TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA
ALAROBIA 13 JANOARY 2021

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    IREO MIFINDRA MONINA AVY ANY ATSIMO :

    30% ny mponina any amin’ireo kaominina vitsivitsy any Atsimo no nanomboka nifindra monina namonjy ny faritra avaratra sy andrefan’ny Nosy nanomboka ny taona 2015 no mankaty araka ny fanadihadiana nataon’ny OIM. Saika isan-taona rehefa main-tany no tena hiantombohan’izy io noho ny  hain-tany,  ny  fahasimban’ny  tontolo  iainana  vokatry  ny  fiovan’ny toetrandro ary ny tsy fanjarian-tsakafo. Isan’ny miteraka olana ho an’ireo faritra hifindra-monina sy ireo faritra nialana koa anefa izy ity na eo amin’ny lafiny fiaraha-monina na ny lafiny ara-toekarena na ny ara-tsosialy.  Tany am-boalohany lehilahy no maro amin’ireo nifindra monina saingy nitombo izany  ka  lasa  fianakaviana  iray  manontolo  mihitsy  no  mifindra  monina ankehitriny noho ny antony maro samihafa toy ny faharavan’ny tokantrano, tsy  fahampian’ny  hoenti-manana  ary  fikorontanan’ny  fiarahamonina vokatr’ilay  fijanonana  irery  na  an-tany  nilana  ravinahitra  na  an-tany nihaviana nonenan’ny fianakaviana. Noho ireo antony ireo dia nivoatra ireo karazana olona mifindra monina avy any Atsimo. Hita tamin’ny fanisana natao fa misy mpianatra na mpila ravinahitra namonjy fodiana, nitondra ny fianakaviany niala tany noho ny tahotra ny tsy fanjarian-tsakafo. Tao koa ireo mpanararaotra na voarebireby ka nisy namitaka ny hahazo fanampiana.  Hisy ireo  vaomiera  manokana  iraisan’ny  ministera  isan-tokony  amin’ny fanampiana azy ireo sy fanarahana ny fipetrahany any amin’ireo toerana nosafidian’izy ireo hipetrahana toy ny any Aavaratra sy ny Bongolava izay afaka mandray fianakaviana miisa 1200. Misy filàna mpiasa manao asa- tanàna sy asa fambolena any Tsiroanomandidy, ka izay vonona ny hamboly dia afaka omena ilay antsoina hoe « titre vert» hahafahan’izy ireo mamboly sy miavotra.  Tsy  azo  amidy  na  hanaovana  sehatr’asa  hafa ankoatra  ny fambolena sy fiompiana ny sombin-tany azon’izy ireo.

    Araka ny tatitra ara-tsosialy voaray, ny mponina avy any amin’ny faritra Atsimo dia tsy mahafoy ny tany nipoirany. Noho izany hohafainganina ny fametrahana ireo zara-tany hambolena sy hiompiana mirefy 1000m² isam- pianakaviana hatao ao Ifotaka.

    Izany no natao dia ho fitazomana ireo mbola tavela any amin’ny faritra nihaviany hiaina ara-dalàna any, na ihany koa hamerenana ireo niala sy voafitaka mba hiverina ka ho afaka miaina tsara sady miasa no miaro ny tontolo iainana.

    Ho an’ireo mandalo eto an-drenivohitra izay hihazo ny faritra nosafidiany nefa lany vatsy kosa dia noraisin’ny ministeran’ny mponina sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony, tahaka izay efa natao tany Fianarantsoa, ny fanampiana azy ireo hamonjy ilay faritra nosafidiany.

    KARINEM-POKONTANY :

    Tsy  maintsy  manana  karinem-pokontany  ny  tokantrano  rehetra manerana  an’i  Madagasikara  rehefa  manao  raharaha  ara-panjakana hahafahana mandrindra sy mandamina ary mamaly ny filàn’ny mponina indrindra eny aminy biraom-panjakana. Hivoaka mialoha ny faran’ny volana ny ampahany  amin’ny karinem-pokontany  vaovao.  Hisy  ireo  fokontany “pilotes” hanombohana  izany  ao  anatin’ny  tanànan’Antananarivo Renivohitra. Fiaraha-miasa eo anivon’ny sampan-draharaha eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika na ny PREA, ny kaominina sy ny ministeran’ny ati- tany  sy  ny  fitsinjaram-pahefana  ary  ireo  ministera  isan-tokony  izay nifandrimbona nanao ny fanisana isan-tokantrano ny taona lasa no hoentina manatanteraka izany.

    FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA:

    Ny  19  Janoary 2021 no  hanokafana  amin’ny  fomba  ofisialy  ny taompam-bolenkazo 2021 ka any Taolagnaro no hanatanterahana izany. Amin’io fotoana io koa no hanaovana ny andron’ny fambolen-kazo any an- tsekoly na ny  « journée de reboisement scolaire » manerana ny Nosy izay mitondra ny lohahevitra hoe : « Mamboly hazo tia tanindrazana, mandoro ala mandoro tanindrazana ». Maro ny fahasimban’ireo faritr’ala sy ny tontolo iainana saika manerana ny Nosy indrindra ny any amin’ny faritra Atsimo izao miteraka ireo fifindra-monina sy hain-tany ary tsy fanjarian-tsakafo izay mila hanaovana asa goavana sy haingana.

    Noho  ny  fandaminana  isan-karazany  sy  ny  maha  zavadehibe  ny fiarovana  ny  tontolo  iainana  dia  nahemotra  andro  vitsivitsy  ny fampahafantarana ho an’ny rehetra ny fandaharanasa PEM.

     

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA SY DIDIM-PANJAKANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Repoblika :

    • Noraisina  ny  didim-panjakana  mametraka  eo  anivon’ny  Fiadidiana  ny Repoblika  ny ANAF na ny Agence Nationale Anti- Fraude mba hanaraha- maso ireo hosoka sy hanenjehana ireo mpanao hosoka araka izay voafaritra ao anatin’ny lalàna. Hanao ny fanadihadiana rehetra manodidina ireo hosoka rehetra  ny  ANAF ary hiara-hiasa  akaiky  tanteraka amin’ireo  sampan- draharaham-panjakana mahefa mpampihatra ny lalàna araka ny fahefana nomen’ny lalàna azy ireny.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana:

    • Noraisina  ny  didim-panjakana  mametraka  ny  « Ivom-Panajariana  ny Tanànan’Antananarivo sy ny Manodidina » (IPAM) ho isan’ireo fikambanana « reconnu d’utilité publique ».
  • III- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fiarovam-pirenena :

    • Général  de  Division  ANDRIAMAHOLY  Jaona  Solomona,  dia voatendry ho « Inspecteur Général » ao amin’ny « Inspection Générale des Armées ».
    • Général de Division RAMAHAVONJY Gérard José, dia voatendry ho « Inspecteur Général Adjoint » ao amin’ny « Inspection Générale des Armées ».
    • Général  de  Brigade  FANDRO  Jean  Ferdinand,  dia  voatendry Inspecteur ao amin’ny « Inspection Générale des Armées ».

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny  Ati-tany  sy  ny  Fitsinjaram- pahefana :

    • M. TSIRY Nohary Andrianina Harimanana Lalaina, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’Amparafaravola.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny vehivavy :

    • Ramatoa ANDRIAMANANJARA Nambinina Mauricia, dia voatendry ho Tale misahana ny « Audit et Contrôle Interne ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Atoa RANDRIANIRINA Rogesselin, dia voatendry ho « Coordonnateur de la Cellule de Contrôle Interne ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena misahana ny Zandarimaria :

    • Général de Brigade RAMASITERA Ny Haingo Zafinirina, dia voatendry ho « Coordonnateur » misahana manokana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fandraisana ireo fitarainana eny anivon’ny zandarimaria

                                 

Natao androany faha 13 Janoary 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika