FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISTRA NATAO NY 17 APRILY 2019

  • FAMPAHAFANTARANA

    Fandaminana ara-drafi-pisainana ny fitantanana ny mpiasam-panjakana (rationnalisation de la gestion des ressources humaines de l’État)

     Ankehitriny, dia voalaza fa miisa 215.629 ny mpiasam-panjakana, na ny ECD na ny efa tena mpiasam-panjakana raikitra. Handaniana 2.432,21 miliara ariary ny karaman’izy ireo, ka 2.407,20 miliara ariary ny karaman’ny mpiasam-panjakana raikitra ary 25,01 miliara ariary kosa ireo ECD ao anatin’ny taona iray. Eo amin’ny 28,6% ny tetibolam-panjakana dia natokana ho an’ny karama avokoa.

    Manan-jo hisitraka asam-panjakana mendrika sy manana kalitao ambony ny vahoaka, indrindra ireo mpampiasa raharaham-panjakana.

    Nametraka araka izany ny fitondram-panjakana fa mila politika ara-drafi-pisainana matotra sy mahomby ny fampiasana ny mpiasam-panjakana mba tsy hiteraka fandanindaniam-poana ny volam-panjakana.

    Efa misy ny logiciel antsoina hoe « AUGURE » (application unique pour la gestion uniforme des ressources humaines de l’Etat) ary tokony hampiasaina araka ny tokony ho izy amin’nhy fitantanana mahomby ny mpiasam-panjakana mba hahafantarana ny tena isan’ny mpiasam-panjakana marina, ahafahana mametraka vinavina mialoha ny fomba hitantanana ny asa, ny fahaiza-manao ary ny drafitra handaminana ny asam-panjakana (gestion prévisionnelle).

    Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika fa :

    • Tsy maintsy ampiasan’ny ministera rehetra io logiciel AUGURE io, mba hahalalan’izy ireo ny isan’ny mpiasam-panjakana miasa ao anatin’ny minisitera tsirairay avy.
    • Apetraka ny fanadihadiana ara-kalitao hijerena ny fifanojoan’ny asa misy amin’ny toetra amam-pahaizan’ny mpiasam-panjakana tsirairay avy, ahafahana mamaritra ny fanofanana tokony ilain’izy ireo sy hisian’ny fitsinjarana isam-paritra sy isaky ny minisitera ireo mpiasam-panjakana rehetra.
    • Atao ho laharam-pahamehana ny hanaovana fandraisana mpiasam-panjakana vaovao eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana, fitsarana, fampianarana, fandriam-pahalemana ary ireo sampan’asa mpanao fanaraha-maso tahaka ny fitsarana « cour des comptes » sy ny « Inspection générale d’État ».
    • Tsy maintsy tapahan’ny filankevitry ny ministra ny fandraisana mpiasampanjakana vaovao rehetra, ny isany sy ny andraikitra hosahaniny avy.
    • Tsy hisy intsony ihany koa ny fanaovana « remplacement numérique ». Raha misy toerana banga any anatin’ny asam-panjakana noho ny fisotroan-dronono na ny fahafatesana ohatra, dia tsy maintsy fitadiavana mpiasa ampahibemaso « appel à candidature » no handraisana izay ho solony.

    Ny tanjon’ireo fepetra ireo dia ny mba hanaovana fitsitsiana mba ho azo ampiasaina amin’ny fandaharan’asa laharam-pahamehana misy fiantraikany bebe kokoa amin’ny fiainam-bahoaka ny volam-panjakana.

    Ho fanatanterahana ireo rehetra ireo dia tapaka fa :

    • Ho raisina ao anatin’ny fotoana fohy ny didim-panjakana mametraka ny fomba fampiasana amin’ny endriny vaovao ny logiciel « AUGURE ».
    • Hirosoana ny fanisana ireo tena mpiasam-panjakana marina na ny ECD, na ny EFA na ny tena efa mpiasam-panjakana raikitra ka rahefa izany dia ajanona izay mpiasa hita fa tsy ilaina.

    Ireo tale na tompon’andraikitra rehetra misahana ny fitantanana ny mpiasa, na eny anivon’ny minisitera foibe izany na any amin’ny faritra, na ireo any anivon’ny andrim-panjakana samihafa sy ireo orinasam-panjakana rehetra dia hiara-hiasa akaiky amin’ny minisiteran’ny asam-panjakana amin’ny fomba fitantanana sy fikirakirana ny ambaratongan’asan’ny mpiasam-panjakana (plan de carrière des ressources humaines de l’Etat).

    Tokony ho foana manomboka eo hoy filoham-pirenena ny gaboraraka sy ny kiantranoatrano amin’ny asam-panjakana, tsy tokony hisy intsony izany hoe mandoa vola dia tafiditra mpiasam-panjakana, na havana na fianakaviana tompon’andraikitra ambony dia tafiditra mpiasam-panjakana, na koa hoe mpiasam-panjakana tsy miasa akory nefa mandray karama tsy tapaka, na ny mpiasam-panjakana matotoa. Ny mpiasam-panjakana dia manana adidy hanaiky izay toerana hanendrena azy na aiza na aiza manerana ny Nosy, ka mametra-pialana na esorina izy raha sanatria mandà ny famindran-toerana azy.

    Omena iray volana ny minisitera tsirairay avy sy ireo andrim-panjakana na orinasampanjakana rehetra hanatanteraka ny fampiasana ny AUGURE sy hampanaja ireo fepetra rehetra notapahin’ny filan-kevitry ny minisitra ireo.

  • FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araka ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeramponenana ary ny asa vaventy : dia noraisina ny Didy hitsivolana mikasika ny vakoky ny lalana (ordonnance relative au patrimoine routier)

    Natao hanasokajiana ireo karazana lalana sy lalabe migodana (autoroutes) misy na hisy eto amin’ny firenena ity didy hitsivolana ity ary natao koa hamaritana ny fepetra mifandraika amin’ny fanamboarana, ny fanajariana, ny fanarenana, ny fikojakojana ary ny fitantanana ny lalana rehetra.

    Misy sokajy telo ny vakoky ny lalana :

    • Ny lalam-pirenena
    • Ny lalam-paritra
    • Ary ny lalana any amin’ny kaominina, na andrenivohitra na ambanivohitra

    Araka ny volavolankevitra naroson’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina :

    Didy hitsivolana manafoana ny lalàna laharana faha-2017-011 tamin’ny 26 jolay 2017 mikasika ny politikam-pirenen’ny sarimihetsika sy ny sary miaina (ordonnance abrogeant la loi n°2017-011 du 26 juillet 2017 portant politique nationale du cinéma et de l’image animée).Ny lalàna laharana faha-2018-037 mikasika ny fotokevitra mifehy ny orinasam-panjakana na sampan-draharaham-panjakana (loi n°2018-037 fixant les principes régissant les établissements publics) dia milaza mazava fa didm-panjakana (décret) fa tsy lalàna (loi) no hamaritana ny fananganana sampan-draharaham-panjakana tahaka ny OMACI na ny ofisy malagasy momba ny sarimihetsika sy ny sary miaina. Ilay lalàna lf. 2017-011 anefa dia manangana ny OMACI, ary natao lalàna avokoa ny teboka rehetra tokony hapetraka amin’ny alalan’ny didim-panjakana (domaine règlementaire). Manery araka izany io lalàna lf. 2018-037 io ny tokony hamerenana ny fananganana sampan-draharaham-panjakana amin’ny alalan’ny didim-panjakana.

    Nandritra ny fakan-kevitra nataon’ny minisitera dia fantatra fa maro an’isa amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika no tsy afa-po ary tsy nankasitraka io lalàna io, satria tsy mba nakan-kevitra izy ireo tamin’ny fandrafetana. Ka noho izany dia hanao fakankevitra mivelatra amin’ireo mpisehatra rehetra tsy ankanavaka ny ministera mba ho ny hevitry ny maro an’isa no hotanterahana.

  • FANENDRENA:

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fiarovampirenena :

    • Rtoa Razanarivony Mialisoa voatendry ho tale misahana ny raharaha araky ny lalàna (Directeur des affaires juridiques).

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Atoa Rakotozafy François voatendry ho mpandrindra ny fanaraha-maso ny sampampitsarana sy ny fonja (coordonnateur des juridictions et des établissements pénitentiaires).
    • Atoa Rakotoarison Ranaivo Frédéric voatendry ho tale misahana ny rindran-damina informatika sy ny serasera (directeur des systèmes d’information et de la communication).
    • Rtoa Rakotomalala Nadia Volatiana voatendry ho talen’ny fandinihana sy ny fanavaozana ny lalàna (directeur des études et des réformes législatives).
    • Atoa Razafindrabe Roland Rakotovao voatendry ho tale misahana ny mpiasa (directeur des ressources humaines).
    • Atoa Rakotoarison Laiza Maharo voatendry ho tale misahana ny raharam-pitsarana (directeur des affaires judiciaires).
    • Atoa Ramarolahihaingonirainy Anthony voatendry ho tale jeneralin’ny Sekoly ambony manofana ho mpitsara (Directeur général de l’Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes).

    Araky ny tolokevitry Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola :

    • Atoa Lainkana Zafivanona Ernest voatendry ho tale jeneralin’ny fadin-tseranana (directeur général des douanes)

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa Randriamanjarisoa Robert voatendry ho préfet ao Maevatanana
    • Atoa Ramanankirahina Falihery voatendry ho préfet ao Miarinarivo
    • Atoa Narison Roch Léopold voatendry ho préfet ao Antsohihy

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa vaventy :

    • Atoa Razafindrakotohary Tiana Richard voatendry ho talen’ny fanohanana ny fitantanana itsinjaram-pahefana ny fananan-tany (directeur d’appui à la gestion foncière décentralisée).
    • Rtoa Haingonavalona Danielle, voatendry ho mpandrindra ny sampana fandrindrana sy fanarahana ny fanaovana ny fananan-tany (coordonnateur de l’Unité de Coordination et de Suivi de la Réforme foncière).
    • Rtoa Andriamanjara Domoina voatendry ho talen’ny famakafakana sy ny fandinihana ny mety ho avy (directeur des analyse et prospectives).
    • Atoa Randrianirina Haja Aina voatendry ho talem-paritra any SAVA.
    • Atoa Ratovondrainy Léonard voatendry ho talem-paritra any Ihorombe
    • Atoa Andrianirina Harifidy voatendry ho talen’ny fanaraha-maso ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany (directeur de l’Observatoire de l’Aménagement du territoire et du foncier).

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka :

    • Atoa Ranaivoson Andriamasomanana Harifetra voatendry ho tale jeneralin’ny loharanon-karena (directeur général des ressources)
    • Rtoa Randriamahavorisoa Gilberte voatendry ho talen’ny hopitalim-paritra sy distrika (directeur des hôpitaux des régions et des districts).
    • Rtoa Rabesata Juste Yolande voatendry ho talen’ny sampam-panofanana arak’asa mifamatotra amin’ny fitsaboana (Institut de formation des paramédicaux).

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono :

    • Atoa Ravohitra Donatien voatendry ho talem-paritra any Sofia.
    • Atoa Lezoma Tsiry Andriamahatola voatendry ho talem-paritra any Bongolava.
    • Rtoa Bodonirina Helvire Odette Michel voatendry ho talem-paritra any Matsiatra Ambony
    • Atoa Tovositrakasoamahafaly Jean Parfait voatendry ho talem-paritra any Ihorombe.
    • Atoa Mananjo Robert Helmo voatendry ho talem-paritra any Androy
    • Rtoa Razafindrantoanina Volatiana voatendry ho talem-paritra eto Analamanga.
    • Atoa Rodilson Vahiny Victor Angelo voatendry ho talem-paritra any DIANA.
    • Atoa Ranaivoson Blériot voatendry ho talem-paritra SAVA.
    • Atoa Solo Noé René voatendry ho talem-paritra any Atsinanana.
    • Rtoa Ramananjanahary Harivony Blandine voatendry ho talen’ny misahana ny famokarana zava-maniry (directeur d’appui à la production végétale).
    • Rtoa Rafalimanana Fanja Oliva voatendry ho talen’ny « Génie Rural ».
    • Atoa Randriambola Tiana voatendry ho tale misahana ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny jono (directeur de la gestion et du développement de la pêche).
    • Atoa Rambolarimanana Herintahina voatendry ho talen’ny famolavolana soritrasa, fanaraha-maso ary fanaovana tombana (directeur de la planfication, suivi et évaluation).

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Harena Ankibon’ny Tany sy ny Loharanonkarena Stratejika :

    • Atoa Ramanohison Hary voatendry ho talen’ny fandinihana sy fampiroboroboana ny haiatin-tany sy ny harena ankibon’ny tany (directeur des études et de la promotion géologiques et minières).
    • Atoa Rakotobe Solonomenjanahary voatendry ho talen’ny rindran-damina informatika sy ny fitantanana ny rehana fototra (directeur des systèmes d’information et de la gestion des données).
    • Rtoa. Razanatsimba Miharana Fabiola voatendry ho talen’ny fampiroboroboana sy fampandrosoana ny loharanon-karena stratejika (directeur de la promotion et du développement des ressources stratégiques).

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny AsamPanjakana ary ny Lalàna sosialy :

    • Atoa Razafimamonjy Laza Rabary voatendry ho sekretera jeneraly.
    • Rtoa Rabodonavalona Anjavolanirina Fenosoa Ravaka voatendry ho talen’ny fandinihana sy ny raharaha araky ny lalàna (directeur des études et des affaires juridiques).
    •  

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana ara-tsiansa :

    • Rtoa Fanjanarivo Symonette Pascaline voatendry ho tale jeneralin’ny tranoben’ny fifandraisana eny amin’ny Oniversite (Directeur général de la Maison de la Communication des Universités).

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra :

    • Atoa Ampialahy Laurent voatendry ho tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (Directeur général de l’Office National pour l’Environnement).
    • Atoa Rakotovololonalimanana Herizo voatendry ho tale jeneralin’ny tontolo iainana sy ny ala (directeur général de l’environnement et des forêts).
    • Atoa Ratoandromanana Lucien voatendry ho talen’ny ady amin’ny kolikoly sy ny raharaha araky ny lalàna (directeur de la lutte contre la corruption et des affaires juridiques).
    • Rtoa Ravelomanana Lovakanto Njaran’ny Fo voatendry ho talen’ny Birao nasionaly misahana ny fanarahana ny fiovaovan’ny toetrandro, ny « carbone » ary ny fampihenana ny entona noho ny faharipahana sy ny fahasimban’ny ala (directeur du Bureau National des Changements Climatiques, du carbone et de la Réduction des émissions dues à la déforestation et à la dégradation des forêts).
    • Atoa Picot Ranaivoson Stevene voatendry ho talen’ny fitantanana ny mpiasa (directeur des ressources humaines).
    • Atoa Razafinjato Herisoa voatendry ho talen’ny serasera sy ny lamina fampitambaovao.
    •  

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny mponina sy ny Fiarovana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy :

    • Atoa Randriamanantena Jean Blaise voatendry ho talem-paritra eto Analamanga.

     

  • FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireo didim-panjakana :

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Fitsarana:

    • Foana ny fanendrena ny talen’ny rindran-damina informatika (directeur du système d’information).
    • Foana ny fanendrena ny talen’ny serasera (directeur de la communication).
    • Foana ny fanendrena ny talen’ny fandinihana (directeur des études).
    • Foana ny fanendrena ny talen’ny fanavaozana ny lalàna (directeur des réformes législatives).

    Araky ny tolokevitry ny Ministry ny Asa, ny Fampanan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana Sosialy :

    • Foana ny fanendrena ny talen’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe (directeur de la communication et des relations publiques).
    • Foana ny fanendrena ny talen’ny fanavaozana ny raharaham-panjakana (directeur de la réforme des services publics).
    • Foana ny fanendrena ny talen’ny fampandrosoana ny fiaraha-miasa sy ny famadihana ho informatika ny fitantanan-draharaham-panjakana (directeur du développement du partenariat et de l’informatisation de l’administration).
    • Foana ny fanendrena ny talen’ny fandrindrana ny tetikasa sy ny fanaraha-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana (directeur de la coordination des projets et du contrôle administratif).

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra :

    • Foana ny fanendrena ireo talem-paritra eo anivon’ny minisitera.

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny paositra, fifandraisan-davitra ary ny fampandrosoana ny haitao ara-kajy mirindra :

    • Foana ny fanendrena ireo tale isaky ny vondrom-paritra miisa enina (06) (directeurs inter-régionaux).