TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO NY ASABOTSY 16 MAY 2020

 

  • I- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:

    Taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta araka ny fahefana nomen’ny Filoham-pirenena azy, tamin’ireo Filohana Andrimpanjakana 3 eto amin’ny firenena : ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, dia nandray izao didim-panjakana manaraka izao :

    Mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « FAHAMEHANA ARA- PAHASALAMANA» (état d’urgence sanitaire) manomboka androany 16 may 2020 ary mihatra avy hatrany.

    Toy izao ny didim-panjakana laharana faha 2020-483 tamin’ny 16 may 2020 noraisina:

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    *********

    DIDIM-PANJAKANA LAHARANA faha-2020-483 tamin’ny 16 may 2020

    MANAMBARA AMPAHIBEMASO NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA MANERANA NY TANIN’NY REPOBLIKA

    NY FILOHAM- PIRENENA,

    Araka ny lalàm-panorenana, ao amin’ny andininy faha 61;

    Araka ny làlana faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mahakasika ny Vanim-potoana manokana

    Araky ny làlana laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fifehezana ny fahasalamam-bahoaka ;

    Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, lehiben’ny Goverenemanta;

    Araka ny didim-panjakana laharana faha-2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 nanendry ny mpiakambana ao amin’ny governemanta;

    Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020 milaza ny manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.

    Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020 – 370 tamin’ny 04 Aprily 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.

    Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-420 tamin’ny 17 Aprily 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.

    Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-457 tamin’ny 02 May 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.

    Nandritra ny filankevitry ny minisitra taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana;

    DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA MANARAKA IZAO :

    ANDININY VOALOHANY.- mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, nohon’ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlanan’ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020 sy laharana faha2020-370 tamin’ny 04 Aprily 2020 sy ny laharana faha 2020-420 tamin’ny 17 Aprily 2020 ary ny laharana faha 2020-457 tamin’ny 02 May 2020 voalaza etsy ambony.

    ANDININY FAHAROA.- Ity didim-panjakana ity dia mitarika ny fampiharana ireo fepetra rehetra voafaritry ny fehezan-dàlana mahakasika ny Vanim-potoana Manokana (situation d’exception) mametra ny atao hoe Fahamehana.

    ANDININY FAHATELO.- Ho fampiharana ny andininy faha 18 ao amin’ny làlana faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mikasika ny Vanim-potoana manokana, izay mamaritra ny fahefan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiharana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, ny fanaraha-maso ny famatsiana rehetra ary ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana dia natolotra ny Praiminisitra ny fanatanterahana izany.

    ANDININY FAHA-EFATRA.- Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola, ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram- pahefana, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny Paositra ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Seketeram-panjakana misahana ny Zandarimaria eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena no miantoka ny fanatanterahana izao didim- panjakana izao.

    ANDININY FAHA-DIMY.- Noho ny hamehana ary ho fampiharana ny voalazan'ny andininy faha-6 ao anatin'ny didy hitsivolana laharana faha-62-041 tamin'ny 19 septambra 1962 momba ny fepetra ankapoben'ny lalàna anatiny sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan'ny samy olona, ity didim-panjakana ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao havoaka amin'ny onjampeo sy/na ny fahitalavitra, ary izany dia tsy miankina amin'ny famoahana azy amin'ny gazetim-panjakan'ny Repoblika.

    Antananarivo faha- 16 May 2020

    Ny Filoham-pirenena

    Andry RAJOELINA

    Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta

    NTSAY Christian

  • II- FANENDRENA:

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka :

    • Profesora Randriamanantany Zely Arivelo, dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny Fampitaovana ny Seham-pitsaboana (DGFS).

Natao androany faha 16 May 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika