FANAMBARANA

Taorian’ny fanendrena ireo mpikambana voafidy handrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI tamin’ny sabotsy 30 oktobra 2021, dia noraisina anio faha 19 novambra 2021 ny didimpanjakana laharana faha 2021-1305 izay anendrena ny mpikambana voatendrin’ny Filohan’ny Repoblika sy anamarinana ny fahalanian’ny mpikambana voafidin’ny Fitsarana Tampony

Araka izany dia ireto avy izy ireo:

- Notendren’ny Filoham-pirenena:

Atoa DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène

- Voafidin’ny Fitsarana Tampony:

Atoa RANDRIANARIVONANTOANINA Tiana Ifanomezantsoa

Feno araka izany ankehitriny ny isan’ireo mpikambana vaovao handrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI, araka ny voafaritry ny lalàna.

Natao teto Antananarivo ny zoma 19 novambra 2021

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika