REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA
  20 Octobre 2025 - Lapam-panjakana Iavoloha

Fanendrena an'Andriamatoa Herintsalama RAJAONARIVELO ho Praiministra lehiben'ny Governemanta

Ao anatin'ny fanorenana an'i Madagasikara, araka ny voalazan'ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny didim-panjakana laharana faha 2025-1101 tamin'ny 20 Oktobra 2025 manendry an'Andriamatoa Herintsalama RAJAONARIVELO, ho Praiministra lehiben'ny Governemanta araka ny tolo-kevitr'ireo solombavambahoakan'i Madagasikara.

Maro ny antony nisafidianana azy hoy ny Filoham-panjakana. Ankoatran'ny fahaizany dia olona manana traikefa sy fahalalana lalina amin’ny sehatra ara-toekarena, ara-barotra ary amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny Praiministra vaovao.

  18 Octobre 2025 - Ambohimanambola

Fidinana ifotony teny amin'ny Toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola

Teny amin'ny Toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola androany 18 oktobra no nanatanterahin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara #PRRM ny fidinana ifotony voalohany.

Tao anatin'izany no nijerena akaiky, niaraka tamin'ireo solontenan'ny tanora, ny olana fototra mahakasika ny famokarana herinaratra.

Betsaka ny olana hita nandritry ny fitsidihana, misy ireo afaka vahana ao anatin'ny fohy ezaka, ao ihany koa ireo mila fotoana, fa ho ezahina jerena ny ahafahana mamaha izany, hoy ny filoham-panjakana Kolonely Michaël RANDRIANIRINA.