TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 06 Marsa 2024, Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-06 Marsa 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Mitohy ny fampahafantarana ny fandaharanasa maika, ao anatin’ny fanatanterahana ny 100 andro voalohany nitondran’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy nametrahana ny Governemanta, dia ny tomban’ezaka efa vita sy ny asa mbola miandry ao anatin’izay 100 andro izay.

    Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa ankoatran’ny fampandehanana ny asa andavanandro, ny ezaka atao ao anatin’ny 100 andro dia tokony ahitana tetikasa goavana sy miavaka izay hahazoana vokatra azo tsapain-tanana, mipàka any amin’ny fiainam-bahoaka sy any amin’ny fandaharanasan’ny minisitera tsirairay.

    Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany :

    mitsinjara 3 lehibe ny lamin’asa tsy maintsy tanterahina maika :

    • Fampanaraham-penitra ny fitrandrahana volamena atao tanana : Kendrena ho mpitrandraka madinika hatrany amin’ny 5.000 no tafiditra ao anatin’ny sehatra manara-penitra ka mba hahamora ny fanisana ireo mpitrandraka ireo dia hapetraka ny fifehezana isaky ny faritra itrandrahan’izy ireo avy (zone d’encadrement) ka kendrena ho 91 isa ireo “zones d’encadrement” tafapetraka ireo ao anatin’ny 100 andro.

    • Fanomezan-danja ny sehatry ny volamena amin’ny alalan’ny fametrahana fanadiovana volamena (raffinerie aurifère nationale) : fanaovana ny fanadihadiana mialohan’ny fananganana ny “raffinerie” no tena hotontosaina ao anatin’ny 100 andro. Etsy ankilany dia hampidirina ao anatin’ny “comptoirs de l’or” manara-penitra koa ireo mpanangona volamena (collecteurs) sy mpanivana volamena (orpailleurs). Kendrena ho 2.500 isa ny mpanivana volamena ary 60 ireo mpanangona ho tafiditra ao anatin’ny “comptoirs” efa nahazo fankatoavan’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fananganana azy. Farany dia kendrena ho 500 kg ny volamena aondrana amin’ny fomba ara-dalàna ao anatin’ny 100 andro ka misy famerenam-bola araka ny tokony ho izy eto Madagasikara mba ho hita mazava ny vola miditra ho an’ny firenena. Hatreto anefa aloha dia misedra olana izay sehatry ny fanondranana izay noho ny fahasarotan’ny fanangonana volamena eny ifotony, satria lafo be ny vidin’ny volamena eny amin’ireo mpanivana ankehitriny, mbola lafo noho ny vidin’ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Vokatr’izany dia mbola mila ezaka mafy manokana ny fiaraha-mientan’ny tompon’andraikim-panjakana rehetra voakasika mba hanatrarana ny tanjona.

    • - Fanatsarana ny fahaiza-mitantana eo amin’ny sehatry ny volamena sy ady amin’ny trafikana volamena : kendrena ho toeram-pitrandrahana volamena tsy ara-dalàna miisa 20 no fantatra ka tokony irosoana ny fandravana azy sy fanajanonana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Eo koa ny fametrahana fiaraha-miasa matotra eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny Minisitera, indrindra eo amin’ny fivoahana mankany ivelany. Hatreto koa, dia mila ezaka manokana ny famerenana ny vola avy any ivelany (rapatriement de devises) avy amin’ireo efa nahazo fankatoavana hanondrana tamin’ny volana Septambra 2023.

      Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba omena roa volana ireo mpanondrana efa nomena fankatoavana (agrément) nanangana “comptoir” hanaja ny fanekena nosoniaviny tamin’ny fanomezana azy izany fankatoavana izany, dia ny fanajana ny lanjana volamena aondrana mifanaraka amin’izay voasoratra ao anaty fankatoavana, sy ny tsy maintsy hampodiana ny vola eto Madagasikara aorian’ny fanondranana. Tokony mahavita manondrana farafahakeliny 15% ny totalin’ny lanja nanomezana fankatoavana azy, ireo mpanondrana volamena efa nahazo izany ary manao ny famerenam-bola mifanaraka amin’izany. Raha tsy vita ireo ao anatin’izay 2 volana izay, dia tsy maintsy hotsoahina amin’izy ireo ny fankatoavana efa nomena.

    Minisiteran’ny Fitsarana :

    • Famerenana ireo voafonja eo amin’ny anivon’ny fiarahamonina rehefa avy manefa sazy izy ireo : vehivavy voafonja miisa 300 no kendrena ho voaofana arak’asa ao anatin’ny 100 andro, ka hatreto dia efa 224 no nahazo fiofanana amina sehatr’asa isan-karazany toy ny zaitra, ny fandrahoana sakafo, ny asa tanana sy ny sisa. Izany dia iaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny tetikasa « Fanarenana ». Eo koa ny fanatsarana ny fepetra famonjana ireo zaza mbola tsy ampy taona, ny fanatsarana ny fitsaboana eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ka nanomezana dokotera manokana hiasa eny amin’ity toeram-pamonjana ity, ny fanatsarana ny sakafo hohanin’ireo voafonja ka nanaovana ny tetikasa fambolena ataon’ireo voafonja ihany, ka izay zavatra vokarin’izy ireo ihany no hohaniny, mba ho ara-pahasalamana. Velaran-tany mirefy 534,30 hektara no efa voavoly hatreto amina toerana voatokana (camps pénaux) miisa 8 manerana an’i Madagasikara. Misy fitsinjovana manokana ihany koa ireo voafonja manana olana tsy fanjarian-tsakafo, ka voafonja tsy ampy sakafo miisa 525 no efa nanaovana fandraisana an-tanana manokana, ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka ihany.

      Ho an’ny fitantanan-draharahan’ny fonja dia nanome toromarika manokana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny hanafainganana ny fampiofanana ireo voafonja mba hahafahan’izy ireo mahaleo tena sy mivelona rehefa nahavita ny saziny ka hiverina eo anivon’ny fiaraha-monina. Toraka izay ihany ihany koa ny tokony hanafainganana ireo vokatra azo avy amin’ireo « camps pénaux » mba hahafahan’ireo fonja mahazo tombontsoa amin’ireo toerana voatokana ireo

    • Mikasika ny fitokanana fotodrafitrasa : dia efa misy tribonaly ambaratonga voalohany miisa 3 vonona azo tokanana dia ny eny Antananarivo Avaradrano, any Sambava ary any belo-Tsiribihina. Fonja manara-penitra miisa 3 ihany koa no efa vonona azo tokanana, dia ny any Antananarivo avaradrano, Fenoarivo Atsinanana ary Belo Tsiribihina. 

    • Nanao fanentanana manokana mikasika ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ihany koa ny Minisitera, ka mpianatra miisa 17.809 miparitaka amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana miisa 26 manerana an’i Madagasikara.

    • Mikasika ny ady amin’ny kolikoly dia nametrahana “caméras de surveillance” ireo tribonaly mba hijerena ireo mpanelanelana na “rabatteur” eny anivon’ny fitsarana samihafa ireny, napetraka ihany koa ny « carnets de suivi des dossiers » ahafahan’ny olom-pirenena manana raharaham-pitsarana na mikarakara taratasy eny anivon’ny fitsarana, ka tribonaly 07 no efa nametrahana izany eny anivon’ny sampan’ny mpiraki-draharaha (greffes). Miisa 2.500 ireo « carnets de suivi de dossiers » mitsinjara amin’ny tobim-pitsarana miisa 4 no efa voatsinjara hatreto. Fandraisana ny fitarainan’ny olona mikasika ny mety ho trangana kolikoly eo amin’ny fitsarana sy ny fonja. Ao anatin’ny 100 andro dia kendrena ho fitarainana miisa 70 no ho voakirakira ka handraisana fepetra raha voamarina ny trangana kolikoly anton’ny fitarainana. Efa mipetraka rahateo ankehitriny ny rindran-baiko ahafahana manao fitarainana antsoina hoe « fitsarana, valio ny tarainako » www.fitsarana-valio-tarainako.mg). Nanome toromarika amin’ny fanaovana fitsidihana tampoka ireo fonja manerana an’i Madagasikara ihany koa ny Filan-kevitry ny Minisitra mba hijerena izay tsy fanarahan-dalàna mitranga vokatry ny kolikoly any anatin’ireny toeram-pamonjana ireny.

    • Mikasika ny fampiharana ny lalàna famaizana ireo fanolanana feno habibiana atao amin’ny zaza tsy ampy taona, nankasitrahan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika manokana ny ezaka natao nahatratrarana haingana ilay tovolahy nahavanon-doza nanolana ilay zazavavy kely 6 taona teny Imerintsiatosika ary namporisika manokana izy ny tokony haha-hentitra ny fanarahan-dalàna ao anatin’ny fanasaziana ny olona voaheloka. Manamafy ny tsy maintsy hamongorana amin’ny fomba rehetra ity fanolanana atao amin’ny zaza tsy ampy taona ity manerana ny Nosy Andriamatoa Filoha.

    Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena

    Fitsinjarana ireo fitaovana any an-tsekoly no tena laharam-pahamehana :

    • Kendrena ho dabilio miisa 12.000 no ho voatsinjara amin’ireo sekoly samihafa manerana an’i Madagasikara,
    • Kendrena ho « tablettes » miisa 2.500 no ho voatsinjara amin’ireo sekoly manara-penitra samihafa. Mikasika ny aron’akanjo izay hozaraina amin’ny mpianatra dia kendrena hahatratra 659.000 isa no hotsinjaraina ho an’ny mpianatra taona voalohany na T1, ary ny vehivavy malagasy ihany no hanjaitra azy ireo araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika. Efa voafaritra mazava ny dingana samihafa tokony hatao amin’izany, araka ny fiaraha-miasa amin’ny fandaharanasa Fihariana sy ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa.
    • Misy koa ny fanamboarana ireo tafona sekoly simban’ny rivodoza, ka kendrena ho tafo miisa 3.726 sy andrihazo tohana tafo miisa 1.000 no ho voatsinjara amin’ireo sekoly hisitraka izany. 
    • Torolanana miisa 23.000 ho an’ny mpampianatra amin’ny taona faharoa na T2 ho an’ny taranja kajy sy malagasy no kendrena ho voatsinjara manerana ny Nosy.
    • Mpianatra miisa 1.769.450 no hisitraka kahie (96 pejy, 48 pejy, 32 pejy kahie fianarana manoratra ary 32 pejy kahie fanaovana sary) no ho voatsinjara.
    • Sekoly miisa 1129 no hisitraka sakafo na “cantines scolaires”, mitsinjara amina EPP, CEG ary Lycée efa voafaritra.
    • Sekoly manara-penitra miisa 65 izay efa voatsangana no kendrena hampiodinina, amin’ny alalan’ny fampitaovana sy fanomezana fitaovana ara-informatika.
    • Sekoly manaram-penitra vaovao miisa 23 izay hahitana efitrano 2 isanisany no kendrena ho vita, efa nanomboka tamin’ny taona lasa tamin’ny ampahany izy ireo.

    MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hetsika sy ny tetiandro entina manamarika ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan’ny 29 marsa 1947, ho an’ity taona 2024 ity. Ho fanomezan-danja ny maha-Malagasy, sy fampahafantarana ny tantaran’ny tolom-panafahana amin’ny alalan’ny fampirantiana samihafa ary fankasitrahana ireo mpiady tia tanindrazana akanga sisa nanamboarana no tena votoatin’ny hetsika manerana ny faritra 24.

    Hiavaka kosa ny eto Antananarivo, Moramanga ary Manakara.

    Ny zoma 15 Marsa 2024 no hanomboka ny fanamarihana amin’ny alalan’ny valandresaka ataon’ny komity teknika mpanomana ny hetsika, ny zoma 22 marsa 2024 kosa no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny hetsika amin’ny fampirantiana ao amin’ny Fitaleavan'ny Mpiady Tia Tanindrazana Analakely sy ao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera eny Anosy. Manomboka ny 25 Marsa 2024 kosa dia hitety sekoly ny fampirantiana eto Antananarivo sy ny manodidina.

    Ny 23 marsa dia hisy ny fotoam-pivavahana eny amin’ny fiangonana advantista Soamanandrariny, ary ny 24 marsa dia fotoam-pivavahana iraisam-pinoana FFKM eo amin’ny Katedraly FJKM Analakely.

    Ny Zoma 29 marsa no tena ivon’ny fahatsiarovana amin’ny alalan’ny fametrahana fehezam-boninkazo sy fampiroboroboana ny afo tsy maty, fa ho an’i Moramanga manokana dia hisy ny fitokanana ny trano ho an’ny mpiady tia tanindrazana na “maison de retraite” izay efa toromarika nomen’Andriamatoa Filoha manokana. Hisy ny fizahana ara-pahasalamana ho an’ny beantitra ao amin’io toerana io, mba ho fanohanana azy ireo, izay hatao isam-bolana rahateo ihany koa.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny fanetsehana ny singa antsoina hoe “contingence pour la réponse aux urgences - CERC” ao anatin’ny tetikasa « Connecter Madagascar pour une croissance inclusive - PCMCI » iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena mba hanatanterahana ny asa maika ho fanamboarana ny RN4 sy ny RN6 sy ny fanamboarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Manoloana ny vanim-potoanan’ny orana ankehitriny dia ahitana fahasimbana betsaka ireo lalam-pirenena ireo, izany no antony nanaovana fifampiraharahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena mba hanetsehana ireo singa anatin’ny tetikasa PCMCI ireo, hanaovana ireo asa maika tsy maintsy hatao.

    Ny fampandehanana ity singa CERC ity, izay hiarahana amin'ny Banky Iraisam-pirenena dia hiantoka ireo asa maika fanajariana ireo lalana, ny fanamboarana sy fametrahana fotodrafitrasa mitentina 60 tapitrisa dolara.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana manokana hampiasana vola tsy manaraka ny tahan’ny fandaniana na “taux de regulation” ampiharina amin’ny fandaniam-bolam-panjakana amin’ity telo volana voalohany ity, ho an’ny fanomanana ireo atleta malagasy handray anjara amin’ny lalao afrikana 2024. Hotanterahina ny 08 ka hatramin’ny 25 marsa 2024 ho avy izao any Accra, Ghana ireo lalao afrikana ireo. Ankoatra izay, dia misy lalao iraisam-pirenena maromaro hafa koa, handraisan’i Madagasikara anjara ka ilaina tetibola manokana ny fiomanana aminy, dia hanomezana alalana manokana amin’ny fampiasambolam-panjakana koa tsy manaraka ny “taux de regulation” ho an’ny telo volana voalohany. 25% moa ny taha faritan’ny lalàna mifehy ny fandaniam-bolam-panjakana taona 2024, ka mba ho fanampiana manokana ireo mpanao fanatanjahan-tena araka ny laharam-pahamehana efa napetran’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia omena alalana manokana ny Minisitera amin’ny fanomanana ireo lalao iraisam-pirenena samihafa ireo mba hampiasa taha 50%.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fampiroboroboana ny toekarena miodina eo amin’ny sehatry ny lamba sy ny akanjo amin’ny fitantanana maharitra ny akora simika sy ny fako (ID FEM 10543) » iarahan’i Lesotho, Madagasikara ary Afrika Atsimo. Ny tahirimbola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fonds pour l’Enivronnement Mondial-FEM) sy ny Sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny indostria na ONUDI no mamatsy vola tanteraka io tetikasa io, ka hirosoana amin’ny fifanaraha-panatanterahana miaraka amin’ireo firenena 2 hafa voakasika.

    Ny fampihenana ireo fako mandoto tontolo iainana sy akora simika avy amin’ny lamba, ary ny fampiroboroboana ny tamberin’andraikitr’ireo orinasa (RSE) no iompanan’ny tetikasa. Faritra 2 ho antsika eto Madagasikara no hanatanterahana ny tetikasa dia Analamanga sy Vakinankaratra. Hanazatra ity tetikasa ity, amin'ny fampiharana ireo fomba fanao tsara sy fanarahana ireo fenitra sy lasitra iraisam-pirenena.

  • II. FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY ATITANY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny minisitra ny didim-panjakana nanova ny didimpanjakana n°2015-593 tamin’ny 1 aprily 2015 ary manangana ny distrikan’Antanimora Sud, sarahina amin’ny distrikan’Ambovombe, ho an’ny faritra Androy. Izay dia novana tamin’ny didim-panjakana n°2021-891 tamin’ny 8 septambra 2021.

    Ny fanadihadiana ataon'ny minisitera momba ireo fangatahana fananganana Distrika vaovao dia mifototra amin'ny fepetra ara-jeografika toy ny fahalaviran'ny toerana sy fitokana-monina, ary eo ihany ihany koa ny fepetra momba ny fitovian'ny ara-toekarena, sosialy ary kolontsaina. Marihina fa ny fananganana Distrika vaovao dia vokatry ny fangatahana avy amin’ny vondrom-piarahamonina, manam-pahefana ary tompon’andraikitra eny ifotony toy ireo Olobe, ireo parlemantera sy ireo ben'ny tanàna.

    Raha tsiahivina noho ireo fangatahana maro ireo dia efa nampanantenain’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika tamin’ny fampielezan-kevitra izay nataony teny ifotony fony izy mbola kandida ho filoha farany teo ity fanomezana Distrika vaovao an’Antanimora Atsimo ity.

    Manomboka izao araka izany dia ireo avy ny kaominina mandrafitra ny distrikan’Ambovombe : Ambovombe, Ambanisarika, Ambazoa, Ambohimalaza, Ambonaivo, Ambondro, Analamary, Anjeky Ankilira, Erada, Maroalimainty, Maroalipoty, Sihanamaro, Tsimanada. Ho an’ny distrikan’Antanimora Atsimo kosa dia ireto ny kaominina handrafitra azy manomboka izao : Antanimora Atsimo, Ampamata, Andalatanosy, Imanombo, Jafaro, Marovato Befeno, Andragnanivo, ary Andoharano.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy manampy ireo andininy sasantsasany amin'ny didim-panjakana n°2015-0667 tamin'ny 14 Aprily 2015 momba ny fananganana, fandaminana ary fampandehanana ireo Centres Hospitaliers Universitaires na CHU.

    Izany dia mba hampifanarahana azy amin’ny lalàna 2018-037 tamin’ny 08 Febroary 2019 mifehy ny sampan-draharaham-panjakana « Etablissements Publics Nationaux ». ny fanovàna ny firafitry ny filan-kevim-pitantanana ny CHU, ny anjara andraikitry ny Tale mpitantana azy ireny, ny firafiny (organigramme), ary ny fomba fandaniam-bola eny anivon’izy ireny no nasiam-panamboarana mba hanatsarana ny fomba fitantanana. Ao anatin’izany ny fanomezana alalana manokana ny hopitaly CHU hanana « régie de recette » sy “régie d’avance » mba hahafaingana kokoa ny fiodinan’ireny hopitaly ireny, ho an’ny tombontsoan’ireo vahoaka mitsabo tena eny.

    Nanao fanamarihana ny Filohan’ ny Repoblika fa faralahy foana hatrizay ny Hopitaly Miaramila eo Soavinandriana, nefa dia tena hita fa mamonjy aina maro dia maro ka hisy ny fijerena azy io manokana miaraka amin’ny Fiadidina ny Repoblika sy ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena izay miandraikitra tanteraka ny fampandehanana ny Hopitaly.

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABEMANANJARA Harifera Elisa, ho Tale Jeneralin'ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHAJARIZAFY Lanto, ho Tale Jeneralin'ny "Partenariat au Développement et de la Diaspora"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa NERIKY Misizara Alicia, ho Talen’ny "Promotion du Partenariat pour le Développement".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMORASATA Holisoa Sylviana, ho "Directeur des Relations Bilatérales".

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHARISON Jaona Andrianantenaina, ho "Directeur de l’Audit Interne"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIANTSIFERANA Kanto Vaniah, ho "Directeur de la Logistique et du Patrimoine"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOZAFY Miheja, ho "Directeur de l’Evaluation, des Suivis et Contrôles"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2023- 031 tamin'ny 11 janoary 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Guy Emmanuel, ho "Directeur de l’Observatoire du Territoire"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2022- 1221 tamin'ny 17 aogositra 2022 ary manendry an'Andriamatoa MAHAZOASY Mevazara Roger Florent, ho "Directeur de la Coopération des Collectivités"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ZARA Olivier, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ao Ihorombe.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMILISON Giovanni, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany ao Vatovavy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASEDIMAHEFA Tsimiebo ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany ao Menabe.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-867 tamin'ny 26 jolay 2018 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONANAHARY Jean Yves Ravo Marie Ferdinand, ho "Directeur des Affaires Juridiques"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-1147 tamin'ny 08 desambra 2017 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANTOMPONERA Nalisoa Voahangiarimino, ho Tale Jeneralin'ny Atitany.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1537 tamin'ny 16 novambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONIRINA Holy Volana, ho "Directeur Général du Centre National de l’Etat Civil et de l’Identité".
    • Nolaniana ny didim-panjakana ary manendry an'Andriamatoa ROLLAND, ho "Directeur de la Cellule Environnementale".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-676 tamin'ny 11 mai 2022 ary manendry an'Andriamatoa AMBININTSOA Jean José, ho Préfet Toamasina.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2031 tamin'ny 30 oktobra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RALAIHARISON Nirina Thiery, ho Préfet de Fianarantsoa.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-018 tamin'ny 15 janoary 2020 ary manendry an'Andriamatoa RATSARAMIANDRISOA ANDRIANANTOANINA Solofonirina, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambatomainty.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1142 tamin'ny 13 aogositra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAJAOFERA Eugène, Lehiben'ny Distrikan'i Morafenobe.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1050 tamin'ny 30 aogositra 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAVELONANDRO Tsimbazafy Abdon Marie, ho Lehiben'ny Distrikan'i Morombe.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-427 tamin'ny 19 aprily 2023 ary manendry an-dRamatoa BOTOTSAKO Vonjy Manantenasoa, ho Lehiben'ny Distrikan'i Sakaraha
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-545 tamin'ny 27 may 2020 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANAIVOJAONA Navalona Rafanoharana, ho "Directeur des Opérations auprès de l’Unité de Coordination Générale des Projets et Partenariats".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-037 tamin'ny 11 janoary 2023 ary manendry an'Andriamatoa RATSIMBAZAFY Mamisoa Niaina Nirina, ho "Directeur des Affaires Juridiques, du Partenariat et de Relation Publique du Centre National de l’Etat Civil et de l’Identité"

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMIANDRASOA Ianja Ulric Salomon, ho "Directeur de l’Emergence Industrielle"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABARIMANANA Jeannot Fidèle, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Alaotra Mangoro.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ZAFIMIHARY Ruffin, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Ihorombe.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-665 tamin'ny 24 jona 2020 ary manendry an-an-dRamatoa DOMINIQUE Volaravo Josie, ho "Directeur de la Recherche et de l’Innovation"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Profesora LAZAMANANA André Pierre, ho Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANTSIVERY Jean Remi, ho "Directeur des Examens"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-695 tamin'ny 11 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Zakanaivo Radoniaina, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa Bongolava
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-788 tamin'ny 25 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANJATONANTENAINA Toky Armel, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa Boeny
    • Nolaniana manendry an'Andriamatoa RANAIVO RAHAMEFY Lanto Zo, ho Talem-paritry fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa Analamanga
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-369 tamin'ny 31 martsa 2021 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMIHARY Romuald Aldi Ferrand, ho Talem-paritry fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa Diana

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASEMBOARIMANANA Harisse Jacquot, ho "Directeur du Registre Social Unique"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIMBARISON Soanarindra Evelyne, ho "Directeur du Développement Social"

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANIRINA Nororavaka Fabienne, ho "Directeur du Développement des Filières et l’Intégration Environnementale"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-062 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an-dRamatoa RASANJISON Lalà, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Vakinankaratra
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-779 tamin'ny 25 may 2022 ary manendry an-dRamatoa BEHAJAINA Cathy Milena, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Atsinanana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1129 tamin'ny 20 okotobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAMAMONJISOA Heriniaina Angelo, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Boeny
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-063 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa ABDOU Soamadou Bine Morchid, ho Talem-paritry ny Fizahantany sy ny Asa Atsimo Andrefana.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-471 tamin'ny 05 aprily 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAHARISOLONIRINA Christian Joseph Alfred, ho "Directeur des Systèmes d’Information"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-472 tamin'ny 05 aprily 2022 ary manendry an-dRamatoa RASOANINDRINAHARINOSY Holy, ho "Directeur de la Régulation du Secteur Postal"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-473 tamin'ny 05 aprily 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANEKENA Rado, ho "Directeur de la Transformation Digitale"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-176 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa ORIFIONONANA Rakotozafy Andro, Directeur de la Conduite du Changement
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-308 tamin'ny 09 martsa 2022 ary manendry an-dRamatoa RAFALIMANANA Gillucia Nomen’Anjara, Directeur de la Cellule Anti-Corruption.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-177 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARIMALALA Manitriniaina Herintiana, Directeur de l’Intégration Numérique
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-175 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RABENJAMINA Fenonirina Harinandrianina, Directeur de l’E-Gouvernance du Ministère du Développement Numérique
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-180 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa WILLIAM Jean Tsimamboly, ho Tale Iraisam-paritry fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra , ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Atsiranana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-178 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa ENIVEREALDO Zamabetsara, ho Tale Iraisam-paritry fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra , ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Toamasina
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-181 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRADIA Herbert Martino, ho Tale Iraisam-paritry fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra , ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Mahajanga.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-179 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARIVONY Toavina Julio Rocco, ho Tale Iraisam-paritry fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra , ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Toliara

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAVELOSON Cydolain, ho "Directeur Général par intérim de l’Office Malgache des Hydrocarbures"(OMH).

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Solofomandimby Rakotonindrina, ho Talem-paritry ny asa vaventy Itasy

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-522 tamin'ny 19 mai 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANARISON Tahiry Mandaniaina, ho Directeur Administratif et Financier de l’Ecole Nationale d’Enseignement Aéronautique et de la Météorologie (ENEAM)

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANAN'ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-784 tamin'ny 17 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RABODONAVALONA Anjavolanirina Fenosoa Ravaka, Directeur des Etudes et des Affaires Juridiques.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-865 tamin'ny 24 aprily 2019 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIATIANARISOA Fenitra, ho "Directeur de la Migration Professionnelle"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-059 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RABESON Christian, ho "Directeur de la Réforme de la Fonction Publique"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-507 tamin'ny 05 may 2021 ary manendry an-dRamatoa RAJOELY Miamina Harilanto, ho "Directeur de la Sécurité Sociale des Travailleurs"

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMAMPIANINA Miora Hantaniaina, ho "Directeur du Contrôle Interne et de la Lutte contre la Corruption"

    MINISITERAN'NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1012 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa LANTOVOLOLONA Felaniaina Marie Stéphanie, ho "Directeur de l’Aquaculture"

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-691 tamin'ny 26 aprily 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAZANADRATEFA Zotonokinendry, ho Talem-paritry ny harena ankibon'ny tany Melaky
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-674 tamin'ny 23 jona 2021 ary manendry an'Andriamatoa MANDA Andrianarison, ho Talem-paritry harena an-kibon'ny tany Amoron’i Mania
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2041 tamin'ny 30 oktobra 2019 ary manendry an'Andriamatoa MAHASOA MOSA Thierry, ho Tale Iraisam-paritry ny harena ankibon'ny tany Anosy sy Androy
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-673 tamin'ny 23 jona 2021 ary manendry an'Andriamatoa RASETRAHARISON Mihantaharimanana Tojonirina, ho Tale Iraisam-paritra Analamanga

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1562 tamin'ny 23 novambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAVOLOLONJANAHARY Jeanique Marcelia, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Atsimo Andrefana
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1102 tamin'ny 27 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAFARAHARINIVO Tantely Fanja Oliva Franckline, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Boeny
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1319 tamin'ny 14 septambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAVONIARISON Noel Liva, ho Tale Jeneralin'ny Trabom-bokim-pirenena.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-224 tamin'ny 24 febroary 2021 ary manendry an'Andriamatoa RANAIVOARISOA Fetra Haja, ho "Directeur des Appuis et des Relations avec les Partenaires du Tahiry Aina ho an’ny Fanatanjahantena sy Itsinjovana ny Tanora" (DARP/TAFITA)

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-266 tamin'ny 23 febroary 2022 ary manendry ny Colonel RAKOTONDRAMANANA Andriambololona François John Anthony, ho "Directeur de la Lutte contre la Corruption et de Traitement des Doléances"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-907 tamin'ny 08 septambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade RALAIVAONARY Andrianoasy D’y la Paix, ho Lehiben'ny Etamazaorin'ny Zandarimariam-pirenena.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-880 tamin'ny 01 septambra 2021 ary manendry ny Général de Division RERIBAKE Jeannot, ho "Directeur Général de la Sécurité Routière".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-740 tamin'ny 14 jona 2023 ary manendry ny Général de Division BOTOU Estelin, ho "Inspecteur Général de la Gendarmerie nationale."
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana nanendry ny Tale sasany eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-437 tamin'ny 28 febroary 2024 nanendry ny "Directeur du Contrôle Interne et de la Lutte contre la Corruption"

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1596 tamin'ny 28 novambra 2018 nanendry ny Tale Jeneralin'ny Paositra Malagasy.

 

Natao ny faha-06 Marsa 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika