FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPITAM-BAOVAO

Fanokanana fotodrafitrasa maro tao amin'ny Faritra Vatovavy: "Mikendry ny Fampandrosoana lovain-jafy"

Mbola nitohy androany 8 oktobra 2021 tao Mananjary ny fitsidihana sy ny fanokanan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA an'ireo fotodrafitrasa sy tetikasa nataony velirano tao Mananjary. Tamin'ity andro faharoa ity dia niroso tamin'ny fanokanana ny EPP Fangato, ny Filoha, ary koa ny "Bureau des Affaires Miniers", ary ny fanolorana ny boky mirakitra ny fiandohan'ny Malagasy.

Isan’ireo CISCO misitraka ny EPP Manara-penitra ihany koa i Mananjary nanomboka androany. Rehefa najoro ny volana janoary 2021 ny vato fototry ny EPP Fangato dia vita tanteraka ary notokanan'ny Filoha Andry RAJOELINA izany ankehitriny. Hanana efitrano fianarana mendrika sy fanabeazana sahaza azy ny zanak’i Mananjary manomboka izao. 395 ny isan'ny ankizy mpianatra ao ankehitriny, raha toa ka 360 izany tamin'ny taon-dasa. Araka izany dia hita fa tena niakatra tokoa ny tahan'ny ankizy niditra an-tsekoly. Midika izany fa matoky ny fanabeazana sy ny fampianarana eny anivon'ny sekolim-panjakana ny ray aman-drenin'ny ankizy mpianatra malagasy, hoy hatrany ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena SAHONDRARILMALALA Marie Michelle. 141 no isan'ny sekoly Manara-penitra vitan'ny Fitondram-panjakana tarihan'ny Filoha Andry RAJOELINA manerana ny Nosy. 360 kosa ny eo an-dalam-pahavitana, ary 303 kosa no hapetraka amin'ity taona 2021 ity. Eo ihany koa ny fizarana ireo fizarana "kits scolaires” , ny rakibolana, ny boky fianarana an-tapitrisa. Hisitraka an'izany avokoa ny Faritra rehetra, hoy ny Filoha. Ankoatra ny fanatsarana ny toeram-pianarana, dia ho hatsaraina ihany koa kalitaon'ny fampianarana, ka tafiditra ao anatin'izany ny fampidirana an'ireo mpampianatra ho mpiasampanjakana raikitra. Ka izany indrindra no nahatonga ny fizarana fifanarahana arak’asa na "contrat de travail" ho an'ireo mpampinatra tao Mananjary androany, niaraka tamin'ny fahazoana "numéro matricule" ihany koa izany. 147 araka izany, ny isan'ny mpampianatra nahazo fifanarahana arak’asa androany tao Mananjary.

Ho fanatrarana ny vina fitantanana mahomby sy mangarahara ny harena an-kibon’ny tany dia notontosaina androany tao Mananjary ihany koa, tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Harena ankibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika ny fametrahana ny biraom-pitantanandraharan’ny Harena an-kibon’ny tany na ny « Bureau d’Administration Minière ». Ny fametrahana izao fotodrafitrasa izao dia hisy fiantraikany goavana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ary hanamora ny fitantanana izany rafitra izany eny ifotony, ary manakaiky vahoaka mba hisian’ny fampandrosoana isam-paritra sy ho an’ny firenena. Nandritra ny fitokanana ny Biraom-pitantanana misahana ny Harena an-kibon'ny tany tao Mananjary, dia nilaza ny Praiminisitra Ntsay Christian fa manan-karena eo am'izany sehatry izany ny Faritra Vatovavy, kanefa mbola ambany ny tahan'ny harena mivoaka voarakitra eo anivon'ny Fitondram-panjakana mikasika ny fandraharahana eo amin'izany sehatry izay, indrindra momba ny volamena sy ny vatosoa isan-karazany. Olana hatramin'izay ny tsy fananana birao misahana ny fandraharahana ny tontolon'ny harena an-kibon'ny tany. Ny Filoha RAJOELINA kosa dia nanamafy fa manan-karena harena an-kibon'ny tany tokoa ny Faritra Vatovavy, ary i Madagasikara manontolo, kanefa mbola betsaka ny kolikoly sy ny fanondranana an-tsokosoko izay fomba fijery sy fitantanana vaovao mba ho tombontsoan'ny Faritra mpamokatra. Mila fehezina ary mila fitantanana mahomby sy mangarahara ny harena an-kibon'ny tany, hoy ny Filoha RAJOELINA, izany indrindra no antony nametrahana ny Birao vaovao, satria mila apetraka ny lamina sy ny rafitra ara-dalàna, mba hisitrahan'ny vahoaka sy ny Faritra rehetra manerana an'i Madagasikara. Izany dia tafiditra ao anatin'ny Vina mitsinjo lavitra sy ny Fanjakana tsara tantana.

Nampahafantarina amin’ny fomba ofisialy androany tao Mananjary ihany koa ny boky mirakitra ny Tantaran'ny fiandohan'ny Malagasy. Zava-dehibe loatra amin'ny firenena iray ny fahafantarany ny tantarany sy ny kolontsainy. Madagasikara ihany koa dia manana ny tantarany izay mirakitra ny maha-izy azy. “Zava-dehibe tokoa izany fahafantarana ny tantara niandohantsika Malagasy izany, satria rehefa mahalala tsara ny niaviantsika isika dia hazava tsara amintsika ihany koa hoe ho aiza marina moa isika sy ny tanjontsika” hoy ny Filoha Andry RAJOELINA.

Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana 08-10-2021