FIADIDIANA NY REPOBLIKA


TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA- ALAROBIA 26 FEBROARY 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    FIANTSOANA FIVORIAN’NY ANTENIMIERA ROA TONTA:

    Ny 04 martsa 2020 no antsoina hivory tsy ara-potoana ny antenimiera roa tonta mandritra ny 12 andro hanaovana ny fankatoavana ireo didy hitsivolana miisa 9 noraisin’ny Filohampirenena nandritra ny fanomezam-pahefana nomen’ny Antenimieram-pirenena azy talohan’ny nijoroan’ny Antenimieram-pirenena.

    TSY MAINTSY VOAPETRAKA NY LAMINA ANY ATSIMO:

    Nametraka sy namariparitra ireo lamina sy ny tetikasa matipaika ho entina hametrahana vahaolana maharitra any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ny Filoham-pirenena taorian’ny fitsidihana nataony tany Atsimo ho entina manaisotra tanteraka ny olan’ny tsy fanjariantsakafo sy ny haintany any Atsimo.

    Tetikasa azo refesina sy misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina no ho entina sy ho tanterahana any Atsimo ary ireo minisitra misahana ny sosialy rehetra indrindra ny fahasalamana, ny fampianarana, ny rano, ny fambolena sy fiompiana, ny serasera ary ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina no isan’ny voakasika manokana sy manantanteraka izany ao anatin’ny fotoana fohy mba hisorohana ny voka-dratsy ateraky ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny haintany.

  • II- FANENDRENA:

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto:

    Araky ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Repoblika:

    • Atoa TSIKEL’IANKINA Ernest, dia voatendry ho « Secrétaire Permanent Adjoint à la Défense et à la Sécurité Nationale » ao amin’ny « Haut Conseil de la Défense Nationale » (HCDN)

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola:

    • Atoa RAZAFINDRAINONY Thierry José, dia voatendry ho « Directeur de la Législation et de la Valeur ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana

    • Atoa RAKOTONDRAMANANA Solofotahiana Lalaina, dia voatendry ho Préfet ao Ambovombe.
    • Atoa HERINJANAHARY Josoa, dia voatendry ho Préfet ao Taolagnaro.
    • Atoa RALALAHARISON Oninirina Mamiko, dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’i Besalampy.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Aaventy ary ny Toeram-ponenana:

    • Atoa ANDRIAMALALAVONJY Solomanoro, dia voatendry ho Tale-paritra ao Analamanga.
    • Atoa RAZAFIMANDIMBY Herinirina Dominique, dia voatendry ho Tale-paritra ao Bongolava.
    • Atoa RAHARIMINA Gabriel, dia voatendry ho Tale-paritra ao Vakinankaratra.
    • Atoa ANDRIANIAINA Fanomezantsoa Lalao Alain, dia voatendry ho Tale-paritra ao Analanjirofo.
    • Atoa ANDRINIONY Nomenjanahary, dia voatendry ho Tale-paritra ao Anosy.
    • Ramatoa RAMANGAZAFIHARIVONY Feno Harisoa, dia voatendry ho Tale-paritra ao Boeny.
    • Atoa ANDRIATOLOTRA Antonine Lovaniaina, dia voatendry ho Tale-paritra ao Betsiboka.
    • Atoa SOLONIAINA Nomenjanahary, dia voatendry ho Tale-paritra ao Sofia.
    • Atoa MANDIMBILAZA Jean Arthur, dia voatendry ho Tale-paritra ao Atsimo Atsinanana.
    • Atoa ANDRIANJATOVO Harinaivo Livasoa, dia voatendry ho Tale-paritra ao Atsinanana.
    • Atoa MAHAZOSOA Tokiarimamy, dia voatendry ho Tale-paritra ao Amoron’i Mania.
    • Atoa RANDRIANARIVELO Herimanantsoa, dia voatendry ho Tale-paritra ao Vatovavy Fitovinany.
    • Atoa RAKOTONIRINA Vivian José, dia voatendry ho Tale-paritra ao Matsiatra Ambony.
    • Atoa RATOVONDRAINY Léonard, dia voatendry ho Tale-paritra ao Ihorombe.
    • Atoa RAKOTOMALALA Jean Armand, dia voatendry ho Tale-paritra ao Itasy.
    • Atoa RANDRIANARIJAONA Rivo Roland, dia voatendry ho Tale-paritra ao Alaotra Mangoro.
    • Ramatoa RAVAOARISOA Emma Fideline, dia voatendry ho Tale-paritra ao Diana.
    • Atoa RANDRIANIRIANA Haja Aina, dia voatendry ho Tale-paritra ao Sava.
    • Atoa RAMBELO Nasandratra Andrianina, dia voatendry ho Tale-paritra ao Menabe.
    • Atoa RAJAONA Lalanirina Jean Luc, dia voatendry ho Tale-paritra ao Melaky.
    • Atoa JHULVER Philah Harinony, dia voatendry ho tale-paritra ao Androy.
    • Atoa RANDRIANTSARA Jean François Davidson, dia voatendry ho Tale-paritra ao Atsimo Andrefana.
    • Ramatoa RAPARSON SARAH Lila Ida, dia voatendry ho Secrétaire Exécutif ad interim ao amin’ny Fonds Routiers.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra:

    • Atoa RAKOTOARISOA Miadantsata Indriamanga, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy:

    • Atoa KAMI-CHANNE, dia voatendry ho Tale-paritra ao Analanjirofo.

    Araky ny tolo-kevitry ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena :

    • Colonel RANDRIANARIJAONA Herifidy Jocelyn, dia voatendry ho Talen’ny « Police Judiciaire. »
    • Colonel RANDRIAMAHARIVO Hery Lala, dia voatendry ho « Coordonnateur de l’Office chargé de la Lutte contre la Corruption et de Traitement des Doléances »
  • III – FANAFOANANA :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana:

    • Foana ny didim-panjakana mitondra ny laharana faha : 2015-1629 ny 09 desambra 2015 nanendry ny « Directeur de l’Administration Générale et Territoriale de la Région Atsinanana. »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo:

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha-2019-1487 ny 07 aogositra 2019 nanendry ny « Directeur des Études et de la Planification Énergétique. »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Foana ny didim-panjakana mitondra ny laharana faha°2019-324 ny 07 martsa 2019 nanendry ny « Directeur des Actions Communautaires. »
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2018-885 ny 26 jolay 2018 nanendry ny « Directeur de la Maison de la Culture » ao Mahajanga.
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2016-682 ny 08 jona 2016 nanendry ny « Directeur de la Maison de la Culture » ao Fenerive-Est.

 

 

Natao androany faha 26 Febroary 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana