TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

- ALAROBIA 09 DESAMBRA 2020 -

 

 

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    79.000ar NY GONIM-BARY MANERANA AN’I MADAGASIKARA ENY AMIN’IREO MPANAFATRA :

    Nifanaikena tamin’ny mpanafatra fa 79.000 ar ny gonim-bary tokony alefa eny amin’ny  tsena  ankehitriny.  Misy  500.000t  ny  vary  nafarantsika miaraka amin’ireo mpandraharaha Malagasy amin’ity taona ity ary ampy tsara izany ho amin’ny filan’ny mponina hiatrehana ny maintso ahitra. Tsy hiakatra ihany koa ny vidin’ny menaka sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro araka ny fifanekena tamin’ireo orinasa mpamokatra sy ireo orinasa mpanafatra izany. Tsy tokony hisy noho izany ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena mandritra izao fety izao, indrindra ireo sakafo ilaina andavanandro ary hihatra ny sazy amin’ireo izay mandika izany.

    KALY TSINJO HITSINJARA IZANY IREO MPIVAROTRA HANIMASAKA:

    Ireo  mpivarotra  hanimasaka  eny  anivon’ny  Fokontany  no  hahandro  sy hitsinjara ny «Kaly Tsinjo» ka hiara-hiasa amin’ny ministeran’ny mponina sy ireo  kaominina  ary  ireo  tompon’andraikitra  isan-tokony.  Hisy  anefa  ny fandraisan’anjara  ariary  100  isan’olona  ho an’ireo  misakafo  eny  isaky  ny fizarana sakafo atoandro. Hisy lamina manokana ho fanatanterahana izany ary mialoha ny fankalazana ny Noely no atomboka izany mandritra ny fe-potoana tsy voafetra. Hisy ny karazan-tsakafo miova isan’andro mandritra ny herinandro izay miantomboka ny Alatsinainy ka hifanarana ny Asabotsy. Hisy famatarana manokana ireo toerana mitsinjara ny “Kaly Tsinjo” izay natao ifampitsinjovana manoloana ny fahasarotan’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro.

    FANAMBOARANA  TOERAM-PITSABOANA  HO  AN’NY  ANTOKOM-PINOANA KATOLIKA:

    * Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezana fanalefahan- ketra ho an’ny EKAR Saint Joseph Toamasina mikasika ireo entana nafaran’izy ireo ho entina hanamboarana toeram-pitsaboana ao Toamasina.

    MPIKAMBANA FENO AO «OEACP» ISIKA :

    * Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny maha mpikambana feno an’i Madagasikara ao anatin’ny OEACP na ny Organisation des Etats d’Afrique, des Caraïbes et du Pacifique rehefa niova izany ny volana desembra 2019, izay marihana fa nitondra ny anarana Groupe ACP tamin’ny nananganana azy ny taona 1975 araka ny « accord Georgetown »

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena :

    Nolaniana  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  volavolana  didim- panjakana amin’ny fametrahana ny « Zones de Défense et de Sécurité » sy ireo fehin-kevitra sy rindran-damina mifehy izany.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny asa Vaventy :

    Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolana didim-panjakana vaovao mifehy ny sata mifehy ny « Foiben-Taosarintanin’i Madagasikara (FTM) » sy ny fomba fiasa sy lamina rehetra ao anatiny.

    Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolana didim-panjakana milaza ny filan’ny fanjakana ny toerana sy faritra manodidina ny “zone de recul de trait de côte, le périmètre de protection et la bande littorale » araka ny « Plan d’Urbanisme  Directeur  de  la  Ville  de  Morondava » ao  amin’ny  Kaominina Ambonivohitra  Morondava  sy  ny  Fokontany    Bemanonga,  Kimony, Andranoteraka,  Ankirijibe,  Antanambe  508  sy  ao  amin’ny  Fokontany Tanandava Benjamino ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra ao Bemanonga.

  • III- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Governemanta :

    • Ratoa  VOLOLONTIANA  épouse  RANDRIANASOLO  Hanta  Marie Danielle, dia voatendry ho Mpandrindra Nasionalin’ny ONN na ny « Office National de Nutrition ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola :

    • Atoa  RAKOTO  Andriamboavonjy  Dimby,  dia  voatendry  ho  Tale misahana ny « Etudes et de la Modélisation Economique »

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Filaminam-Bahoaka :

    • Commissaire de Police de Première Classe RAKOTONIRINA Jimmy Clark, dia voatendry ho Tale misahana ny « Forces d’Intervention de la Police ».
    • Contrôleur  Général  de  Police  RAKOTOMALALA  Andriamarolahy Fanomezantsoa, dia voatendry ho Talem-paritra ao Diana.
    • Commissaire  Divisionnaire  de  Police  TOMBOHASY  Christian,  dia voatendry ho Talem-paritra ao Boeny

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny  Fampianarana  Ambony  sy  ny Fikarohana ara-tSiansa :

    • Atoa M. RASOLOMANDIMBY Mahefatiana Philibert, dia voatendry ho Tale  misahana  ny  CROUA  na  ny  Centre  Régional  des  Œuvres Universitaires d’Antananarivo.

                                 

Natao androany faha 09 Desambra 2020 

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika