TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE »

NY 28 APRILY 2021

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIO CONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    NOHAMAFISINA      IREO      FEPETRA      HIADIANA      AMIN’NY VALANARETINA COVID-19

    Noraisina  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ireto  fepetra  ireto hiadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina COVID-19:

    - Ho avy tsy ho ela amin’ny fiandohan’ny volana may eto amintsika ny vakisiny  azontsika  avy  amin’ny  fandaharanasa  «Initiative  covax ». Ireo siantifika  manam-pahaizana  Malagasy  miaraka  amin’ny  ministeran’ny fahasalamana no handrindra ny fanatanterahana izany miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka.  Ny  fanjakana  irery  ihany  no  afaka  manafatra vakisiny saingy azo tanterahana kosa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina.  Raràna ny fivarotana vakisiny ho an’ireo mpandraharaha tsy miankina.  Ireo  mpandraharaha  sy  vondrona mpandraharaha  te  hanao vakisiny ireo mpiasa ao aminy dia tsy maintsy manaraka ny rindran-damina iarahana amin’ny fanjakana Malagasy. Ireo masoivoho vahiny te hanao ny vakisiny kosa ho an’ireo mpiasa ao aminy dia omena fahazoan-dalana ary miantoka tanteraka ny fanarahana  ny fahasalaman’ireo  olona ao  aminy heverin’izy ireo atao vakisiny.
    - Mba  hiarovana  ny  Malagasy  amin’ny  mety  ho  fahatafidiran’ireo « variants COVID-19» hafa eto Madagasikara, ireo mpandeha rehetra avy tamin’ny sidina laharana AF934 nahazo alalana avy any Frantsa dia tsy maintsy manao fihibohana mandritra ny 14 andro nanomboka tamin’ny fotoana  nidirany  teto  Madagasikara,  ao  amin’ny  toerana  izay  neken’ny fitondram-panjakana hijanonan’izy ireo. Arahana akaiky ny fahasalaman’izy ireo ary tsy maintsy manao fitiliana amin’ny fifaranan’ny fihibohana vao mihazo  ny  tokantranony  avy ireo  aorian‘izany. Nohamafisina  ny  tsy fandraisana mpandeha avy any ivelany intsony miditra eto amintsika araka ny fanapahana efa noraisina.

    - Noho ny hamehana ara-pahasalamana ihany dia nahemotra ho amin’ny fotoana  manaraka  izay  mbola  tsy  voafetra  ireo  fifaninanana  ara- panatanjahantena iraisam-pirenena tokony ho tontosaina eto Madagasikara ary handraisan’ireo atletantsika anjara.

    - Notapahan’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  androany  ihany  koa  ny fanomezan-dalana  amin’ny fandraisan’ny  fanjakana  an-tanana  ny tataonketra  amin’ireo  fitaovana  fanaovana  fitiliana  izay  fanomezana voaraintsika.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana ny didim-panjakana milaza  ny  filan’ny  fanjakana  ny  toerana  araka  ny  « Plan  d’Urbanisme Directeur »  natokana  ho an’ny  Tanànan’i Sambava ka  ny  Kaominina ambonivohitra Sambava sy ny manodidina no hametrahana izany voalohany.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fambolena, ny fiompiana ary ny Jono :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana ny didim-panjakana manova ny rafim-pitantanana ao amin’ny « OFMATA ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana ny didim-panjakana manafoana ny « Institut de Gemmologie de Madagascar (IGM) sy ny drafim- pandaminana izay hoentina manatanteraka izany.

  • III - FANENDRENA :

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fitsarana :

    • Atoa  M.  RAKOTONAVALONA  Ranary  Robertson,  voatendry  ho Président de la Cour de Cassation de la Cour Suprême.
    • Ratoa RALAIVELO Marie Noëline, voatendry ho « Procureur Général auprès de la Cour  de Cassation de la Cour Suprême.

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Atoa ANJARAMANDRESY Elia Lala André, dia voatendry ho Tale misahana ny Unité d’Evaluation des Acquis Scolaires.
    • Atoa JEREMIA Angelié, dia voatendry ho Chef de l’Unité de Suivi des Organismes Rattachés.
    • Ratoa RATSIMBA RAJAONARY Nirina Lalaina, dia voatendry ho Chef de l’Unité de Coordination Générale des Projets».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika :

    •  Atoa RANOROHARISOA  Tiavina  Omega,  dia  voatendry ho  Tale Jeneraly ad intérim ao amin’ny ANOR na ny Agence Nationale de la Filière Or.

                                 

Natao androany faha 28 Aprily 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika