FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPITAM-BAOVAO

Tonga eto Madagasikara ny vary mora : « Mendrika ny tsara indrindra ny    malagasy »

Tonga eto amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny vary mora 16500 taonina izay haparitaka amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Tanteraka ny fampanantenana nataon’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny hanomezana vary amin’ny vidiny mirary ho an’ireo vahoaka malagasy izay mila izany. Tonga nandray ireo vary ireo ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nanolotra izany ho an’ny vahoakan’i Toamasina izay voalohany hisitraka izany, androany alahady 17 martsa 2019. Nasiany tsindrim-peo manokana fa vary tsara kalitao ireo hatolotry ny fitondram-panjakana ireo na dia amidy amin’ny vidiny tena mora aza. Hanomboka amin’ny herinandro ho avy izao ny fitsinjarana azy ireo amin’ny fokontany rehetra manerana ny lafivalon’ny nosy, ho an’ny vahoaka malagasy iray manontolo.

Voalohany izao no nihaonan’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny vahoakan’i Toamasina hatramin’ny nahalany azy ho filoham-pirenena. Tamin’izany no nanambarany fa tokony hiverina amin’ny toerana tokony hisy azy i Madagasikara ary voaporofo izany tamin’ireo dia sy fihaonana lehibe natrehany tany ivelany farany teo.  Natsidiny tamin’ny vahoaka teny an-toerana fa taorian’ny fihaonany tamin’ny filoha keniana Uhuru Kenyatta, dia hisy ny fihaonana an-tampony miaraka amin’i Kenya, Mozambika, Seychelles ary Maorisy, izay ho atao eto Madagasikara hiresahana ny fiarovana ny moron-tsiraka sy ny haren-dranomasina hitambarantsika amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana.

« Vahoaka akaiky ny foko ny vahoakan’i Toamasina ary mendrika ny hahazo fotodrafitrasa manara-penitra ianareo »hoy ny filoha Andry Rajoelina. Nambarany tamin’ny lahateny izay nataony, fa hanombokatsy ho ela ny fanamboarana ny kianjan’ny Barikadimy sy ny kianja monisipaly izay ho afaka handray lalao iraisam-pirenena ary nohamafisiny fa ho vitaina hatramin’ny volana jona 2020 ny asa fanamboarana ho an’ny kianjan’ny Barikadimy. Nomarihiny ihany koa fa mpanao mari-trano « architecte » malagasy sy orinasa vahiny no hiarahiasa hanatanteraka ireo tetikasa ireo. Raha nitsidika ny kianja monisipaly ny filoham-pirenena dia nilaza fa hamboarina ho kianja mitafo manara-penitra ny toerana ho solon’ny kianja Soavita izay tsy mendrika ny vahoakan’i Toamasina intsony. Ankoatra izay dia mbola maro ireo fotodrafitrasa nampanantenain’ny filoha Andry Rajoelina ny vahoakan’i   Toamasina indrindra amin’ny maha renivohitra ara toe-karena azy. « Hanomboka afaka iray volana sy tapany ny fanamboarana ny « autoroute » miainga eto  Toamasina mipàka amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’Antananarivo ary tsy ho ela dia hatomboka ihany koa ny« autoroute » hampitohy an’Antsiranana sy Toliara » hoy ihany ny filoham-pirenena. Mandritra ny fandalovany ao Toamasina dia ho jeren’ny filoha Andry Rajoelina ny hametrahana ireo tetikasa maro toy ny fanadiovana ny tanàna, ny hametrahana ireo trano mora ary ny fanamboarana ny moron-dranomasina ho manara-penitra toy ny any ivelany.

Fiadidiana ny seraseran’ny repoblika

17 martsa 2019