FIADIDIANA NY REPOBLIKA
TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA- ALAROBIA 29 JANOARY 2020

I- FAMPAHAFANTARANA :

 Napetraka sy nampahafantarina ireo minisitra vao nandray ny asany ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana sy ny fomba fiasa eo anivon’ny governemanta izay nanamafisan’ny Filoham-pirenena ny tanjona napetrany ao anaty IEM.

 Mila risi-po vaovao sy fandaminana vaovao isika, mba hisian’ny fahombiazana tsara kokoa ary hisy fiatraikany mivantana sy mivaingana any amin’ny vahoaka Malagasy ny asan’ny fitondram-panjakana hoy ny Filoha. « Tsarovy fa adidy lehibe no miandry antsika rehetra amin’ny fanavotana an’i Madagasikara ao anaty Fitiavan-tanindrazana izay filamatra mitondra ho amin’ny fandrosoana ».

 Ilaina ny fifanomezan-tanana sy ny firaisankina ary ny fikatsahana ny fampandrosoana an’i Madagasikara mba hamiratra ka ilaina ny fifandrimbonan’ny mpikambana rehetra ato anaty governemanta !

 Ny fifanaraham-piaraha-miasa izay efa nifametrahana no hitsarana anareo mpikambana ato anatin’ny governemanta ary hisy foana ny tomban’ezaka atao amin’ireo minisitra rehetra mpikambana ao anaty governemanta.

Ny famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana, tsy mitanila lavitry ny kolikoly

Ny fampiakarana ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly ary hampiakatra ny taham-pahalalan’ny ankizy mba tsy hiala an-daharana izy ireo. Fampiakarana ny taham-pahalalan’ny mpampianatra FRAM.

Fanamafisana sy fandrindrana ny fampianarana ara-kasa sy ny filan’ny tsenan’ny asa.

Tokony hatomboka avokoa ireo “barrages hydrauliques” rehetra.

Tokony ho voazara ara-potoana ny karaman’ireo mpampianatra sy ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra

Mila ampiakarina ny farim-pahaizan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite.

Mila atao ny fanamboarana sy fanatanterahana ireo oniversite manerana ny faritra araka ny efa napetraka. Mila arindra ny olana sy ny fiainan’ny mpampianatra sy mpianatra eny amin’ny oniversite.

Matoa natao mitokana ny minisitra lefitra misahana ny fanorenana tanana vaovao sy ny toeram-ponenana dia ilaina ny fanafainganana sy ny fandrindrana ny asa ho haingana kokoa ary mila vokatra mivaingana hoy ny teny napetraky ny Filoha.

Ilaina ny fandrindrana ny hopitaly sy ny fandraisana an-tanana ireo marary mba ho mendrika ny toeram-pitsaboana handraisana ny marary ary ho aingana sy manarapenitra ny fandraisana an-tananana sy ny fikarakarana ireo marary.

Nametrapetraka ny dinidinika sy ny fandaharanasa rehetra andrasana amin’ireo minisitra rehetra ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra.

Mila apetraka sy hamafisina ny fanaraha-maso ny sisin-tany manoloana ny fihanaky ny valanaretina avy any Chine ary hanamafy izany ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny minisiteran’ny fitaterana rahampitso manerana ireo seranana rehetra na seranatsambo na seranampiaramanidina.

Atomboka rahampitso ary faranana ny zoma no vitaina ny fifamindrampahefana eo amin’ireo minisitra teo aloha sy ireo vao niditra ary mila mandray andraikitra avy hatrany ireo minisitra rehetra mandrafitra ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Christian Ntsay.

Natao androany 29 janoary 2020
Ny Sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana