HANOME FANALEFAHAN-TSAZY FAOBE NY FILOHAM- PIRENENA

NOHO NY FAHA 61 TAONAN’NY FITSINGERENAN’NY FIVERENAN’NY 

FAHALEOVANTENAN’I MADAGASIKARA

Miisa  13158  ireo  voafonja  efa  voatsara  manefa  ny  saziny manerana  an’i  Madagasikara.  10840  amin’izy  ireo  no  hahazo fanalefahan-tsazy avy amin’ny Filoham-pirenena. Ary ny 2747 dia afaka mivoaka avy hatrany.

Tsy  voakasiky  ny  fampiharana  izany  fanalefahan-tsazy  faobe izany  kosa  anefa  ireo  olona  voaheloka  amina  sazy  tsy  ahazoana fahalalahana toy ny vono olona sy ny vono olona nomanina, ireo heloka mamoa-fady, ny fanodikodinam-bolam-panjakàna, ireo heloka rehetra voalaza ary sazian’ny lalàna manasazy ny heloka rehetra mikasika ny andramena sy ny hazo mainty, ireo heloka momba ny famotsiambola.

Ity  fanalafehan-tsazy  faobe  ity  dia  hanatsara  ny  ezaka  atao amin’ny fampiharana ny fanajana ny zon’olombelona sy ny maha olona eny  anivon’ireo  fonja  ary  indrindra  entina  hamerana  ny  isan’ireo voafonja.

Misy ihany koa fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoham-pirenana amin’ny  maha  Filoha  faratampon’ny foloalindahy  azy  dia  ny fanalefahana amin’ny  sokajin-tsazy  voafaritra  an’ireo miaramila niharan'izany teo anivon’ny tafika Malagasy.

Ao  anatin’ny  fankalazana  ny  faha  61  taonan’ny  niverenan’ny fahaleovan- tenan’i Madagasikara hatrany, dia nanome toromarika manokana  ihany  koa  ny  Filoham-pirenena,  fa  aorian'ny  lanonana fankalazana ny fetim-pirenena dia hahazo fialan-tsasatra 24 ora ireo tafika rehetra nandray anjara tamin’ny matso.

                                 

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana
eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika
24-06-2021