FANAMBARANA

Taorian’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI, dia noraisina anio sabotsy 30 oktobra 2021 ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1200 izay anamarinana ny fahalanian’ireo mpikambana vaovao ao amin’izany rafi-panjakana izany.

Araka izany dia ireto avy ireo mpikambana voafidy handrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI mandritry ny enina (06) taona manaraka:

- Voafidin’ny Antenimieran-doholona:

Atoa RAZAFIMAMONJY Laza Rabary

- Voafidin’ny Antenimieram-pirenena :

Atoa HOUSSENE Abdallah

- Voafidin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana:

Atoa FIDIMIAFY Roger Marc

- Voafidin’ny holafitry ny Mpisolovava:

Atoa JEANNOT Guy Georges Razafindraibe

- Voafidin’ny holafitry ny Mpanao Gazety:

Atoa ANDRIAMAROTAFIKATOHANAMBAHOAKA Ralaisoavamanjaka

- Voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ara-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana :

Atoa RAVALITERA Jacques Michaël ;

Atoa ANDRIAMALAZARAY Andoniaina

Marihina fa araka ny lalàna dia miisa sivy (9) ny mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI, ka ny mpiakambana anankiray izay tendren’ny Filoham-pirenena sy ny anankiray izay fidian’ny Fitsarana Tampony dia ho fantatra afaka andro vitsivitsy.

Natao teto Antananarivo ny sabotsy 30 oktobra 2021

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny fifandraisana eto anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika