTANTERAHINA TAO  AMIN’NY  LAPAM-PANJAKANA  IAVOLOHA  NY FILANKEVITRY  NY  MINISITRA  ANDROANY  IZAY NOTARIHIN’NY  FILOHAM- PIRENENA ANDRY NIRINA RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    TATITRY  NY  FANDRAISANA  ANJARA  TAMIN’NY  FIVORIAN’NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDIANY FAHA 35 TEO ANIVON’NY « COI » TAMIN’NY 20 MAY 2021.

    Notontosaina tamin’ny 20 May 2021 ny Filankevitry ny Minisitra teo anivon’ny COI izay  nahafahana  nanara-maso  ny  fampiharana  ny  fanapahan-kevitra noraisin'ny tompon'andraikitra teo aloha, nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo firenena  5  mpikambana  ao  amin'ny  Vaomiera : ny  Sekretera  jeneraly,  ireo mpanara-maso ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola

    Ireto avy ireo fanapahan-kevitra lehibe notapahina tamin’izany :

    1-Ny  mikasika  ny  fiarovana  an-dranomasina :  manasongadina  ny fiantraikany tsara amin'ny hetsika fanoherana ny tsy fandriampahalemana an- dranomasina. Amin'ny  maha  firenena  tompon'andraikitry ny « Regional Maritime  Information  Fusion  Center » azy,  dia  asaina  hanendry  ny  Tale jeneralin'ny ivon-toerana i Madagasikara.

    2- Ny fandraisana ny drafitra « Economie bleue »ho an'ireo faritra COI ka miompana amin’ny paikady mikasika ny « Enonomie circulaire », ny fahaiza- mitantana ary ny fiarovana ny tontolo iainana maharitra sy ny ara-tsosialy.

    3-Mikasika     ny      laharam-pahamehan'ny     fitantanana      frantsay mandritran’ny herintaona eo anivon’ny COI: Fanamafisana  orina  ny  rafitry  ny COI,  fiaraha-miasa  amin'ny  lafiny  maro, indrindra fandriampahalemana ary fanaovana ny  Frankôfônia ho fototry ny fiaraha-miasa amin'ny COI.

    TETIKASA FANOHANANA NY SEHATRY NY INDOSTRIA SY NY SEHATRA ARA-BOLA  MIARAKA AMIN’NY BAD (Projet d’Appui à l’Industrialisation et au Secteur Financier)

    Nankatoavina ny firosoana amin’ny tetikasa fanohanana ny sehatry ny indostria sy ny sehatra ara-bola izay :

    - Manome sehatra ny fampiasam-bola ho an'ny toekarena mirindra sy maharitra tanterahin'ny sehatra tsy miankina;

    - Manamora ny famoronana tahirim-bola maharitra ho an'ny fiaraha- miombon'antoka miankina sy tsy miankina (PPP);

    - Manamora ny fananganana   ny « Fonds National de développement Industriel » (FNDI) hanomezana fanampiana ara-bola ny PME

    MADAGASIKARA SY NY  VONDRONA ERAOPEANINA HIFAMPIDINIKA NY 27 SY 28 VOLANA MAY 2021 MIKASIKA NY FIFANARAHANA MOMBA NY FANJONONA « ACCORD DE PECHE »

    Hotanterahina ny fifampidinihina momba ny fanjonona eo amin’ny Fanjakana  Malagasy  izay  soloin-tenan’ny  Ministeran’ny  Raharaham- bahiny, Ministeran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono ary ny APMF amin’ny Vondrona Eraopeanina mba :

    -  hametrahana ny fiandrianam-pirenena amin’ny fari-dranomasina Malagasy azo anjonona ;

    -  hampiroboroboana ny lalam-piharian’ny jono ;

    - hanitsiana ny haba tokony haloan’ireo sambo eraopeanina araka ny tahan’ ny haba vaovao nofaritana  tamin’ny  Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 2 may 2021 ;

    -  hamerana ny isan’ireo sambo afaka miasa amin’ny fari-dranomasina Malagasy ;

    TETIKASA NOHATSARAINA AO AMIN’NY MINISTERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY ASA VAVENTY.

    Nankatoavina ireo tetik’asa  tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa vaovao voafaritra  ao  anatin’ny  tetibola  2021,  izay  tanterahan’ny  Ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy amin’ity taona ity.

    FANOMEZAN-DALANA HANANGANANA NY "HOPITALY MANARA-PENITRA" VAOVAO AO IHOSY

    Ny fananganana  « hopitaly manara-penitra » dia voalahatra ao anatin’ny tetikasa vaovao momban’ny fivoaran'ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany  fanorenana izany ny trano sy ireo fitaovana teknika

    FAMPIHARANA  NY  TETIKASA  « TITRE  VERT »     AO  AGNARAFALY  - DISTRIKAN'AMBOASARY

    Mba hanatsarana ny fari-piainan'ny ankohonana 1600 tokantrano tratry ny KERE dia nanapa-kevitra ny Filohan'ny Repoblika fa hanokana velaran-tany 200ha  any Agnarafaly  ao  amin'ny  Distrikan'Amboasary hanaovana  asa fambolena. Io tetik’asa io dia tohanan'ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana ary  ny  Jono  amin'ny  alàlan'ny    laminasa mitarika  fidiram-bola ho an’ireo tokantrano voakasik’izany.

    Ireto ny dingana arahina amin’izany :

    -        Ny andiany voalohany dia ny fanajariana ny tany ahafahana mametraka tokantrano miisa 80 eo amin’ny velaran-tany mirefy 12 ha

    -        Ny andiany faharoa dia fanitarana ny asa ahafahana manampy tokantrano mihoatran’ny 1600 eo amin’ny velaran-tany mirefy 200 ha

    FAHAZOAN-DALANA  AVY  AMIN’NY  MINISITRY NY  FAMBOLENA, FIOMPIANA ARY  NY  JONO  MIKASIKA  NY  FANAFARANA  SY  NY FITSINJARANA AMBONGADINY NY FANAFODY SY NY VOKATRA BIOLOJIKA FAMPIASA AMIN’NY BIBY FIOMPY

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Ministra  ny  fanomezan-dalana  ho  an’ny fanafarana sy ny fitsinjarana ambongadiny ny vokatra ara-pitsaboana sy ny vokatra biolojika fampiasa amin’ny  biby fiompy izay fehezin'ny Toko faha-IV amin'ny didim-panjakana laharana 92284 tamin'ny 26 febroary  1992, izay taterahan’ny orinasa VOKATRA TSARA izay efa nahazo fankatoavana tamin’ny tompon’andraikitra  misahana ny biby fiompy.

    FAMANDRIHANA  IREO  FARITRA  HANAOVANA FANDINIHANA  ARA- JEOLOJIKA  AO  AMIN'NY  KAOMINA  AMBANIVOHITRA  KELILOHA  SY ANDRIAMENA, DISTRIKAN'I TSARATANANA, FARITRA BETSIBOKA

    Hanao  fandinihana  ara-jeolojika  amin'ireo  faritra  izay  heverina  fa  manana harena ankibon’ny tany any Keliloha sy Andriamena, ao amin'ny Distrikan'i Tsaratanana, Faritra Betsiboka mandritry ny enim- bolana ny fanjakana, noho izany  natao  ny  fangatahana  famandrihan-toerana  hanaovana  izany fanadihadiana izany any amin'ireo toerana voafaritra ireo.

    Noho izany dia tsisy ary tsy afaka atao ny fanomezana alalana hitrandrahana harena an-kibon'ny tany ireo faritra ireo mandritry ny enim-bolana

    TETIKASA VAOVAO AO ANATIN’NY PNE 2021 AVY AMIN'NY MINISTERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA.

    - Nankatoavina  ny fananganana  Trano  fihaonan’ny  mpanao  gazety  na  ny « maison de la presse » izay  toeram-pivoriana sy ivon-toerana fihofanana ho azy ireo

    - Nankatoavina  ny  fananganana  ivon-toerana  « Tosik’art » ao  Maevatanana, Antsirabe,  Tsiroanomandidy,  Mananjary,  Miarinarivo,  Ihosy,  Sambava mba hamporisihana sy hampiroboroboana ny fandraharahana ara-kolontsaina

    - Nankatoavina ny fanarenana ny trano Mahitsielafanjaka, ny lapa Manampisoa ary ny lapa Tranovola ao amin'ny Rovan'i Madagasikara 

    NANKATOAVINA NY DRAFITRA IADIANA AMIN'NY FANONDRANANA  AN- TSOKOSOKO  EO  ANIVON’NY  SERANAM-PIARAMANIDINA  IRAISAM- PIRENENA ETO MADAGASIKARA.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny drafitr’asa sy drafim-pandaminana iadiana  amin’ny  fanondranana  an-tsokosoko  eo  anivon’ireo  seranam- piaramanidina rehetra iraisam-pirenena eto Madagasikara .

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka    ny    tolo-kevitry    ny    Sekreteram-panjakana    misahana    ny zandarimariam-pirenena :

    Nolaniana nandritran’ny Filankevitry ny Minisitra ny  didim-panjakana momba ny sata  mifehy ny « Direction générale de la sécurité routière » (DGSR).

  • III- FANENDRENA

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto:

    Araky ny tolo-kevitry ny Filohan’ny Repoblika :

    • Ramatoa Soatiana RAJOELISOA dia voatendry ho Talen’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Ramatoa RANOSY Eliane dia voatendry ho talen’ ny  Birao Nasionaly misoroka ny loza any an-tsekoly (Office National de la Prévention des Accidents Scolaires) eo anivon’ny Minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena.

    Araka ny tolo-kevitry ny Ministry ny Indostria,  Varotra ary ny Asa-Tanana

    • Atoa  RANDRIAMIARAMAHEFA  Andriniaina  dia  voatendry  ho  talem- paritra ao  Vakinankaratra
  • IV- FANAFOANANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Filohan’ny Repoblika :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-142 tamin’ny 20 febroary 2019 izay nanendry ny Talen’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

                                 

Natao androany faha 02 Jona 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika