FIADIDIANA NY REPOBLIKA


TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA- ALAROBIA 05 FEBROARY 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA:

    CSI: FAHAIZA-MITANTANA SY ADY AMIN’NY KOLIKOLY :

    Nomena andraikitra ny CSI hanatsara ny fandrafetana ny politika nasionalin’ny fahaizamintantana, sy ny fandrefesana ny zava-bita manoloana ny paikady nasionaly iadiana amin’ny kolikoly, ary ny fandrindrana izany hifanaraka amin’ny fahaiza-mitantana sy ady amin’ny kolikoly eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny rehetra dia antsoina hiara-hientana amin’ny fanatanterahana izany.

    FANAMBOARANA IREO LALAM-PIRENENA SY LALAM-PARITRA:

    “Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanamboarana sy fanarenana ireo lalam-pirenena sy lalana any amin’ny faritra simba vokatry ny rotsak’orana sy ny tondra-drano saingy mila mangataka fahazoan-dàlana eny anivon’ny fiadidiana ny governemanta sy ny repoblika ny antontantaratasy ho entina manao ny asa rehetra.”

    JIRAMA: ARAHA-MASO NY FIVIDIANAN-TSOLIKA

    “Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alalana farany nomena ny JIRAMA hividy solika mivantana tsy mandalo antso amin’ny tsenam-panjakana mandritra ny 2 volana mandrapahatongan’ny volana Aprily 2020. Hasiana fanarahana akaiky sy fitsirahana kosa ny fijerena ny vidin-tsolika ampiharina amin’izany sy ireo vidiny nampiharina hatrizay ialana amin’ny gaboraraka sy fitantanana lavitry ny kolikoly”.

    VATSIN’ANKOHONANA SY ASA AVOTRA MIRINDRA:

    Hotanterahana tsy ho ela ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fitsinjarana ny vatsin’ankohonana, sy fanomezana asa avotra mirindra mba ahafahan’ny fianakaviana mahatratra hatramin’ny 150.000 miaina ara-dàlana araka ny tetikasa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ao anatin’ny « Filets sociaux de sécurité » andiany faha 2. Napetraky ny Filoham-pirenena ihany koa nandritra ny Filankevitry ny Minisitra fa ny 26 febroary izao no mila entin’ny minisitra isan-tokony ny fandinihana ny volavolam-panitsiana ny tetibola ho amin’ny taona 2020 isaky ny minisitera mandritra ny Filankevitry ny Minisitra.

    FILANKEVITRY NY MINISITRA MANOKANA HOAN’NY TRABOINA :

    Taorian’ny Filankevitry ny Minisitra faobe dia nisy ny filankevitry ny minisitra manokana natrehan’ireo minisitra vitsivitsy voakasika mivantana manoloana ny traboina vokatry ny loza voajanahary.

    Tapaka tamin’izany fa mila mametraka drafitra manokana ary mazava sy haingana ireo minisitera voakasik’izany hiarovana sy hanampiana ireo mponina voakasik’ireo loza voajanahary, izay nahazoana famatsiam-bola manokana mitentina 15 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Izany no natao dia hanamafisana sy hanatsarana ny asa natomboky ny Filoham-pirenena sy ny Praminisitra nandritra ny fitsidihana ireo traboina ary hisorohana ny olana vokatry ny loza voajanahary.

    Isan’izany ireo asa maika sy maharitra toy ny fanarenana haingana ireo hopitaly, sekoly, ireo tanim-boly sy tanimbarin’ireo tantsaha, ny biby fiompin’ireo tantsaha, ny famatsian-drano fisotro madio ireo mponina traboina, ny fanamborana ireo làlana sy tetezana simba sy rava vokatry ny loza voajanahary, ary ny fanorenana trano sy toeram-ponenana ary famindrana ireo traboina mba hisorohana ny fahavoazana isan-taona. Ny zoma faha 07 ny volana febroary no hanomezan’ireo minisitra ny paikady sy drafitra ho enti-manatanteraka izany ao anatin’ny fotoana fohy, ka hisy noho izany ny Filankevitry ny Minisitra manokana ho an’ireo ministera voakasik’izany etsy amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohotra.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLANDALANA:

    Araky ny volavolana didim-panjakana naroson’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy dia:

    « Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana ahafahana manala amin’ny toerany ireo olona monina amin’ny toerana hanaovana fanajariana sy fanarenana hisorohana ny fahatondrahan’ny rano matetika rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra.

    Voakasik’izany ireto toerana ireto :

    • manemitra ny canal C3 ao amin’ny boriborintany faha-1, faha-4 ary faha-6;
    • manemitra ny reniranon’Ikopa sy Sisaony
    • ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Iarinarivo distrikan’Ambohidratrimo

    Tafiditra ao anatin’ity didim-panjakana ity koa ny manorina sy manajary toerana ho an’ireo olona horavaina trano hankao Soavimasoandro sy ny, hankao Andavamamba Anatihzao II ao anatin’ny kaominina an-drenivohitra Antananarivo.

  • III- FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony manaraka ireto:

    Araky ny tolo-kevitry ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta :

    • Ny Capitaine de Vaisseau RAZAFINDRAIBE Franck Aimé, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Centre de Fusion d’Informations Maritimes (CFIM) ».

 

Natao androany 5 febroary 2020,

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana