FIADIDIANA REPOBLIKA

FAMPITAM-BAOVAO

Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2019-2020 : « Ho rakotra ala i Madagasikara » ka hamerina indray ny maha Nosy Maintso mavana an’i Madasikara isika hoy ny filohampirenena Andry Rajoelina raha nanokatra tamin’nyfomba ofisialy ny taom-pamobelenkazo 2019-2020 izy androany 02 MARTSA 2019, tany Analameva –Ambohibary- Moramanga, teo amin’ny tanin’ny Fanalamanga.Niaranisahaly tamin’ity fambolena zanakazo androany ity ny filoham-pirenena Andry Rajoelina niaraka tamin’ireo tanora skoto, mpianatra, miaramila, olontsotra, tomponandraikim-panjakana isantsokajiny.

Ny tanjona dia ny hahatratraran’i Madagasikara mandrakotra ala anatina velaran-tany mirefy 40 000 Ha isan-taona faharafakeliny amin’ny alalan’ny fambolena zanakazo miisa 40 tapitrisa raha kely indirndra isan-taona. Nomarihin’ny filoha Andry Rajoelina manokana fa na ireo toerana saro-dalana aza dia hisitraka izany fambolen-kazo izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny « drône » izay hamafy ny voa amin’ireny toerana ireny.

Nanentana ny olom-pirenena rehetra ny filoham-pirenena mba hamboly hazo amin’ny toerana izay tandrify azy ary tsy hijanona amin’izay ihany fa hikolokolo sy hikajy ny tontolo iainana. « Tsy maintsy ho tratrantsika ilay tanjona hamerina an’i Madagasikara ho avokavokin’ny ranomasimbe Indianina ary raha ny olom-pirenena tsirairay no mamboly hazo folo fototra isan-taona dia isika no ho laharana voalohany amin’ny fambolena hazo sy fiarovana ny tontolo iainana. » hoy ihany ny filoha Andry Rajoelina. Mba hanantanterahana izany vina izany dia tetibola mitentina 2.5 lavitrisa ariary (2.5milliard) izay voasoratra ao anaty fampiasambolam-panjakana 2019 ary mbola hampitomboina no homena ny Ministeran’ny Tontolo Iainana.

« Koa manainga antsika rehetra aho androany hamboly zanakazo 10 fototra isan’olona, hikajy ny ala sy hiaro ireo zanakazo vao avy novolena. Ankinina tanteraka amintsika mponina aty sy ireo tomponandraikitry ny ala ary ny mpitandro ny filaminana izany. Fanetriben’ny firenena ireo izay mandoro ny ala satria mandoro ny tanindrazana ary mila faizina tanteraka sy mafy mihitsy araka ny lalàna. » hoy ny Filohampirenena. Nanentana ny rehetra hiady amin’ny doro-tanety izay mandringana ny ala ihany koa ny filoha Andry Rajoelina. Nanambara ny tenany fa hisy ny fanentanana faobe hiadiana amin’ny doro-tanety ary hisy ihany koa ny tetikasa entina hanampiana ireo mpamboly hiala amin’ny tavy, ary ho entitra ny sazy ho an’ireo izay mbola mihoa-pefy mandoro ny tanindrazana. Hampiroboroboana ihany koa ny fampiasana ny éthanol izay entina hampihenana ny fampiasana ny arina fandrehatra. Ny éthanol izay sady mora no tsy mandoto no mahamasaka sakafo ara-dàlana no mitsinjo ihany koa ny tontolo iainana.

« Raha mitsinjo ny ho avy ianao dia mamboly hazo androany mba hialokalofan’ny taranaka fara-mandimby » hoy ny filoham-pirenena teo am-pamaranana.

                                                                      Androany 02 Martsa 2019

                                                                      Ny Seraseran’ny Fiadidiana ny Repoblika