Antananarivo, faha 11 may 2022

Ny Filohan’ny Repoblika 

ANTONY : Fanafainganana ny fametrahana ny drafi-pampandrosoana ny fambolena mba hiantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara

Andriamatoa PRAIMINISITRA, LEHIBEN’NY GOVERNEMANTA,

Ramatoa sy Andriamatoa MINISITRA isany,

Andriamatoa MINISITRA LEFITRA,

Andriamatoa SEKRETERAM-PANJAKANA isany

Mandalo vanim-potoana fihemorana goavana izao tontolo izao ankehitriny, taorian’ny roa taona nisian’ny valanaretina Covid-19, sy ny fiakaran’ny vidim-piainana vokatry ny krizy any Ukraine. Izany rehetra izany dia manampy trotraka sy mampanano-sarotra ny zava-misy maneran-tany izay efa misedra krizy ara-toetrandro, mamparefo ny toekaren’ireo firenena, ny tontolo iainana sy ny kalitaom-piainan’ny mponina.

I Madagasikara izay iray amin’ireo firenena marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro dia tsy afa-bela amin’ny fiantraikan’ny krizy maneran-tany.

Vao tafavoaka ny krizy ara-pahasalamana isika dia efa nisedra sahady ny fandalovan’ny rivodoza mahery vaika nifanesy tamin’ny voalohandohan’ny taona, izay nandrava trano fonenana miisa 8 500, sekoly sy fotodrafitrasan’ny fahasalamana ary biraom-panjakana maro, sy namotika fambolena, ka niatraika tamin’ny fiainana sy ny fiveloman’ny olona an’arivony maro. Eo ihany koa ny hain-tany mafy dia mafy izay miteraka hanoanana maharitra ho an’ireo mpiray tanindrazana any Atsimo.

Manoloana ireo fikorontanana ireo, dia marobe ireo sehatra mila fanarenana maika sady laharam-pahamehana. Ao anatin’izany, ny fiarovana ara-tsakafo, izay napetraka ho tanjona lehibe ka nametrahana ny Velirano fahasivy, dia ny « Fiantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanatsaràna ny famokarana ara-pambolena ». Ny zava-misy maneran-tany dia maneho fa tena ilaina, ny fahaleovan-tenan’ny Fanjakana tsirairay eo amin’ny lafiny famatsiana ara-tsakafo.

Ny « Plan Emergence Madagascar » no mamaritra ny rafitra fampiharana ny politikam-pampandrosoana an’i Madagasikara, ary ny drafi-panarenantsika no mandrindra ny paikady fanatanterahana mba hanarenana ny firenena sy hanomezana aina indray ny toekarena, taorian’ireny fahasahiranana vao avy nosedraina ireny. Ny fizakan-tena ara-tsakafo, ny fahafaha-miatriky ny tontolo ambanivohitra sy ny fampiroboroboana ny indostria dia mitana anjara toerana lehibe ao anatin’izany.

Mifototra amin’ny teboka telo lehibe ny vina napetraka mba hanatrarana izany fahavitan-tena ara-tsakafo izany :

1. ny fampandrosoana ny fambolena

2. ny fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana voarafitra sy miompana amin’ny tsena

3. ny fampandrosoana ny sehatry ny jono sy ny fiompiana trondro, ary koa ny fanomezan-danja ireo loharanon-karena avy amin’ny jono

Koa satria ny 80 isan-jaton’ny mponina malagasy dia avy any ambanivohitra ary mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana, dia anton-dresaka ataoko matetika ny resaka fambolena rehefa mihaona amin’ny mponina ny tenako. Nohenoiko ireo hetaheta sy fahombiazan’ny sasany, ny antso vonjy sy fitarainana nataon’ny hafa. Fa ny tena mahasarika ahy indrindra dia ny fahavononan’ny rehetra handray anjara amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fambolena malagasy.

Adidintsika ny mitsinjo ny fahatsaram-piainan’ny Malagasy, ary andraikitry ny minisitra rehetra ny manatanteraka ny paikadintsika sy ny mitondra vahaolana maika mba hanatsaràna ny andavanandrom-piainan’ireo mpiray tanindrazana iharan’ireo krizy.

Noho izany, fotoana izao hanovàna ny famindra sy hanafainganana ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena, mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mila miasa haingana sy mahomby kokoa isika.

Tiako ny mampahatsiahy fa marobe ireo tetikasa an-dalam-panatanterahana manerana ny nosy, mba :

1. Hanitarana ny faritra voavoly sy hampitomboana ny famokarana vary : tsy hiantohana ny fizakan-tenan’i Madagasikara amin’ny famokarana io fototsakafontsika io ihany fa mba hamerenana ny Nosy ho Sompitry ny vary eto amin’ny Ranomasimbe Indiana ihany koa. Toerana izay nisy antsika tany amin’ny taona 70-80. Tsara ho fantatra fa 36 tapitrisa hekitaran’ny firenena dia tany azo volena, ka ny 8 isanjaton’io ihany no voatrandraka. Ary mbola ambany ny vokatra azo avy amin’izany, izay manodidina ny 2,6 taonina isaky ny hekitara eo ho eo. Ny tanjontsika fototra, noho izany, dia ny hamokatra vary 500 000 taonina fanampiny. Ankoatra ireo tany 100 000 ha efa fantatra, izay any Bas Mangoky ny 50 000ha, dia ilaina ny manajary tany 270 000 ha mba hanamafisana ny fambolem-bary.

2. Hampitomboana ny famokarana mangazo, katsaka sy sakafo manankarena hafa : mba hiantohana ny fiarovana ara-tsakafon’ny mponina ary hamaliana ny filàna ara-tsakafo maika an’ireo mpiray tanindrazana amintsika ianjadian’ny kere any amin’ireo Faritra any Atsimon’ny Nosy. Mila trandrahana tsara ny fambolena mangahazo satria mety ahazoana vokatra 40 taonina isaky ny hekitara.

3. Hampandrosoana ny fiompiana sy ny famokarana ny vokatra azo avy amin’ny jono : amin’ny alalan’ny fitrandrahana famokarana trondro midadasika sy salantsalany, ny fampidirana ireo karazany vaovao mahomby kokoa ao anaty ny andian’omby malagasy, toy ireo ombivavy be ronono « normande » miisa 165 izay nafarantsika, sy ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ny fiompiana lehibe (à grande échelle) na Feedlot.

4. Hampiasàna masomboly vaovao nohatsaraina sy hamporisihana ny fanavaozana : mba ahazoantsika karazana masomboly tsara kalitao, izay manome vokatra betsaka kokoa anaty fotoana fohy ary mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro sy mahatohitra ireo aretina ara-pambolena. Azontsika atao amin’ny tanintsika tsara izany fikarohana izany ary ireo siantifikantsika dia manana ny fahaiza-manao amin’izany.

Hanatanterahana izany, dia mila tohanana sy hampitaovina ary vatsiana vola ireo Laboratoara fikarohana malagasy, toa an’ny FOFIFA izay natao ho amin’izany.

Ireo mpikaroka eo anivon’io ivotoerana nasionaly io rahateo dia efa nanambara, ny volana febroary lasa teo, fa nahita fahombiazana ara-tsiantifika tamin’ny fikarohana nataon’izy ireo, dia ny fahitàna karazana vary mahavokatra anaty fotoana fohy, mahazaka tondra-drano sy hain-tany satria tsy mitaky rano be.

5. Hamerenana ny fahafaha-mamokatra ara-pambolena any ambanivohitra, amin’ny alalan’ny fanamoràna ny fahazoan’ny tantsaha ireo famatsiambola ara-pambolena sy ireo akora sy fitaovana, toy ny masomboly nohatsaraina, zezika, fitaovam-pambolena. Mila manampy azy ireo bebe kokoa isika mba ahafahany mizaka tena.

6. Hampitomboana ireo fahafaha-mamokatra isa-paritra mba ahafahana mamaly ireo filàna ara-tsakafo ao an-toerana sy hitrandrahana izay azo trandrahana any amin’ny faritra tsirairay avy mba hampandrosoana ny firenena

7. Hampandrosoana ny fandraharahana ara-pambolena (agri-business) sy hanohanana ny fampiroboroboana ny sehatra vaovao manana sanda fanampiny, amin’ny alalan’ny fananganana kaoperativana mpamokatra miaraka amin’ny sehatra tsy miankina eo an-toerana sy nasionaly

8. Hampiroboroboana ny fandraharahana ara-pambolena amin’ny alalan’ny fanomezana « Titres Verts ».

9. Hampiroboroboana ireo rafitra sy tambazotra fitarihan-drano mba hanajariana faritra vaovao azo volena sy hanarenana faritra fambolena vary, toy ireo fotodrafitrasa izay hamboarina any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro noho ny fahavitan’ny asa fanitarana ny rafitra fanondrahana, dia ny PC23. Ity tetikasa ity dia mikendry ny hamatsiana rano tsy tapaka an’ireo lemaka, mba hampitomboana ny voka-bary amina velaran-tany mihoatra ny 9 900 ha any amin’ny kaominin’i Bejofo, Morarano Chrome ary Ambatomainty.

10. Hametrahana Zones d’Emergence Agricole (ZEA)

Andrasana amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, noho izany, ny fandrosoana haingana drafitr’asa mba hanomezana lanja ireo toeram-pambolena fanampiny ireo ao anaty ny fotoana fohy, hiantohana ny fizakan-tena ara-tsakafo sy hanatsaràna ny voka-bary.

Mazava ho azy fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany mba ahafahana manatanteraka ireo tetikasa goavana miompana amin’ny fandraharahana ara-pambolena (agrobusiness). Anjaran’ny Fanjakana ny mametraka rafitra fandrisihana hisarihana mpampiasa vola maro eo amin’ny sehatry ny fambolena.

Koa manentana ny rehetra aho mba hirotsaka an-tsehatra bebe kokoa ho fanatanterahana izany vina izany.

Ilaina dia ilaina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo minisitera hafa, indrindra ireo minisitera afaka manome tohana. Tafiditra ao anatin’izany :

  • Ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ho an’ny resaka fiarovana ny tany ;
  • Ny sehatry ny Fampianarana ara-tekinika sy ny fanofanana arak’asa, izay mandray anajara amin’ny fanomezana fampiofanana
  • Ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana : satria manana anjara toerana lehibe amin’izany ny fitarihan-drano
  • Ary farany, tsy maintsy apetraka ireo « projets intégrés et participatifs » ho an’ny tontolo ambanivohitra mba ahafahana mametraka fampandrosoana mirindra sy maharitra ho an’ny sehatry ny fambolena.

Ireo mpandray anjara rehetra, mponina, mpamboly ary manam-pahefana eo an-toerana dia mila manao ezaka mba hampandrosoana ny sehatry ny fambolena malagasy, ka hanatrarantsika ny fizakan-tena ara-tsakafo sy ahafahana miantoka ny fitomboana ara-toekarena.

Anjara andraikitry ny rehetra ny fampandrosoana ny firenena.

Noho izany, ao anaty ny fanananana finiavana hanome vokatra haingana dia ilaina ny fikarakarana fihaonambem-pirenena mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Izany dia ho tanterahina afaka herinandro vitsy.

Hivoaka amin’izany ny « Drafi-pampandrosoana nasionalin’ny sehatry ny fambolena ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafon’i Madagasikara », izay hamaritra ireo tanjona sy filàna ary vokatra andrasana. Izany drafitra izany dia hatolotra ny Malagasy alohan’ny 26 jona 2022.

Andriamatoa Praiministra, Ramatoa sy Andriamatoa Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta, fantatry ny rehetra ireo fanamby, mazava ny tanjontsika ary fohy ny fe-potoana.

Manentana anareo aho mba handray ny andraikitra tandrify anareo avy mba hanaovana ny fambolena ho iray amin’ireo andrin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

 

Ny Filohan’ny Repoblika,

Andry RAJOELINA