FIADIDIANA NY REPOBLIKA
*********
TARATASIN’ANDRIAMATOA FILOHA HO AN’NY MPIKAMBANA AO ANATIN’NY GOVERNEMENTA REHETRA

Atoa Praiminisitra
Ramatoa sy Atoa Minisitra isany
Atoa Sekreteram-panjakana,

 

Mihazakazaka ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus maneran-tany fa indrindra taty Afrika izay nitombo avo roa heny tao anatin’ny 72 ora ka isan’izany Kenya, Ethiopie, Sénégal, Afrika Atsimo, Egypte sy ny maro hafa, ary koa ireo Nosy rahavavy aty amin’ny ranomasimbe indianina. 

 Noho izany tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hentitra kokoa isika hiarovana ny Malagasy sy ny mponina rehetra eto an-tanindrazana.

 Amin’izao ora izao tokoa mantsy dia efa tafiakatra valo amby roapolo (28) ny firenena aty Afrika misedra an’io valan’aretina Covid-19 io raha toa ka 14 monja andro vitsy lasa izay! Ary ireo firenen-dehibe dia hita fa tena sahirana mifehy sy miatrika ity valan’aretina ity.

 Efa nambarako ary hamafisiko hatrany fa tsy mifidy firenena, tsy mifidy saranga ity valan’aretina ity ary mihazakazaka ny fitombony, saika isan’ora sy isan-tsegondra mihitsy raha ny tarehimarika ofisialy mivoaka maneran-tany no arahina akaiky. Efa 185.067 no voalaza fa mitondra ilay tsimok’aretina maneran-tany ary efa maherin’ny 7330 ny maty na dia efa 80 236 aza no sitrana.

 Isaorana Andriamanitra raha mbola tsy ahitana izany eto amintsika hatramin’izao ary ny fisorohana izany no imasoantsika andro aman’alina ka tsy maintsy handraisana ny fanapahan-kevitra haingana, arakaraky ny fivoaran’ny fihanaky ny aretina maneran-tany.

Manoloana izany dia mila hentitra isika amin’ny fampiharana ireo fepetra efa noraisina hiarovana ny ain’ny mpiray tanindrazana tsirairay. Ary mila mahay mandamina sy mahay mandray fanapahan-kevitra haingana sy hentitra ao anatin’ny fotoana fohy isika. 

Adidiko sy ianareo mpikambana ato anatin’ny governemanta ny miaro ny firenentsika manontolo. Noho izany, dia misy fepetra vaovao ho raisina ho entina manamafy ireo paik’ady efa napetraka: 

  • Hanafatra ny fanaovana fitiliana manokana mikasika ny Coronavirus isika izay ahazoana valiny avy hatrany ao anatin’ny 20 minitra monja. Izany fitaovana fitiliana izany dia ho hafarantsika manokana mba hahafahana mahalala eo noho ny eo raha mitondra ny tsimok’aretina na tsia ny olona iray.
  • Marihiko fa any amin’ny firenena maro hafa dia mbola mila miandry iray andro vao azo ny valin’ny fitiliana.
  • Fitaovana ara-dalàna manaraka ny fenitra iraisam-pirenena io fitaovana fitiliana io ary efa nahazo ny fankatoavan’ny OMS. Noho izany, ireo olona rehetra miditra eto an-tanindrazana na efa niditra teto an-tanindrazana tao anatin’ny herinandro izay dia hatao fitiliana avokoa.

 Ampatsiahiviko hatrany fa ny fifampikasohan’ny olona samy olona ihany no ahafan’io tsimok’aretina io mifindra.

 Amin’ny maha nosy an’i Madagasikara dia amin’ny alalan’ny fidiran’ny olona mitondra ny tsimok’aretina avy any ivelany mandeha amin’ny fiaramanidina sy ny sambo miditra eto amintsika no ahafan’ny Coronavirus tonga eto amintsika.

  • Raisintsika androany ny fampiatoana tanteraka ireo sidina rehetra mampifandray an’i Madagasikara amin’ny avy any ivelany rehetra. Io dia hampiharina manomboka ny 20 martsa 2020.
  • Araka ny efa voalazako teo aloha dia omena hatramin’ny alakamisy 19 martsa ireo olona monina eto Madagasikara, n’inon’inona fihaviany, izay mbola namita iraka na mitsabo tena any ivelany, hodiany.

Ireo fepetra noraisintsika ireo dia ho entina miaro hatrany ny mpiray tanindrazana sy ny mponina rehetra eto Madagsikara.

Hisy ny fifampidinihana amin’ireo mpandraharaha ara-toe-karena manoloana ireo fepetra noraisina, ary hamafisiko etoana fa ireo entana rehetra ilaina andavanandro dia misy, ireo fanafody dia misy, ny solika dia misy ary tsy tokony hisy ny fanafenana na fampiakarana ny vidin’entana manoloana ireo fepetra rehetra noraisina. Faizina araka ny làlana manan-kery izay tsy manaraka ireo fepetra noraisina.

Efa nisy fifampiresahana sy fivoriana natao niaraka tamin’ny FMI amin’ny fanohanana sy fanampiana an’i Madagasikara amin’izao ezaka lehibe ataontsika izao. Vonona ny hanohana antsika izy ireo.

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

Lahy tokana ny aina ary ny fahasalamana no loharanon-karena voalohany. Koa raisiko ho adidy sy laharam-pahamehana ny fiarovana sy ny fitandroana ny fahasalaman’ny eto an-tanindrazana rehetra tsy an-kanavaka.

Mangataka ny fiaraha-mientan’ny tsirairay hitombo fitandremana, hanaraka an-tsakany sy andavany ny fandaminanana apetraka.

Ny Numero Vert 910 dia efa azo antsoina isan’andro ahafahan’ny mpitsabo mifandray mivantana amin’ny vahoaka.

Miomana, misoroka ary tsy hilavo-lefona isika!

Ny Filoham-pirenena

Andry RAJOELINA