FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY 06 Jona 2019

 

  • FAMPAHAFANTARANA

    « Omena enim-bolana ny ministera isan-tokony sy ireo eo amin’ny sehatry ny fikirakirana ny ara-bola hametraka lamina hahafahan’ireo mpiasam-panjakana any an-tany lavitra mandray ny tambin-karamany» :

    Tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra androany 06 Jona 2019, araka ny fampahafantarana nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika fa omena enim-bolana ireo eo anivon’ny ministera sy ireo mikirakira ny lamina ara-bola, hijery izay vahaolana matotra ahafahan’ireo mpiasam-panjakana an-tany lavitra mandray ny tambin-karamany. Tsara ny manamarika fa maro ireo mpiasam-panjakana antany lavitra tsy mandray ara-potoana ny karamany na voatery mandeha an-tongotra alavitra vao afaka mandray ny tambinkaraman’izy ireo, izay tsy azo ekena intsony fa tokony hasiana sy hametrahana lamina mazava hahafahan’izy ireo miaina tsara ara-dàlana sy misitraka ny valinasan’izy ireo. Isan’ny antony mahatonga ny kolikoly sy ny fahalovana eo anivon’ny fanatanterahana ny asam-panjakana ny famelana ireny mpiasam-panjakana ireny hoy ny Filoham-pirenena, koa isan’ny politika tsy maintsy hapetraka haingana ny fijerena sy ny fitsinjovana azy ireny ary hampazoto azy ireo hanatanteraka ny asa iandraiketany an-tany lavitra.

    « Ny halavan’ny sainam-pirenena dia tokony ho avo roa heny ny sakany » io no fampahafantarana nataon’ny avy ao amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao. Ka toy izao ny karazan-doko tokony ampiasaina mba tsy hisian’ny fiovaovan’ny loko amin’ny fanevam-pirenena : ho an’ireo saina atao amin’ny rindrina RAL no loko ampiasiana ka ny fotsy dia 9010 ny karazany, ny mena 3028 ary ny maintso 6037. Raha ho an’ireo saina vita amin’ny taratasy, na lamba na vy dia Pantone ny loko ampiasaina ka Cool grey 1 ny karazan’ny loko fotsy, 185C ny loko mena ary 355C ny loko maintso. Ireo no ekena fa loko tena maneho ny sainam-pirenena Malagasy ary tokony ampiasain’ny rehetra manomboka izao.

  • FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny ministeran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo dia nofoanana ny didim-pitondrana mametraka ny fifampiraharahana amin’ny orinasa mamokatra herinaratra any Nosy Be, faritr’i Diana ao anatin’ny faritan’Antsiranana; noho ny tsy fahatomombanan’ny asa sy ny famatsiana herinaratra any antoerana.
  • FANENDRENA

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fiarovam-pirenena

    • Général de Division RAZANAJAONA Mamy Alison, voatendry ho Tale misahana ny Matériels Techniques.
    • Général de Brigade RAMBININTSAOTRA Lanto NY-Aina, voatendry ho « Major de Garnison de la Place d’Antananarivo ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry Toekarena sy ny Fitantanam-bola :

    • Atoa RANDRIANARIVONY Daniel, voatendry ho Tale misahana ny Contrôle de Service Fait et du Suivi des Etablissements Publics
    • Atoa RAKOTOARIMANITRA Dieudonné Germain, vaotendry ho Tale misahana ny Fitantanana sy ny fanarahamaso ny « Personnel de l’Etat ».
    • Atoa RAMIANDRISOA Tiarinisaina Olivier, voatendry ho Tale misahana ny « Etudes et de Modélisation Economique ».
    • Atoa TSIENGENY Tovonkery Jocelyn, voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ny « Effectifs des Agents de l’Etat »
    • Atoa ANDRIANIRINA Serge William, voatendry ho Tale misahana ny Programmation des Ressources.
    • Atoa RAZAFINIMPIASA Mahandritiana Fenomanana, Voatendry ho Tale misahana ny fitantanan any Mpiasa.
    • Atoa RAKOTOMAHEFA Bruno Maurille, voatendry ho Tale misahana ny « Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure
    • Atoa RAJAOMANDROSO Herimalala, voatendry ho Tale misahana ny lamina fampitambaovao.
    • Atoa RANDRIANARIVELO Mamy Tojo Haritsimba, vaotendry ho Tale misahana ny « Recherche et du Contrôle Fiscal ».
    • Atoa ANDRIAMBOLOLONA Dera, voatendry ho mpandrindra ny « Cellule de Gestion des Projets ao amin’ny INSTAT.
    • Atoa RAMAKARARO Romaric Jean Luc, voatendry ho Tale misahana ny Fanofanana arakasa.
    • Atoa LAHINIRINA Vorihery Patricko, vaotendry ho Tale misahana ny lamina fampitam-baovao sy ny serasera ao amin’ny INSTAT.

    Noraisina ihany koa ny didim-panjakana manendry ireo mpikambana ao amin’ny Filankevim-pitondran’ny ARMP.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa ANDRIANIAINA Fanomezana voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Marovoay.
    • Ramatoa RAZAFINDRAKOTO Hajanirina, voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Prefektioran’Ambositra.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka :

    • Commissaire de Police de Première Classe RAVELOSON Jean Jacquinot, voatendry ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Vatovavy fitovinany.
    • Commissaire Principal de Police RAZAFINDRAZAKA Hector, voatendry ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Analamanga
    • Commissaire Divisionnaire de Police MARINJAHA Vavintafika Vololonandro, voatendry ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Atsimo Andrefana
    • Commissaire de Police de Première Classe RAFALIMANANA Alain Adonis, voatendry ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Bongolava
    • Commissaire Divisionnaire de Police RANOARISON Willy Martial, voatendry ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Androy.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry Fanajariana ny tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa Vaventy :

    • Atoa RANDRIAMAMPANDRY Cyrille, voatendry ho tale misahana ny « Etudes et Travaux Topographiques ».
    • Atoa RANDRIANARISON Fanomezantsoa, voatendry ho Tale misahana ny fandrindrana sy ny « Planification et de la Valorisation du Territoire Maritime ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Atoa RAKOTOARISON Léonce Victorien, voatendry ho Tale misahana ny teknolojian’ny fampahalalambaovao sy ny serasera

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry Fahasalamam-bahoaka :

    • Ramatoa ANDRIANARIMANANA Kocher Diavolana, voatendry ho Tale misahana ny Directeur « Centre Hospitalier Universitaire Professeur Zafison Gabriel » ao Androva Mahajanga du Ministère de la Santé Publique.
    • Ramatoa. RANAIVONDRAMBOLA Ando Tatiana, voatendry ho Tale misahana ny Centre Hospitalier d’Appareillage ao Antananarivo.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo :

    • Atoa RAKOTO Andriamihaja David, voatendry ho Tale misahana ny fitantanambola sy ny fananan’ny ministera.
    • Ramatoa RAMAROMANDRAY Dina Ravaka, voatendry ho Tale misahana ny raharaham-pitsarana.
    • Ramatoa RABEMILA-RAFARALAHISOA Andrin’Irina, voatendry ho Talen’ny serasera.
    • Atoa ZAKA Ruffin Raymond, voatendry ho tale-paritra ao Diana .
    • Atoa RATOVONIAINA Thierry Emmanuel, voatendry ho tale-paritra ao Sava
    • Ramatoa BE Katiuscia, voatendry ho tale-paritra ao Alaotra mangoro
    • Atoa RALAMBOSAMIMANANA Mamy Nirina, voatendry ho tale-paritra ao Analanjirofo
    • Atoa RATOVOSON Harisson John Fréderic, voatendry ho tale-paritra ao Atsinanana
    • Ramatoa RAZANAMALALA Soanaranina Véronique, voatendry ho tale-paritra ao Sofia
    • Atoa RAKOTOVAO Andrianjafimaharavo Tantelisoa, voatendry ho tale-paritra ao Amoron’i Mania
    • Ramatoa VAVIZARA Sylvie, voatendry ho tale-paritra ao Boeny
    • Ramatoa RAZAFIMAHATRATRA Dina Anjaraniaina, voatendry ho tale-paritra ao Itasy
    • Atoa RAKOTOARISOA Zafiarinjatovo, voatendry ho tale-paritra ao Bongolava.
    • Ramatoa RAMANANJATOVO Haingo Nadia, voatendry ho tale-paritra ao Melaky
    • Ramatoa ANDRIANAMBININA Nozara Estelle, voatendry ho tale-paritra ao Analamanga
    • Atoa RAFARALAHIMBOA Andriamihaja Christian Gabriel, voatendry ho taleparitra ao Vakinankaratra
    • Ramatoa RASOANIARIHELISOA Vonitsiry, voatendry ho tale-paritra ao Menabe
    • Atoa RAMAROKOTO Andriamifidiarivelo, voatendry ho tale-paritra ao Betsiboka
    • Ramatoa ANDRIANARIJAONA Riana, voatendry ho tale-paritra ao Haute Matsiatra
    • Ramatoa BAOARINEVA Larissa, voatendry ho tale-paritra ao Vatovavy fitovinany
    • Atoa RAMBOASALAMA Andrianirintsoa, voatendry ho tale-paritra ao Atsimo Atsinanana
    • Atoa ZAFIMAHATRATRA Arnaud Fidzérald, voatendry ho tale-paritra ao Ihorombe
    • Atoa RANDRIAMIARANTSOA Jean Claude Andrianambinina, voatendry ho taleparitra ao Anosy
    • Atoa RAZAFIMANDIMBY Julson Paul, voatendry ho tale-paritra ao Atsimo Andrefana
    • Atoa KOTOVAOARIVELO Jux Solinski, voatendry ho tale-paritra ao Androy.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famatarana ny toetr’andro :

    • Atoa RANDRIANARISON Nandrasanamahery Elvis, voatendry ho Sekretera Jeneraly
    • Ramatoa RAHARIVOLOLONA Maminirina Estel, voatendry ho tale misahana ny raharaham-pitsarana
    • Ramatoa ANDRIAMASINORO Bangomalala, voatendry ho Tale misahana ny « Normes et de la Qualité ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny asa, ny Fampanan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy :

    • Ramatoa RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, voatendry ho Tale Jeneralin’ny ONEF
    • Atoa RANDRIAMISATA Jocelyn, voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ny mpiasa
    • Ramatoa INGY Ange Simonia, voatendry ho Tale misahana ny « Appui à l’Insertion Professionnelle des Jeunes et des Sans Emplois »
    • Ramatoa RAHOLINANDRASANA Jeanne Fleurette, voatendry ho Talem-paritra ao Haute Matsiatra.
    • Atoa PASCAL, voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo Andrefana.
    • Ramatoa WALLGENE Manjarisoanirina Francia, voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo atsinanana.
    • Ramatoa FLORENT Soatiana Bety Leonne, voatendry ho Talem-paritra ao Atsinanana.
    • Atoa RAKOTONDRAVELO Andy Maminirina, voatendry ho Tale misahana ny « Réforme de la Fonction Publique ».
    • Atoa SOLO Paulin, voatendry ho Tale misahana ny asa sy ny « Promotion des Droits Fondamentaux »
    • Ramatoa RAKOTOARIMANANA Tina Soloarisoa, voatendry ho Tale misahana ny « Formation Continue et du Perfectionnement des Capacités »
    • Atoa RAKOTONDRAVONY Emmanuel, voatendry ho Tale misahana ny « Planification Stratégique, du Suivi et de l’Evaluation »
    • Atoa RAZAKARIA Maherisoa Haingolalaina, voatendry ho Tale misahana ny lamina fampitambaovao
    • Atoa RAKOTOARISOA Solomona Michel Andriarimanga, voatendry ho Tale misahana ny « Formation et du Perfectionnement des Agents de l’Etat »
    • Atoa RANANDROLAHY Tahiriniaina Judith, voatendry ho Tale misahana ny « Evaluation et de la promotion de l’Ethique »
    • Ramatoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana, voatendry ho Talem-paritra ao Analamanga.
    • Atoa RABARY Mamioelison Patrick, voatendry ho Talem-paritra ao Itasy.
    • Atoa RAJAONARY Heriniaina Jherry, voatendry ho Talem-paritra ao Analanjirofo
    • Ramatoa ANDRIANAMBOARINA Olierisoa Arlina Emma, voatendry ho Talemparitra ao Menabe .

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana aratsiantifika :

    • Atoa RAKOTOARISOA Tantely Heridina, voatendry ho Tale misahana ny « Appui à la Réforme de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche »
    • Ramatoa VOLAMPENO Nivohary Sylviane Maria, voatendry ho Tale misahana ny CIDST
    • Atoa MAMINIAINA Olivier Fridolin, voatendry ho Talen’ny IMVAVET
    • Atoa RAVELOMANANTSOA Solofonirina Dieudonné, voatendry ho Tale misahana ny « Bourses Nationales et Extérieures »
    • Atoa RAKOTOZAFY Rivo, voatendry ho Tale misahana ny « Accréditation et de l’Assurance Qualité »
    • Atoa Tantely Nirina RANDRIAMBOLOLONA, voatendry ho Tale misahana ny teknolojian’ny fampitam-baovao sy ny serasera.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa-tanana :

    • Atoa RARIVOJAONA Andrianirina Njara, voatendry ho Tale Jeneralin’ny varotra
    • Ramatoa NAMBOHOE VENON Yolandine, voatendry ho Tale teknika misahana « Autorité Nationale Chargée des Mesures Correctives Commerciales.
    • Ramatoa ZAFIARIVELO Marie Olga, voatendry ho talem-paritra ao Itasy.
    • Atoa RAMINDO Judicaël Flavien, voatendry ho talem-paritra ao Alaotra mangoro.
    • Atoa RAZAFINIMARO Jocelin Richard, voatendry ho talem-paritra ao Vakinakaratra.
    • Atoa RAKOTOSOLOFO Heriniaina Roland, voatendry ho talem-paritra ao Atsimo Andrefana.
    • Ramatoa FANJATIANA Patricia Romualdine, voatendry ho talem-paritra ao Atsimo Atsinanana.
    • Ramatoa ROBISON Haingo Harivelo, voatendry ho talem-paritra ao Menabe.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra :

    • Ramatoa ROBISOA Mirana Arilala, voatendry ho Tale misahana ny Centre National de Formation de Technicien Forestier (CNFTF).

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary Fampiroboroboana ny Haikajy mirindra :

    • Atoa RAMANANTOANINA Yvan, voatendry ho tale iraisam-paritra ao Analamanga.
    • Atoa RAMBOASALAMA Fabien Ranaivoson, voatendry ho Tale misahana ny serasera

    Noraisina ihany koa ny didim-panjakana manendry ireo mpikambana ao amin’ny ARTEC.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Mponina ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny vehivavy :

    • Atoa RAHARINAIVOSON Hoby Nilaina, voatendry ho tale misahana ny « Sécurisation Sociale de la Population »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena :

    • Atoa ANDRIAMAMPIONONA Lalaina Njato Harinoro, voatendry ho Talem-paritra ao Analamanga
    • Atoa RANDRANTO Rija, voatendry ho Talem-paritra ao Vakinankaratra
    • Ramatoa RALANTOARISOA Nini Pâquerette, voatendry ho Talem-paritra ao Bongolava
    • Ramatoa RATSIMBAZAFY Hanitriniainaharilala, voatendry ho Talem-paritra ao Itasy
    • Atoa ANDRIAMANARIVO Franklin, voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo Andrefana
    • Atoa KAMAMY Fleurys Magloire, voatendry ho Talem-paritra ao Menabe
    • Atoa RANDRIANJANAKA Emile Charles, voatendry ho Talem-paritra ao Androy
    • Atoa TSIRENJY Divalson, voatendry ho Talem-paritra ao Anosy
    • Atoa ANDRIANJOHANY ARILANDY Aivoniaina, voatendry ho Talem-paritra ao Haute Matsiatra
    • Atoa RAKOTO Andrianjafindramasy Fidisoa, voatendry ho Talem-paritra ao Amoron’i Mania
    • Atoa HERY Mahatratritsara, voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo Atsinanana
    • Atoa ANDRIAMAHITAVOLA Maherison Jules, voatendry ho Talem-paritra ao Vatovavy Fitovinany
    • Atoa RAKOTOARISENA Serge Samuel, voatendry ho Talem-paritra ao Ihorombe
    • Atoa ANDRIANIAINA Tiavina Arnaud, voatendry ho Talem-paritra ao Faritra Alaotra Mangoro
    • Atoa RAKOTOARIMANANA Ravakamahefanarivo, voatendry ho Talem-paritra ao Analanjirofo
    • Atoa TABAHETRAKY Robson, voatendry ho Talem-paritra ao Melaky
    • Atoa FANEVA Herilaza Ramanampamonjy, voatendry ho Talem-paritra ao Betsiboka
    • Atoa RAKOTONIRINA Riva, voatendry ho Talem-paritra ao Boeny
    • Atoa RASOLOFO Helison Herilanto, voatendry ho Talem-paritra ao Faritra
    • Atoa RAMANANA Jean, voatendry ho Talem-paritra ao Diana
    • Atoa TILAHISANGA Jean Orelien, voatendry ho Talem-paritra ao Sava
    • Ramatoa DODO Hernolla Vlydius, voatendry ho Tale misahana ny Centre Régional de la Jeunesse et des Sports (CRJS) ao Toamasina
    • Atoa RAMILISON Ursula Charles Hugues, voatendry ho Talem-paritra ao Atsinanana
    • Atoa JOSSO TIANA Tahiriniaina Angelos, voatendry ho Tale misahana ny « Entreprenariat et des Emplois des Jeunes (DEEJ)
    • Ramatoa ZARINAH Adeline Harinandrianina, voatendry ho Tale misahana ny « Préparation de la Relève Sportive (DPRS) »
    • Atoa ANDRIAMALAZAVOLA Gaël Jacques, voatendry ho Tale misahana ny « Sport-Santé et Développement (DSSD) »
    • Ramatoa JOELISON Voahirana Herimanana, née RAFIONONANTSOA, voatendry ho seketrera maharitry ny « Comité Interministériel de la Jeunesse (SP/CIMJ) »
    • Atoa RATOAVINIRINA Ramaroson, voatendry ho Tale misahana ny « Centre National du Sport Etude (CNSE)
    • Atoa RABARINALA Thierry Andriantsoa, voatendry ho Tale misahana ny Institut National de la Jeunesse (INJ) ao Carion
    • Atoa ANDRIAMIHAJA Michel Philippe, voatendry ho Tale misahana ny « Ressources et du Développement (DRD/ANS) ao amin’ny Académie Nationale des Sports.
    • Atoa EZOTONDRAZA Fanoela Emilson Solomon, voatendry ho Tale misahana ny « Recherche et Partenariats (DRP/ANS) ao amin’ny Académie Nationale des Sports.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Tiana Lalaina, voatendry ho Tale misahana ny « Sauvegarde et de la Capitalisation du Patrimoine »
    • Atoa RAKOTONDRASOA Tseheno, voatendry ho Tale misahana ny « Fonds LOVAKO « Loharano Otrika vola An’ny Kolontsaina »
    • Atoa RAKOTONDRABE Niry Marie Michel, voatendry ho Tale Jeneralin’ny Office National des Arts et de la Culture (OFNAC)
    • Ramatoa ANDRIAMIRADO Nony Tiana, voatendry ho « Conservateur de l’Office du Site Culturel d’Ambohimanga Rova (OSCAR) » .
    • Ramatoa LIVANANDRASANA RAZAFINDRAMARO SEHENOARIVONY, voatendry ho talen’ny Radio Nasionaly Malagasy ao anatin’ny ORTM.
    • Atoa RAKOTOARISOA Jean Paul, voatendry ho Talen’ny « Infrastructures Techniques » ao amin’ny ORTM.
    • Atoa RENE Julio, voatendry ho Tale-paritra ao Alaotra Mangoro
    • Atoa REHAVA Angéluc, voatendry ho Tale-paritra ao Analamanga
    • Atoa NDIAMAHAZO Imbinizafinirigny Mickaelys, voatendry ho Tale-paritra ao Analanjirofo
    • Atoa KALIMAHAZO Mahazoto Razanatolo, voatendry ho Tale-paritra ao Androy
    • Atoa KARDAS Senèque Zandritsivery, voatendry ho Tale-paritra ao Anosy
    • Ramatoa VOLOLONIAINA Aniella Elisabelle, voatendry ho Tale-paritra ao Atsinanana
    • Ramatoa LINASY Jean Evelyne, voatendry ho Tale-paritra ao Betsiboka
    • Atoa RASOLOMALALA Heri-Lanto Luciano, voatendry ho Tale-paritra ao Bongolava
    • Atoa WILLISON Bristowe, voatendry ho Tale-paritra ao Diana
    • Atoa RAFANOMEZANTSOANANTENAINA Emile Hervé, voatendry ho Taleparitra ao Ihorombe
    • Atoa RANDRIANASOLO Sahalaniaina, voatendry ho Tale-paritra ao Itasy
    • Atoa RASOLONIRAINY Haritiana, voatendry ho Tale-paritra ao Haute matsiatra
    • Atoa NDREMITSIRY Tsirinony, voatendry ho Tale-paritra ao Sava
    • Atoa RASOLOFOSON Emile voatendry ho Tale-paritra ao Sofia
    • Atoa GEORGES HARINAVALONA Randriampeno, voatendry ho Tale-paritra ao Vakinankaratra
    • Atoa ANDRIARIMANANA Njatovoherimamy Perlin, voatendry ho Tale-paritra ao Vatovavy Fitovinany
    • Atoa RATOVOSON De Bronze, voatendry ho Tale-paritra ao Boeny
    • Atoa ANDRIANARIJAONA Herizo Victor, voatendry ho Talen’ny Televizionina Malagasy ao anatin’ny ORTM.
    • Atoa ARNO RAMAROLAHY Safidy Iombonana, voatendry ho Tale miandraikitra ny « Régulation des Médias » .
  • FANAFOANANA

    Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ireto fanafoanana manaraka ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka :

    • Foana ny didim-pitondrana manendry ny Tale-paritany miandraikitra ny filaminambahoaka rehetra.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny jono :

    • Foana ny didim-pitondrana manendry ny tale-paritra ao Amoron’i Mania.

    Araky ny tolo-kevitry ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo :

    • Foana ny didim-pitondrana nanendry ny Tale misahana ny Etudes et de la Réglementation .

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana maharitra :

    • Foana ny didim-pitondrana nanendrena ny « Coordonnateurs » sy ny « Directeurs Centraux » rehetra eo anivon’ny minisitera.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Foana ny didim-pitondrana nanendrena ny Tale misahana ny fitantanam-bola teo anivon’ny ORTM

 

Natao androany faha 06 Jona 2019

Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana