FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA - ALAROBIA 18 DESAMBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    RAHARAHA MIKASIKA NY PLANINA ENTI-MANANDRATRA AN’I MADAGASIKARA:

    Nitondra fanazavana ny ministera isan-tokony mikasika ny famatsiam-bola sy lamina entina manatanteraka ny planina enti-manandratra an’i Madagasikara.

    RAHARAHA MIKASIKA NY FITSINJOVANA IREO MARARIN’NY DREPANOCYTOSE :

    Ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka dia nanome alalana ny ONG LCDM SOLIMAD izay nanao fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny Faculté de Paris Saclay hahazo fanafoanana fandoavan’haba sy hetra amin’ny fampidirana ireo fitaovana entina mitsabo ny Drépanocytose ary ny fampianarana sy fanentanana manodidina ity soratraretina ity.

    RAHARAHA MIKASIKA NY FAMPISONDROTANA GRADE IREO POLISIM-PIRENENA :

    Nampahafantatra ny fanondrotana grady ireo corps des Inspecteurs Généraux, Contrôleurs Généraux, Commissaires Divisionnaires, Commissaires Principaux et Commissaires de Police ho amin’ny taona 2019 ny avy ao amin’ny ministeran’ny filaminana anatiny.

    RAHARAHA MIKASIKA NY KAOMININA AMBANIVOHITRA ANTSIRABE:

    Nitondra fampahafantarana ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy fa hafindra ho an’ny fanjakana ny « Domaine Forestier XXXVI » TN°1.118-P, ao Ankofafabe, Kaominina Antsoatany Antsirabe II amin’ny asa fanorenana toeram-ponenana ho an’ny rehetra.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLANDALANA:

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola:

    Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-dàlana mikasika ny làlana mifehy ny volavolan-teti-bola ho amin’ny taona 2020 rehefa avy nodinihan’ny antenimiera roa tonta mialoha ny hanolorana azy eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana.

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ireo ministera 03 tonta dia:

    Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny fitondrampanjakana amin’ny orinasa « State Procurement of Madagascar SA ».

  • III- FANENDRENA:

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo:

    • Atoa ANDRIAMANGA Vonjy, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy (JIRAMA)
  • IV – FANAFOANANA :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo :

    • Nofoanana ny didim-panjakana nanendry ny talen’ny fitantanam-bola sy ny fiahiana ny fananan’ny ministera.
    • Nofoanana ny didim-panjakana nanendry ny talen’ny seraseran’ny Ministera

Natao androany faha 18 desambra 2019

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana