FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 06 NOVAMBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Neken’ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena ny PEM

    Vonona ny hifanampy amintsika ny Banky Iraisam-pirenena ary hiroso tsy ho ela ny fifampidinihana eo amin’ireo famatsiam-bola isan-tokony iarahana amin’ity vondrona mpamatsy vola ity. Mahatratra 80 lavitrisa dolara ny vola ampiasain’ny Banky Iraisam-pirenena ka hisy ny anjara goavana ho an’i Madagasikara amin’izany satria neken’izy ireo ny drafi-pivoaran’i Madagasikara izay nozarain’ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola tany Washington farany teo nandritra ny fivoriambe natao tany.

    Naato ny tetikasa sy ny serasera manodidina ny Base Toliara fa mitohy ny fifampidinihana

    Noraisina ny fanapahan-kevitra nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny fampiantona avy hatrany ny asa rehetra sy ny fanehoan-kevitra ary ny fampiroboroboana ny tetikasan’ny Base Toliara manomboka izao, fa mitohy kosa ny dinika atao amin’ireo tompon’andraikitra ao anatin’io orinasa io. Noho ny olana miseho ateraky ny herisetra niseho sy ny tsy fifankazahoana eo amin’ny orinasa sy ny mponina any amin’ny toerana iasan’izy ireo, tsy mazava ny tombotsoan’ny Fanjakana malagasy rehefa tena nohalalinina ny ambaindain’ny fifanarahana voasonia tany aloha, tsy mazava ny fifanarahana voafaritra tany aloha ka tsy hita intsony izay tena tombom-barotra ho an’ny mponina sy ny fanjakana ary ny faritra ao anatin’izany. Ho fandrindrana ireo rehetra ireo no anton’ny fampiantoana ary hitohizan’ny fifampidihana eo amin’ny tompon’andraikitry ny orinasa sy ny fitondram-panjakana.

    Nankatoavina ny fananganana ny orinasa SPM hanafatra sy hitsinjara entana ho an’ny mponina

    Nankatoavina ny fananganana ny orinasa State Procurement of Madagascar, hisahana ny fanafarana sy fitsinjarana ireo entana tena ilain’ny mponina sy ireo entana iankinan’ny aim-bahoaka toy ny solika sy ireo entana miankina tanteraka amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Io no nantsagana dia noho ny fahatsapana fa mitarika fahasahiranana ho an’ny vahoaka ny fiankinandoha be loatra amin’ireo orinasa izay manararaotra eo amin’ny fitsinjarana sy fanafarana entana avy any ivelany ka mampidangana ny vidim-piainana izay mila tsy ho takatry ny ankamaroan’ny malagasy ka tsy mitarika ho amin’ny fandrosoana.

  • II- FANENDRENA

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola:

    • Atoa Henri Rabarijohn, dia voatendry ho Governoran’ny Banky foibe