NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

ANTONY : Fanamafisana sy fanomezana torolalana ny fanofanana teknika sy arak'asa mba hanamoràna ny fampananan'asa eto Madagasikara

Andriamatoa PRAIMINISTRA, LEHIBEN’NY GOVERNEMANTA,

Ramatoa sy Andriamatoa MINISITRA isany ,

Andriamatoa SEKRETERAM-PANJAKANA isany,

Andriamatoa MINISITRA LEFITRA,

Efatra amby enimpolo isan-jaton’ny mponina (64%) eto Madagasikara dia latsaky ny 25 taona avokoa. Anisan’ny fanoitra lehibe, indrindra amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fametrahana paik’ady ho entina hampiroborobo ireo ankizy sy tanorantsika. Ary amin’ny alalan’ny fametrahana rafi-pampianarana manara-penitra sy fiofanana ara-teknika ary arak’asa no hanatanterahana izany. Adidintsika ny manampy sy manohana ny tanora Malagasy mba ho mpiantsehatra sy mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireo.

Izany no maha zava-dehibe ny fampianarana, ary isan’izany indrindra ny fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arak’asa. Mifototra amin’izany ny Velirano faha-efatra mikasika ny “Fanabeazana ho an’ny rehetra” sy ny Velirano faha-enina mikatsaka ny “Asa mendrika ho an’ny rehetra”.  

Harena lehibe indrindra ho an’ny firenena, tokony ho trandrahana sy hampiroboroboina, ny tanora. Maro amin’izy ireo anefa no misedra fahasahiranana amin’ny fiainana noho ny tsy fananana asa. Mampanano-sarotra azy ireo ny mahita asa noho ny antony maro : eo ny tsy fananana mari-pahaizana mihitsy na fananana ny Bakalôrea fotsiny saingy noho ny tsy fananan’ny ray aman-dreny ny hoenti-manana dia tsy afaka manohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony, eo ihany koa ireo tanora maniry ny hihary saingy tsy manana traik’efa ho entina manangana orinasa.

Ankoatra ny tanora dia misy ihany koa ireo vehivavy mitondra tena, mamelona tokantrano ary tsy misy asa raikitra noho ny antony maro samihafa.

Eo ihany koa ireo olona manana fahasembanana izay sahirana mahita asa noho izany fahasembanany izany.

Tsy maintsy mahita vahaolana ho fanampiana azy ireo ny fitondram-panjakana. Ary hatao laharam-pahamehana ny fametrahana paik’ady azo tanterahina haingana sy mitondra vokatra azo tsapain-tanana haingana ho fampiakarana ny fari-pahaizana na ara-teknika na ara-piofanana, ho an’ireo tanora, hahafahan’izy ireo miditra eo amin’ny sehatry ny asa.

Ny lalan-tsaina entintsika amin’izany dia ny tokony hahafahan’ireo tanora, vehivavy sy olona manana fahasembanana mianatra asa.

Asa izay tokony mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena. Ny olom-pirenena iray dia manana adidy amin’ny fampandrosoana ny firenena ary tokony hitondra ny anjara birikiny amin’izany. Manam-pahaizana sy manan-talenta ny Malagasy ary tsy tokony hisy intsony ny olom-pirenena vesatra na ho an’ny fianakaviana, na ho an’ny fiaraha-monina na ho an’ny firenena.

Ny fanatsarana ny paikadim-pampandrosoana amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arak’asa dia mitana anjara toerana lehibe ao anatin’ny «Plan Emergence de Madagascar » sy ny drafi-panorenantsika.

Lafiny efatra no ifotoran’ny vina napetraka mba hanatrarana ny famahana ny olan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara :

     
  • 1- Fampiroborobona ny fampianarana ara-teknika sy fanofanana arak’asa manaraka ny kalitao, ho an’ny tanora fa indrindra ny vehivavy sy ny olona manana fahasembanana mifanaraka amin’ny fihariana, mifototra amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa eo anivon’ny Faritra ary eo anivon’ny firenena manontolo ;
  • 2- Fanomezana fanofanana arak’asa manaraka ny fenitra ho an’ny olona rehetra ivelan’ny seha-pampianarana, indrindra ireo tanora tsy an'asa mba hahafahany mioitra hanatsara ny fari-piainana ;
  • 3- Famolavolana lasi-panofanana mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa
  • 4- Fampifanarahana ny fanofanana izay omen’ny toeram-pampianarana sy harahin’ny mpiofana amin’ny filàn’ny firenena. Ao anatin’izany ohatra ny fanomezana fampiofanana an’ireo tanora te hanao asa toy ny mpanao trano (maçon), mpanao volo (coiffeur), mpanao mofo (boulanger), mpahandro (cuisinier), mpanamboatra fiara (mécanicien) na ihany koa asa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana.

Araka izany dia azo tsinjaraina lafiny telo miavaka tsara ireo drafi-pampandrosoana izay ho tanterahina :

Eo amin’ny lafiny fisitrahana: Mba hisian’ny fitoviana eo amin’ny faritra amin’ny fahafahan’ny rehetra misitraka ny fanofanana arak’asa dia ireto ny tanjona tsy maintsy tratrarina :

  • Tohizana ny fanorenana sy fanokafana ireo ivotoeram-panofanana manara-penitra ANY AMIN’NY FARITANY ENINA eto Madagasikara (eny anivon’ireo Renivohi-paritany) mba hahafahan’ny tanora manana asa mendrika sy mahavelona;
  • Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo ivo-toeram-panofanana tsy miankina ;
  • Tohizana ary hohatsaraina ny fampiofanana ny asa fototra (apprentissage aux métiers de base) ;
  • Hampiroboroboina ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa tsy miankina mba hahafahan’ireo mpiofana mianatra asa na manao « stage » sy mandray tambiny na « indemnités de stage » ahafahan’izy ireo manatevina ny fahaiza-manao sy misehatra avy hatrany amin’ny sehatr’asa nosafidiany.
  • Hamporisihina ny fiofanana arak’asa ho an’ireo mponina mavitrika (capital humain) ka ho afaka hampiasa tena na hifaninana amin’ny sehatry ny asa ireo voaofana.
  • Ho an’ireo mpianatra voaofana ka maniry ny hiasa-tena, dia hosokafana ho azy ireo ny fiantsoana tsenam-panjakana ho fanatanterahana ny asa entina hampitaovana ny tetikasam-panjakana toy ny : fanjairana ny aroakanjo (tablier, blouse) ny mpampianatra, ny mpianatra, ny mpitsabo mpanampy, ny fanjairana sainam-pirenena

Eo amin’ny lafiny kalitao

Mba hampisy ny fifandanjana eo amin’ny sehatry ny asa sy ny sehatry ny fampiofanana dia tokony apetraka ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina na eto an-toerana na any ivelany ary ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo ivotoeram-piofanana any ivelany mba hahatongavan’ireo matihanina mampiofana ny tanorantsika. Ohatra amin’izany ny « Compagnon du devoir. »

Ny tanjona dia ny hanatsaràna hatrany ny kalitaon’ny fampiofanana eto Madagasikara.

Eo amin’ny lafiny fitantanana (Gouvernance)

Ilaina ny fampandraisana anjara ny any ifotony amin’ny fampandrosoana ara-toekarena amin’ny alalan’ny fananan’ny mpiofana avy ao an-toerana asa mendrika sy mahavelona.

Marihana fa efa marobe ireo tetikasa an-dalam-panatanterahana manerana ny Nosy saingy tokony hafainganina izany.

Anisan’ny fanamby lehibe atrehantsika ny fanofanana ny tanora Malagasy sy ny fanomezana asa azy ireo. Ilaina dia ilaina noho izany ny fifanomezan-tanana eo amin’ny Minisitera rehetra araka ny andraikitra nankinina amin’izy ireo avy sy ny fiaraha-miasan’ny sehatra rehetra ary koa amin’ny mpiara-miombon’antoka.

Tsongaina manokana ianareo Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, Minisitry ny asa tanana sy ny haitao izay miandraikitra ny fampiofanana, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ary ianao Ramatoa Minisitry ny Asa, ny Fampananana asa, ny asam-panjakàna ary ny Lalàna Sosialy.

Andriamatoa Praiminisitra, Ramatoa sy Andriamatoa Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta, fantatry ny rehetra ireo fanamby ireo ary mazava ny tanjontsika, nefa ny fotoana manam-petra. Manantena anareo aho mba handray ny andraikitra tandrify anareo ary mba hahalavorary ny fampianarana ara-teknika sy fanofanana arak’asa ka ho isan’ny andrin’ny fampandrosoana haingana an’i Madagasikara.

Antananarivo, faha 18 may 2022

Ny Filohan’ny Repoblika

Andry Rajoelina