FIADIDIANA NY REPOBLIKA

Zoma 8 martsa 2019 : Andro iraisam-pirenena hankalazana ny zon'ny vehivavy: « Viavy Mahavita azy ! »

Tao Mahajanga no ivon'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hankalazana ny zon'ny vehivavy, izay teo ambany fiahian'ny vadin'ny filoham-pirenena ramatoa Mialy Rajoelina androany 8 martsa 2019. Hetsika maro: carnaval izay natao tao amin'ny Kianja Rabemananjara, fitokanana ny tranombarotra "Malagasy Ethanol" tao Mahajanga ary valan-dresaka mifototra amin'ny lohahevitra hoe "Viavy mahavita azy" ary fizarana mari-pakasitrahana "Vehivavy Mihary" izay notontosaina tao amin'ny Complexe Sportif Ampisikina no natao tany Mahajanga omaly hanamarihana izany.

"Ny adidy sy andraikitrin'ny vehivavy ho fampandrosoana ny firenena":

Io no lohahevitra iraisam-pirenena nankalazana ny andro ho an'ny zon'ny vehivavy tamin'ity taona ity. Solon-tenan'ny fikambanam-behivavy avy amin'ny faritra roa amby roapolo eran'i Madagasikara no tonga nandray anjara tamin'ny "carnaval" izay natao tao amin'ny kianja Rabemananjara. Nanatrika izany ny vadin'ny filoham-pirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina niaraka tamin'ny ireo vehivavy ministra sy ireo vehivavy vadin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta sy andrim-panjakana isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miombon'antoka iraisampirenena. Tsara ny mampahafantatra fa ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy dia nolaniana teo anivon’ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 1977. Nanambara ny solon-tenan'ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana eto Madagasikara, Violette Kakyomya, fa nahitana fivoarana lehibe ny fampiarana ny zon'ny vehivavy eto Madagasikara indrindra eo amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ny ady amin'ny herisetra amin'ny vehivavy ary ny fampiharana zom-pirenen'ny vehivavy malagasy ankapobeny. Tamin'ny lahateny izay nataony dia nanambara ny vadin'ny filoham-pirenena Mialy Rajoelina fa ankoatran'ny hetsika izay atao maneran-tany, ny andron'ny 8 martsa dia natao ihany koa hanaovana jery todika mba hitondra fanatsarana hatrany amin'ny fampiharana antsakany sy andavany ny zon'ny vehivavy.

"Mpiantsehatra mavitrika amin'ny fiaraha-monina ny vehivavy" :

Manana zo sy andraikitra amin'ny maha olom-pirenena azy ny vehivavy , izay tsy misy maha samihafa azy amin'ny lehilahy" hoy ramatoa Mialy Rajoelina. Miantso ny vehivavy malagasy rehetra ny vadin'ny filoham-pirenena mba tsy hisara-bazana, fa hifampitsinjo sy hiray hina ka hitondra fiovana ary hitondra ny vehivavy amin'ny toerana tokony hisy azy.

"Malagasy Ethanol" angovo madio haparitaka manerana ny Nosy :

Taorian'ny lanonana fankalazana tao amin'ny kianja Rabemananjara dia nitokana ny tranombarotra "Malagasy Ethanol" voalohany ao Mahajanga ny vadin'ny filoham-pirenena araka ny efa natomboka tao Ambilobe. Ny fanapariahana ny tranombarotra "Malagasy ethanol" manerana ny Nosy dia tafiditra ao amin'ny tetikasan'ny vadin'ny filoham-pirenena, amin'ny alalan'ny fikambanana Fitia, hiarovana ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fampiasana angovo madio toy ny ethanol ao amin'ny tokantrano malagasy rehetra. Tamin'io fotoana io ihany koa no nanoloran-dRamatoa Mialy Rajoelina fatana sy solika ethanol ho an'ny sampandraharaha mihaino sy mandray an-tanana ireo vehivavy iharan'ny herisetra izay eo ambany fihahian'ny FNUAP.

Valan-dresaka :"Viavy mahavita azy", "Vehivavy Mihary"

Vehivavy dimy no nijoro vavolombelona tamin'ny valan-dresaka "Viavy mahavita azy". Nitantara ireo herisetra sy sedra niatra taminy ary ny lalana nizorany mba hihoatra teo amin'ny fiainany ireo vehivavy ireo. Vehivavy 36 kosa no nanolotra tetikasa fihariana sy fampandrosoana manerana ny faritra roa amby roapolo ary 9 amin'ireo no voasafidy nahazo fanampiana avy amin'ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran'ny mponina, ny fiahiana ara-sosialy ary fampivoarana ny vehivavy mba hanatanterahana ny tetikasan'izy ireo.Ny valandresaka sy fifaninana tahaka izao dia harena lehibe eo amin’ny fifampizarana hevitra traikefa sy tetikasa hahafahana mahita vahaolana mivaingana sy mahomby ho an’ny fivoaran’ny vehivavy sy ny ankizy. Ary ny tanjona tiana ahatongavana dia ny hampisondrotana ny fiainan’ny vehivavy amin’ny alalan’ny fampianarana, ny fanabeazana sy ny fandraharahana ary ny fampiofanana arakasa, ara-pahasalamana.

« Mijoro aho anio sy amin’ny andro hoavy hiaro ny ankizy sy ny vehivavy ! »

Namerina hatrany ramatoa Mialy Rajoelina fa manameloka ireo herisetra amin'ny endriny isan-karazany izay mihatra amin'ny vehivavy sy ny ankizy ary nanolotra hafatra feno fanantenana ho an'ny vehivavy malagasy : "Mijoro aho anio, sy amin’ny andro mbola ho avy hiaro ny ankizy sy ny vehivavy malagasy amin’ny herisetra ary hiaro ny zon’izy ireo. Manainga ny rehetra aho handray anjara fitenena ka hiampanga ny zava-misy ary miangavy ny manam-pahefana hanasazy ny endrika herisetra rehetra mihatra amin’ny vehivavy sy ny ankizy" hoy izy.

Nanamafy Ramatoa Mialy Rajoelina raha namarana ny lahateniny, fa mamporisika hatrany ireo vehivavy malagasy ny tenany hanangana tetikasa hampivoarana ny vehivavy ary nanao antso avo ny malagasy rehetra hiampanga sy hanameloka, hifarimbona, hanaitra, hampahafantatra ny rehetra satria tokony arovana ny vehivavy sy ny ankizy.