FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPITAM-BAOVAO

Mitohy ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo manerana ny Faritra

Mitohy hatrany ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo ho an'ireo tokantrano traboina manerana ny Faritra taorian'ny fandalovan'ireo rivo-doza nifanesy. Ny 26 febroary lasa teo dia notanterahina tao amin'ny Tranompokonolona Ranomafana ny fizarana ny Vatsy Tsinjo ho an'ny kaominin'i Ranomafana- Distrikan’Ifanadiana. Tokantrano traboina avy amin'ny fokontan'i Vohimarina, Sahandrazana, Ampasipotsy, no nisitraka izany.

Nitohy ihany koa izany tao amin'ny Distrikan'i Toliara II - Faritra Atsimo Andrefana. Tao amin'ny kaominin'i Betsinjaka (fokontan'i Betela sy Betsinjaka Ambony) sy Ankililoaka ( Fokontany Ambondro, Ankiliabo, Ambararatafaly, Ampandrohosy Tanambao, Ankililoaka I sy II) no nisitraka izany.

Tao amin'ny distrikan'i Vohibato - Faritra Matsiatra Ambony kosa dia fokontany enina tao amin'ny kaominina Vohimarina no nozaraina ireto fanampiana avy amin'ny Fitondram-panjakana dia ny Fokontan'i Soaindrana, Talata Ampano, Maneva, Vohimarina, Lamosina ary Ihazoara.

Ho an'ny Distrikan’i Mananjary Faritra VATOVAVY dia nozaraina Vatsy Tsinjo ihany koa ireo tokantrano tao amin'ny Fokontany Ambonaramena, Ankadirano, Mahatsinjo, Anosinakoho, Fangato ary Andovosira.

Tao amin'ny Lapan'ny Vahoaka kosa no nananterahana ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo ho an'ny Distrikan’i Ifanadiana Faritra Vatovavy. Nisitraka izany ireo fokontany Sahafitonoka, Ambodirafia, Maromena, Fenoarivo I, Ambodiara, Andranofolahina, Ifanadiana, Amboraka, Antafotenina

Tao amin'ny tranompokonolona Commune Ihazoara no notontosaina ny fizarana Vatsy Tsinjo (tapany fahatelo farany) tao amin'ny District Vohibato - Faritra Matsiatra Ambony ny 28 febroary 2022. Mbola tao amin’io Faritra io ihany, saingy taomin’ny Kaominina Andoharanomaintso, distrikan’Isandra dia miisa 88 ireo mpampianatra “ENF non subventionnés” no notolorana Vatsy Tsinjo.

Nitohy ihany koa ny fizarana ireo fanampiana avy amin'ny Fitondram-panjakana tao Mananjary - Faritra Vatovavy. Nisitraka izany ireo tokantrano avy amin'ny Fokontany Ambatolambo, Marofinaritra, Tanambao, Analanjavidy, Masindrano ary Ampasimandrorona.

Ho an'ny Faritra Analamanga dia nitohy tao amin'ny ANS Ampefiloha ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo avy amin'ny Fitondram-panjakana ho an'ireo tokantrano traboina miisa 1346 ao amin'ny Boriboritany faha-efatra, Fokontany Angarangarana. Ho an'ny boriboritany faha-enina kosa dia tokantrano miisa 1398 avy amin'ny Fokontany Ankazomanga Atsimo sy Andranomena no nisitraka ireo Vatsy Tsinjo.

Ny Departemantan’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny daholobe

28-02-2022