TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

- ALAROBIA 25 NOVAMBRA 2020 -

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ANY ATSIMO :

    HO  RAISINTSIKA  NY  LALAO  AFRIKANA  FIADIANA  NY  TOMPON-DAKAN’I AFRIKA EO AMIN’NY TARANJA JUDO:

    Ny 17-20 Desambra izao no hanaovana ny lalao afrikana iadiana ny tompon- dakan’i Afrika eo amin’ny taranja Judo, ka eto Madagasikara no handraisana izany,  araka  ny  fampahafantarana  nentin’ny  minisitry  ny  tanora  sy  ny fanatanjahantena.  Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  izany  ary napetraka mazava ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana tsy maintsy tokony harahana toy ny :

    • fanaovana ny fitsirahana ara-pahasalamana sy ny fanaovana Test PCR mialoha ny hidirana eto Madagasikara sy hanaovana ny fifaninana,
    • fandrindrana ny fitaterana ireo atleta avy any Afrika ho tonga eto Madagasikara
    • fanaovana ny fifanintsanana tsy azo hatrehin’ny daholobe,
    • fijanonana any amin’ny toerana hitobian’ireo mpanao fanatanjahantena rehefa tsy mandray anjara amin’ny fifaninana izy ireo,
    • fametrahana  arovava  orona  rehefa  mivezivezy  ivelan’ny  toerana hifaninanana.
  • II- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana

    • Atoa RABENANDRASANA Nicolas, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Tsaratanana.
    • Atoa ILAINIRINA Vanondahy Tatsarac, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Midongy du Sud.

    Araka ny tolo-kevitry Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy  

    • Atoa SEVA Judicaël Jean Cedrick, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ara-bola eo anivon’ny APIPA.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena : 

    • Atoa NASTINA Rampanjato, dia voatendry ho Talem-paritra ao Amoron’I Mania..
    • Ratoa RASOAFIONONANA Christine Manassé, dia voatendry ho Talem- paritra ao Anosy.
    • Atoa RANDRIAMPARALAIMAHARAVO Aimé Martin, dia voatendry ho Talem-paritra ao Matsiatra Ambony.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana :

    • Colonel ANDRIANAIVO Ravoavy Jaona Lalaina, dia voatendry ho Tale misahana SAMVA.
    • Atoa RANAIVOSON Tahirisoa, dia voatendry ho Talem-paritra ao Sofia

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Asa, ny Fampanan’asa, ny Asam- panjakana ary ny Lalàna sosialy

    • Atoa RANAIVOMANANA Hery Liva, dia voatendry ho Tale misahana ny « Base des Données de l’Office National de l’Emploi et de la Formation na ny ONEF »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa : 

    • Atoa RAGALISON Nicolas, dia voatendry ho Tale misahana ny Fitantanam-bola.
    • Atoa RAKOTONDRAJAONA Holy Nirina Jean Luc, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Institut Supérieur de Technologie » eto Antananarivo.
    • Atoa RANDRIANIRINA Jasmin Emile, dia voatendry ho Tale misahana ny « Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT) ».
    • Atoa RANDRIANIRAINY Huchard Paul Berthin, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre National de Recherches Industrielle et Technologique (CNRIT) ».
    • Ratoa RAKOTONIERA Zoly Harilala Avotiana, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre National d’Enseignement de la Langue Anglaise (CNELA) ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy :

    • Atoa RAKOTOSON Rija Herisolo, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Office National de l’Environnement (ONE) ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy , ny Fampiroboroboana ny Vehivavy :

    • Atoa JEAN PAUL, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ara- bola .

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena:

    • Atoa ANDRIANIAINA Tiavina Arnaud, dia voatendry ho Tale misahana ny Serasera.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Ramatoa RAKOTOMALALA Vonimananarivo Maminirina, dia voatendry ho Tale mizahana ny « Programmation du Suivi et Evaluation »
  • IV - FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto:  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-885 tamin’ny 24 aprily 2019 nanendrena « Directeur de l’Intégration de la Démarche du Développement Durable ».

                                 

Natao androany faha 25 Novambra 2020 

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika