NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

ANTONY : Fanamafisana ny ady amin'ny kolikoly sy ny fiarovana ny fananan-tany

Andriamatoa PRAIMINISTRA, LEHIBEN’NY GOVERNEMANTA,

Ramatoa sy Andriamatoa MINISITRA isany ,

Andriamatoa SEKRETERAM-PANJAKANA isany,

Andriamatoa MINISITRA LEFITRA,

Ho fanatanterahana ny « Velirano » mikasika ny fanamafisana ny fanapariaham-pahefana sy ny fiarovana ny fitantanana ny fananan-tany dia efa maro tokoa ny ezaka vita sy notanterahana teo anivon’ny Governemanta, nefa mbola betsaka ihany koa ny tsy vita sy ny miandry, hahatratrana io tanjona io.

Satria tokoa mantsy mitana toerana lehibe sy manan-danja ary isan’ny fepetra ilaina ny hampazava ny toetry ny tany, mba hahafahana mampivoitra sy mampivelatra ny fampiasam-bola ary hahafahan’ny tompon-tany misitraka sy mitrandraka ny taniny ao anatin’ny filaminana. Misy fiatraikany ihany koa amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny fandraharahana ny fisian’ny fanatsarana ny sehatry ny fananan-tany. Ary indrindra tokony hitondra fitoniana eo amin’ny vahoaka izany.

Izany no hahafahantsika manatratra ny tanjona napetraka, entina hampandrosoana ny toe-karena eto Madagasikara, araka izay efa voalaza ao anatin’ny PEM.

Araka izany, dia ao ny fanomezana ny « certificat foncier » izay taratasy avy amin’ny « guichet foncier » napetraka eny anivon’ny Firaisana (Commune), izay manan-kery mitovy amin’ny « Titre foncier » ka manome zo ilay olona ho tompon'ny tany izay nohajariany.

Na eo aza izany rehetra izany, araka ny fantatra, dia betsaka ary mihamaro tokoa ny raharaha momba ny ady tany eny anivon’ny fitsarana izay mitarika korontana sy tsy fandriam-pahalemana eo amin’ny mponina. Izany dia vokatry ny fahasarotana sy ny faharetan’ny paikady eny anivon’ny fitsarana, nefa koa indraindray, dia noho ny fisian’ny fanararaotam-pahefana sy ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny samihafa.

Araka ny efa voalazako moa dia tsapa izany mandritra ireo fitsidiham-paritra nataoko izay nitondran’ny olona ny alahelony noho ny fisian’ny endrika kolikoly mahakasika olana mifandraika amin’ny ady tany.

Manaraka izany, araka ny antotan’isa ananana tamin’ity taona ity, dia eo amin’ny ampahatelon’ny raharaha misy eo anivon’ny fitsarana ihany aloha hatramin’izao no efa voatsara.

Araka izany dia tsy maintsy mahita vahaolana maharitra sy mivaingana isika, mifandraika amin’izany ary azo tanterahina mba hahafahana manatsara ny fitantanana ny fananan-tany ao anatin’ny fahombiazana sy ny mangarahara. Tsy maintsy miainga avy amin’ny tompon’andraikitra rehetra isan’ambaratongany avy izany, toy ny Sampandraharahan'ny fananan-tany, ny fikajiana ny taratasy fananan-tany, ny mpiandraikitra ny fandrefesan-tany, ny fitsarana ary ireo tompon’andraikitra eny amin’ny firaisana (Commune).

Satria tokoa mantsy, ny fijerintsika dia tokony hikendry ireo tanjona napetraka mba hahafahana manatratra ireo fepetra tsy maintsy hajaina raha tiana ny hiarovana sy hanatsarana ny fitantanan-draharaha momba ny fananan-tany manerana ny Nosy. Noho izany, manainga ny tsirairay ny tenako mba hanao izay azo atao rehetra, hanatratrana izany tanjona izany.

Noho izany, dia hanao ny ezaka rehetra isika hahafahana manatsara hatrany ny sehatry ny fitantanana ny fananan-tany ka hanatanteraka hetsika azo tsapain-tanana, toy ny :

  • fanafainganana ny fitsarana ireo ady tany eny anivon’ny fitsarana;
  • fanalefahana ny fombafomba sy paikady ampiharina amin’ny resaka tany, na eny amin’ny sampandraharaha momba ny fananan-tany izany na eny anivon’ny fitsarana;
  • famporisihina ny mponina hanaraka ny fitsipika rehetra ka hanao izay haha-ara-dalàna ny tany izay novidiany, na koa ireo tany ipetrahany;
  • fahafahan’ny olona mahazo sy mahafantatra ny mombamomba ny lalàna rehetra izay manan-kery mikasika ny fananan-tany, manoloana ny tsy fahafantaran’izy ireo izany;
  • fandaminana sy fanatsarana ny fampandehanan’asa eny amin’ny sampandraharaha miandraikitra ny fananan-tany;
  • fampivoarana ny fampiasàna ny tekinolojia, na eo amin’ny fitantanana ny fananan-tany izany, na eo amin'ny fanafainganana ny fikirakiràna ireo antotan-taratasin’ady ao anatin’ny mangarahara tanteraka amin’ny ambaratonga rehetra ary mba hananana antotan’isa marina sy mazava; ka tsy azo disoina na hanaovana fisolokiana;
  • tokony hampitomboina ny isan’ny « guichet foncier » mamoaka ny « certificat foncier » satria mbola 561 ihany ny isany amin’izao fotoana izao, raha toa ka miisa 1695 ny firaisana (Commune) tokony hametrahana izany;
  • ny fanomezana fiofanana an’ireo tompon’andraikitra rehetra miainga any ifotony, toy ny fokontany izany, mba hahafahan’izy ireo misoroka, araka izay azo atao, ny ady tany mety hisy eny anivon’ny vahoaka.

 Araka ny efa nambarako dia tsy miantsy hatao vaindohan-draharaha ny fametrahana vaha olana maharitra hamahana ny olana mahakasika ny ady tany. Ilaina ny fametrahana rindran-damina sy rindran'asa vaovao mahomby sy mangarahara kokoa eo anivon'ny Fitsarana mba ahafahan'ny rafi-pitsarana isan'ambaratongany manatsara ny fomba fiasa, manamora ny fanaraha-maso ny fandraisana an-tanana ireo anton-tataratasin'ady maro be voaray eo anivon'ny fitsarana. Koa miantso sy manainga ny Minisitra tompon'andraikitra,ireo mpitsara sy mpiantsehatra rehetra eo anivon'ny fitsarana ary ny parlemantera handray ny tandrify azy ary hiaraka hikaon-doha ho an'ny fanatanterahana ireo fepetra ireo mba hanatratrana ny tanjona kendrentsika.

Noho izany, dia manao antso avo, ny tenako ny mba handraisana anjara mavitrika amin’ilay Fihaonambem-pirenena momba ny fananan-tany izay ho tanterahina ny 08 sy 09 ary 10 jona 2022 ho avy izao, hitadiavana vahaolana maharitra sy mifandraika amin’ireo sakana rehetra manodidina izany.

Andriamatoa Praiminisitra, Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpikambana ao amin’ny Governemanta, raharaha iraisana ny resaka fananan-tany, ary mahakasika minisitera maro, koa dia manainga antsika tsirairay ny tenako mba samy handray ny andraikitra tandrify azy avy, hahafahana manatsara ny fitantanana ny fananan-tany, hahatonga izany ho fanoitra hampandroso an’i Madagasikara. Fitsarana marina sy mangarahara, ary manakaiky ny vahoaka no tanjontsika.

Araky ny Velirano natao tamin'ny vahoaka Malagasy, dia mila manamafy ny ady amin'ny kolikoly sy misorona ireo disadisa eny anivon'ny fiaraha-monina noho ny ady tany, fa indrindra indrindra mila averina ny fitokisan'ny vahoaka amin'ny fitsarana sy amin'ireo Sampandraharaha misahana ny fananan-tany. Koa mitodika manokana aminareo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ary ny tenako anio. Singaniko manokana amin'izany ireo Minisitera roa izay voakasika voalohany amin'ity sehatry ny fananan-tany ity dia ny Minisiteran'ny Fitsarana sy ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany. Fototra iorenan'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ny sehatry ny fananan-tany satria ahafahana mametraka fiarahamonina mirindra sy mitandro ny tany tandalàna. Raiso ary tanteraho ny andraikitrareo mba ho fanatratrana ny fanovana goavana kasaintsika hapetraka eto amin'ny firenena. Ka ny fanapahan-kevitra raisin-tsika anio dia ho lova tsara hositrahan'ireo taranaka faramandimby.

Antananarivo, faha 25 may 2022

Ny Filohan’ny Repoblika

Andry Rajoelina