FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPAHAFANTARANA NY REHETRA

Manoloana ny fanaparitahana vaovao tsy marina sy ny fanakorontanana ny saim- bahoaka amin’ny alalan’ny tambazotra sosialy sy ny tranokalam-pifandraisana, ny Fiadidiana ny Repoblika dia manambara etoana fa salama tsara ary tsy mitondra ny otrikaretina coronavirus velively ny Filohan'ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina.

Tsy nivoaka ivelan’i Madagasikara izy hatramin’ny fiandohan’ny krizy ara- pahasalamana ka hatramin’izao, fa miara-miatrika ny olana ary eo anilan’ny vahoaka malagasy hatrany.

Miara-mivory amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny « visioconfe?rence » ary mitarika hatrany fivoarian’ny Filankevitry ny Minisitra ary mikaroka andro aman’alina sy mitady ny hevitra ary manao ny ezaka rehetra hiarovana ny ain’ny mpiray tanindrazana rehetra.

Natao androany faha 07 Jolay 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika