FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY 22 Mey 2019, TAO ANTSIRANANA

  • FAMPAHAFANTARANA :

    « Nampitomboina 56 miliara ny tetibola ho famatsiana rano fisotro madio ary olona miisa 1,5 tapitrisa no hahazo izany amin’ny faran’ny taona»

    Tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra androany 22 mey 2019, izay filankevitry ny minisitra voalohany ivelan’Antananarivo, araka ny fampahafantarana nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika fa olona miisa 1.500.000 no hahazo rano fisotro madio mialoha ny faran’ny taona 2019 ary vola mitentina 56 tapitrisa ariary no tetibola entina amin’izany. Hahazo ny tombony amin’izany amin’ny alalan’ny fanorenana « stations de captage na forage » ho an’ny faritra atsimo, avaratra ary atsimo atsinanan’ny faritanin’Antananarivo ; fanarenana ny tohodrano eo amin’ny PK7 ary fanoloana sy fanamafisana ny pompe ao Ambodimanga ho an’ny faritanin’i Toamasina, fanorenana tobim-pamokarana rano madio mamokatra 3600m3 isan’andro, fampitomboana ny fanampiana rano DN400 manodidina ny 25km ary ny fanadiovana ny rano ho an’ny faritanin’i Mahajanga, fanamboarana sy fanorenana toeram-panokarana rano voadio 500m3, fametrahana groupes életrogènes 630KVA ho an’i Toamasina. Fametrahana lavadrano hahafahana mamokatra rano 6000m3 isan’andro ary fanoloana ireo fantsona fitsinjaran-drano ho an’ny faritan’i Toliara. Distrika 16 no ho voakasik’ity tetikasam-pamantsiana rano fisotro madio ity toy ny any Mitsinjo, Ambalavao, Ambanja, Ambato-Boeny, Ambatolampy, Ambilobe, Antalaha, Belo sur Tsiribihina, Mahabo, Mahanoro, Mananjary, Marovoay, Moramanga, Nosy Be, Sainte Marie ary Vohémar.

    Mbola mitombo ny asa fanentanana ireo mpamatsy vola amin’ny fijerena manokana ny famatsiam-bola mikasika ny famatsiana rano fisotro madio izay mbola ny 13,53% ny malagasy no misitraka azy ankehitriny .

    Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena dia nampahafantatra ny filankevitry ny minisitra fa hisy ny dinika nasionaly hatao eto Antananarivo ny 5 sy 6 Jona ho avy izao mikasika ny fitaovam-piadina simika, biolojika ary nokleary araka ny résolution 1540/2004 avy tamin’ny Vondrona Iraisampirenena (Nations Unies).

  • FANDRAISANA HITSIVOLANA

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Fiadidiana ny Repoblika dia noraisina ny volavolan-dàlana didy hitsivolana mikasika ny fomba fanomezana ny mariboninahim-panjakana sy ny rafitra mandrafitra ny sampana manome sy mandinika ireo marim-pankasitrahana rehetra. Lalàna no hametra sy hamaritra ny fanomezana ireo mari-boninahitra sy ny filankevitry ny Ordre Nationale Malagasy.

    Araka ny volavolan-kevitra naroson’ny Ministeran’ny Atitany dia noraisina ny didy hitsivolana manova ny andininy sasany ao amin’ny lalàna laharana 2015-007 ny 03 Martsa 2015 mikasika ny fiasan’ny antenimieran-doholona sy ny fomba fifidianana sy ny fanendrena ireo loholon’i Madagasikara.

  • FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Ministeran’ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo dia nankatoavina ny didy hitsivolana mikasika ny famatsiam-bola mitentina 150 tapitrisa dolara avy amin’ny banky iraisampirenena entina mampiroborobo ny herinaratra azo avo amin’ny angovo azo havaozina (tetikasa LEAD).

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa Vaventy, dia nankatoavina ny didim-panjakana mamaritra ny toerana ilain’ny fanjakana etsy amin’ny kaominina Ivato ditsrikan’Ambohidratrimo, toerana izay hanorenana ireo toeram-ponenana vaovao.

  • FANENDRENA :

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena:

    • Général de Brigade RANDRIAMIARAMANANA Hery Emma René, no Tale misahana ny « Usine Militaire Moramanga »
    • Général de Brigade JOASITERA Rolando Rakotomavo, no Tale misahana ny Office Militaire des Sports et de la Culture

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana:

    • Atoa. RAKOTOVELO Thierry Aubin, no voatendry ho Chef de District ao Betioky-Sud.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry Fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy :

    • Rtoa. RAKOTOBE Soloariseheno Odonette, no voatendry ho Directeur des Etudes ao amin’ny ININFRA.
    • Atoa. RAZAKASOA Jaona Herimiadana, no voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ara-bola ao amin’ny ININFRA.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena:

    • Atoa. RAKOTOARISOA Mamy Herizo, no vaotendry ho Tale misahana ny fitantanana ara-bola

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry Fahasalamam-bahoaka

    • Atoa. RABENIRINA Mamitiana Pierre, voatendry ho Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka ao amin’ny faritra Vakinankaratra
    • Atoa. RANDRIATSIZAFY Ramakilahy Fenosoa, voatendry ho Talemparitry ny Fahasalam-bahoaka ao faritra Bongolava
    • Atoa. RAZAFIMANDIMBY Jacki, voatendry ho Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka ao faritra Matsiatra Ambony
    • Atoa. RANDRIANIRINA Joël, voatendry ho Talem-paritry ny Fahasalambahoaka ao faritra Ihorombe
    • Rtoa. YASMINE Lethicia Lydia, voatendry ho Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka ao faritra Diana
    • Atoa. RAJAONARISON Tolojanahary, voatendry ho Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka ao faritra Betsiboka.

Natao androany faha 22 Mey 2019,

Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana