FAMPITAM-BAOVAON’NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA MAHAKASIKA NY TOE-JAVA-MISY ANY AMIN’NY FIRENENA OKRAINIANA

Mandalo sedra sy olana goavana izao tontolo izao ankehitriny. Izany dia manohintohina ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eran-tany.

Amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Firenena Mikambana, ary mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena sy ny Satam-panorenana ny Vondrona Afrikana ary mifandray amin’ny fanambarana ofisialy nataon’ity farany, izay nivoaka tamin’ny 24 febroary 2022, i Madagasikara dia mitandro ny fanajana ny fepetra maha iray tsy mivaky ny firafitry ny sisin-tanin'ny Firenena mahaleo tena iray sy ireo taniny.

Manoloana ny fifandirana izay mety mitranga, i Madagasikara dia manome lanja mandrakariva ireo lalàna sy fomba rehetra mampilamina, ary izany dia ho entiny hanehoana ny tsy fiandaniany na amin’iza na amin’iza sy ho fanajana ny soatoavina malagasy izay mifototra amin’ny Fihavanana. Ny tanjona amin’izany dia mba hampitoetra ny Faritry ny Ranomasimbe Indiana ho tontolo mandry fahalemana sy milamina.

Manoloana ny tranga misy ankehitriny dia maneho ny ahiahiny i Madagasikara mikasika ireo sivily, ary maneho ny firaisankinany amin’ireo niharam-boina sy ireo havany, amin’ireo olona nafindra toerana, isan’izany ireo teratany afrikana, ao anatin’izany koa ireo Malagasy mpiray tanindrazana. Miombom-po tanteraka amin’izy ireo mandrakariva izahay.

Miantso ireo firenena rehetra izahay mba tsy handray fanapahan-kevitra tsy azo ivalozana izay mety hiteraka famoizana aina sy fahavoazana miantraika amin’ny olombelona, tsy hay refesina sy tsy hita pesipesenina.

I Madagasikara dia maneho ihany koa ny ahiahiny amin’ny mety ho fiantraikan’izao fifandirana izao eo amin’ny toekarena iraisam-pirenena izay efa marefo nohon’ny krizy ara-pahasalamana.

Efa maro ireo fanamby atrehan’i Madagasikara, dia ny ady amin’ny fahantrana, ny fampandrosoana, ny ady amin’ny hain-tany sy ny tsy fanjarian-tsakafo, izay mifanindran-dalana amin’ireo ezaka maro atao ho fiatrehana sy fanarenana ny Firenena taorian’ireo loza voajanahary miverimberina. Ankilan’izany, ny Firenenay dia tsy manana ny fahafahana, na ara-pitaovana na eo amin’ny lafin’ny hery handraisana anjara amin’izany ady izany.

Manoloana ny zava-misy ankehitriny, dia manentana izahay amin’ny hamerenana ny fifampidinihana am-pilaminana, hanaovana ho laharam-pahamehana ny fifampiraharahana ara-diplaomatika, hampitsaharana ny fampiasana hery sy fitaovam-piadiana. Tsy mbola tara velively ny famerenana ny fitoniana sy ny filaminana.

Ankasitrahanay indrindra ireo ezaka ara-diplaomatika sy ireo dingana rehetra atao hikendrena ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra mahomby sy fampihavanana eo amin’ireo Firenena voakasika mivantana, hitondrana vahaolana ho amin’ny filaminana haingana sy maharitra amin’izao fifandirana izao.