NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

ANDRIAMATOA PRAIMINISITRA, LEHIBEN’NY GOVERNEMANTA,

RAMATOA SY ANDRIAMATOA MINISITRA ISANY,

ANDRIAMATOA SEKRETERAM-PANJAKANA ISANY,

ANDRIAMATOA MINISITRA LEFITRA,

 

ANTONY : Fanafainganana ny fanatanterahana ny Velirano faharoa mifandraika amin’ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny rehetra

Ny fisitrahana rano fisotro madio sy fanadiovana dia zo fototra neken’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 28 jolay 2010.

Tamin’ny 2018, notombanana ho 44,5%, ny tahan’ny fisitrahana rano fisotro madio teto Madagasikara. 36%n’ireo faritra ihany no nanana tahan’ny fisitrahana rano fisotro madio ambonin’ny salan’isa nasionaly. Ny Faritra Atsimo Atsinanana (8,9%), Melaky (11%), Sofia (11,7%), ary Vatovavy Fitovinany (13,8%) no faritra tena sahirana indrindra amin’ny fahafaha-misitraka rano fisotro madio.

Maro ireo Malagasy tsy mbola misitraka rano fisotro madio, izany dia miteraka olana ara-pivelomana mifandray amin’ny sakafo, fidiovana sy fahasalamana.

Izany no hanomezako toromarika ny Governemanta mba hijery vahaolana maharitra amin’izany olana amin’ny tsy fahafahan’ny antsasa-manilan’ny Malagasy misitraka rano fisotro madio izany.

Noho izany, ny tanjona napetrako amin’ny fampitomboana ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny mponina no dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny Velirano faharoa « Angovo sy rano fisotro madio ho an’ny rehetra » sy ny Tanjon’ny Fandrosoana Maharitra faha-enina « Miantoka fampisitrahana rano sy fanadiovana ho an’ny rehetra sy fitantanana maharitra an’ireo loharanon-drano ».

Ireo tetikasa sy fandaharan’asa eo amin’ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana notanterahina, mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, dia manamafy ireo fandraisantsika andraikitra amin’ny fiantohana famatsiana rano fisotro madio sy amin’ny vidiny mora ho an’ny mponina.

Hanatrarana izany tanjona izany, dia manome toromarika ny Governemanta aho, hanolotra fandaharan’asan-drano vonjimaika mba hampisitrahana rano fisotro madio ny 60%n’ny mponina an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra hatramin’ny taona 2023.

Ny Governemanta ihany koa dia tokony hijery sy hanaraka ny politika ara-jeografian’ny rano eo amin’ny antonony sy lavitra ezaka mba hanatanterahana ireo politikam-panjakana izay ahafahana mametraka fitantanana mahomby sy maharitra an’ireo loharanon-dranontsika. Ilaina ny mikajy sy mitahiry ireo efa ananana sy manatanteraka ireo tetikasa misandratra eo amin’ny sehatry ny rano mba hanatsaràna tsy ankiato ny kalitao sy ny habetsak’ireo tolotra omena amin’ny resaka rano sy fanadiovana.

Tsy maintsy tanterahin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ireo tetikasa efa voasoritra, ary tohizany ireo ezaka efa natomboka niaraka amin’ireo Mpiaramiombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola rehetra mba hiantohana, tsikelikely, fampisitrahana rano fisotro madio ho an’ny mponina. Ireto tetikasa manaraka ireto dia tokony hatao laharam-pahamehana ny famitàna azy, araka ny tetiandro efa napetraka :

1- Tetikasa fitahirizan-drano any amin’ny Faritra miisa 12 (Amoron’i Mania, Analamanga, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Bongolava, Haute Matsiatra, Ihorombe, Itasy, Melaky, Menabe et Vakinankaratra) mba hahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ;

2- Tohizana ny fanatanterahana ny paikadim-panavaozana izay efa nankatoavina tamin’ny Filankevitry ny minisitra mifandraika amin’ny vidin-drano ho an’ireo sokajy sosialy marefo ;

3- Tohizana ny fanatanterahana ny paikady amin’ny fandatsahana orana, nankatoavina tamin’ny Filankevitry ny minisitra mba hisorohana ny tsy fisian-drano ;

4- Raisina ireo fepetra rehetra mba hanajàna ireo tetiandrom-panatanterahana ireto tetikasa manaraka ireto : JIRAMA WATER III, PAAEP, PIAA2, GESDA, PIPELINE EFAHO, Pipeline MANDRARE-SAMPONA, extension du pipeline AMPOTAKA, pipeline BEMANBA-ANTARITARIKA, ireo toeram-pitsinjarana rano azo ampiasaina amin’ny zavatra maro, ireo vovon-drano lalina manana tosika betsaka (forages à haut débit), ireo AEP any amin’ireo tanàn-dehibe (Diego, Fianarantsoa, Mahajanga) sy ireo AEP any amin’ireo Distrika any Atsimo ;

5- Manatanteraka tetikasan-drano any ambanivohitra hamatsiana rano ireo toerana tsy andalovan’ny fantsona lehibe any Atsimo ;

6- Manatsara ny fahatomombanan’ny rano sy ny herinaratra eny anivon’ireo tobim-pamokarana ranon’ny Jirama.

Hasaiko ihany koa ireo mpikambana rehetra hafa eo anivon’ny Governemanta mba handray anjara feno amin’ny fanatanterahana ny tanjona izay napetrako amin’ny resaka fampisitrahana rano fisotro madio hatramin’ny taona 2023, sy hanolotra ahy ny antotan-taratasy fanaraha-maso isam-bolana ny fivoaran’ny fanatanterahana izany.

Andriamatoa Praiminisitra, Ramatoa sy Andriamatoa isany mpikambana ao amin’ny governemanta, manasa anareo aho hanao ny ezaka rehetra mba hampisitrahana ny vahoaka malagasy rano fisotro madio hatramin’ny taona 2023, mba hisian’ny fihatsaram-piainan’ireo mponina any ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe.

 

Antananarivo, faha 01 Jona 2022

Ny Filohan’ny Repoblika

Andry Rajoelina