TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 28 febroary 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-28 Febroary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

Voalohan-tenin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia ny fiarahabana ireo Minisitra eo anivon’ny Foloalindahy malagasy izay vao nahazo ny mariboninahitra ambony indrindra amin’ny rafitra misy azy avy.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Mitohy hatrany ny fanolorana ny asa tsy maintsy ho tanterahina ao anatin’ny 100 andro ho an’ireo ministera ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, manaraka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika.

    Nandray anjara fitenenana ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana.

    Mikasika ny tetikasa EFAHO :

    Ny asa vaventy (ouvrages de génie civil) ao anatin’ny faritra hitroana ny rano (zone de captage) ao Andakana dia efa nanomboka tanteraka ankehitriny. Ny asa fanomanana ny tany samihafa, ny fanatanterahana ny fisavana ny atitany, ny fanomanana ny tany hananganana ny fotodrafitrasa miisa 5 indrindra ny eo amin’ny fitehirizan-drano sy ny trano fikirakirana ny fitrandrahana no voakasik’izany. Miandry ny antoka 10 taona (garantie décennale) avy amin’ny orinasa nahazo ny tsenan’asa mikasika ny fametrahana ireo fotodrafitrasa ireo ny Minisitera ankehitriny.

    Mitohy ny fanamboarana ireo fantson-drano lehibe (pipeline) ka orinasa roa lehibe dia ny “SUPERLIT” avy any Turquie sy ny “ ZHEJIANG HUAFENG NEW MATERIAL CO. Ltd” avy any Chine no mamaly ny fepetra ara-teknika rehetra ilaina ary miandraikitra izany.

    Nanao fanamarihana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa mila afainganina kokoa ny fanatanterahana ny asa satria andrandrain’ny vahoaka loatra ary tena hanova ny tantaram-pirenena ny tetikasa ka tsy maintsy arahina an-tsakany sy an-davany ny fe-potoana nifanarahana amin’ny fanatanterahana ny asa.

    Mikasika ny fanadiovana ny tananan’Antananarivo ao anatin’ny “operation coup de poing”:

    Ny “opération coup de poing” natao tamin’ny fiantombohan’ny volana dia efa nanena ny fako mivangogo : raha nahitana 1.500m3 isan’andro ny fako noraofina dia efa nihena ho 900m3 isan’andro izany izao. 139 no isan’ireo daba-pako nahitana fihoarana goavana ary efa nihena koa izany izao.

    Fiara lehibe 8 no miasa amin’ireo 28 azontsika tamin’ny tetikasa GESDA miaraka amin’ny firenena Japoney ankehitriny manampy ireo fiara efa miasa ao amin’ny orinasa SMA. Mbola tsy maharaka anefa ny fahefa-manaon’ny orinasa SMA manoloana ny fitobahan’ny fako satria 30 no isan’ireo fiarabe ilaina isan’andro mba hahenika ny manerana an’Antananarivo, anefa mbola 21 ihany no afaka miasa hatreto.

    Mila solika 5.000 litatra isan’andro koa ireo fiarabe ireo, anefa mbola 1.500 litatra isan’andro no tratra ka izay no antony tena mbola tsy ahafahan’ireo fiarabe rehetra miasa. Tsapa ihany koa fa misy olana amin’ny fandaminana asa sy ny fitantanana ara-bola ny eo anivon’ny SMA ka niadiana hevitra teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra mba hitadiavana vahaolana faran’izay haingana.

    Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hanohizana ny “opération coup de poing”, hametrahana tompon’andraikitra hanara-maso ny tena fandaniana solika marina, ka hametrahana fitiliana amin’ny alalan’ny GPS ny lalana andehanan’ireo fiarabe mpandroaka fako ireo, ary hamahana ireo olana samihafa ao anatin’ny fotoana fohy, ary koa hametrahana laharana maitso hiantsoan’ny mponina amin’ny fandraofana ny fako misavovona loatra.

    Mikasika ny olan’ny famatsiana rano ankehitriny :

    Efa mandroso vahaolana ny minisitera dia ny fametrahana tobin-drano lehibe (châteaux d’eau) any amin’ireo faritra tena ahitana fahasarotana ara-pamatsiana. Araka ny toromariky ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 07 febroary 2024 teo, mikasika ny fananganana ireo tobin-drano lehibe ireo eny amin’ny faritra manodidina an’ Ambohipo, Alasora, Itaosy, Ivato, Andoharanofotsy, dia efa nanao fidinana ifotony ny avy eo anivon’ny Minisitera, niaraka tamin’ny sefo fokontany sy ny ben’ny tanànan’ireo kaominina ireo. Izany dia natao hijerena ny toerana hananganana azy ireny. Efa nisy ny fanadihadiana teknika izay natao, mba hijerena ny fahampian’ny fitaovana eo am-pela-tanana sy ny fitaovana ilaina hampifandraisana ny tobin-drano lehibe amin’ny tambajotran’ny ranon’ny orinasa JIRAMA, ary ny fametrahana paompin-drano sosialy hampiasain’ny olona.

    Tsy hijanona amin’ny fampifandraisana amin’ny tambajotra efa misy anefa ny tetikasa fa hitady vahaolana hafa mba hisorohana ny fotoana tsy fahampian-drano izay matetika rehefa volana septambra sy oktobra

    Mikasika ny fametrahana “points d’eaux” fanampiny amin’ny famatsiana rano fisotro madio:

    Miisa 74 no hapetraka. Hatreto dia efa 33 no vita tanteraka, 32 no an-dalam-pametrahana ary tokony ho vita ao anatin’ny 100 andro, ary misy 5 kosa tsy maintsy atsahatra ny fifanarahana arak’asa amin’ny orinasa izay nahazo ny tsenan’asam-panjakana satria tsy nety nanomboka asa mihitsy izy ireo hatramin’izao. Misy koa ny fanatsarana isam-potoana voafaritra ny tambajotram-pamatsiana rano fisotro madio eto amin’ny faritra “Grand Tana” iarahana amin’ny orinasa JIRAMA.

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny andiany fahatelo amin’ny “Forum Diplomatique d'Antalya"(FDA) ny 1 ka hatramin’ny 3 martsa 2024, any Türkiye.

    Voaasa manokana hitarika ny delegasiona malagasy any Antalya, Turkiye, ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA hanatrika ny dinidinika ara-diplomatika mitondra ny lohahevitra hoe "Diplomasia mahomby ho an’ny fandriampahalemana sy ny filaminana” na "Une diplomatie efficace pour la paix et l'ordre". Ny Filoha tiorka no hitarika ny fivoriana, ka hodinihina mandritra izany ireo olana goavana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena hita maneran-tany amin’izao fotoana izao. Ary hifampizarana ny fomba mahomby indrindra hanatrarana ny tanjona amin'ny fametrahana rafitra iraisam-pirenena mahomby, mampiaty sy ara-drariny, mba hisian'ny fandriampahalemana, ny filaminana sy ny fitoniana.

    Ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ity fihaonambe iraisam-pirenena ity ihany koa dia hanamafy ny fifandraisany sy ny fiaraha-miasa amin'i Türkiye.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana amin'ny fanjakana ny tany mirefy 26a 04ca mifandray amin'ny tany mitondra ny anarana « Garage Provincial » TN°15413 A sy « Marché aux Bois et Garage Charrette » TN°1758 A ao Isotry, Kaominina Antananarivo Renivohitra, Faritra Analamanga.

    Raha ny tantaran’ity ampahan-tany ity dia nomena ampiasain’ny faritanin’Antananarivo ny voalohany, dia ilay mitondra ny anarana hoe « garage pronvincial » ary nomena ampiasain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra kosa ilay « Marché aux Bois et Garage Charrette » araka ny didim-pitondrana tamin’ny 25 Avrily 1936. Araka ny taratasy lf : 023/PM/CPGU/24 tamin’ny 02 Febroary 2024 dia nisy ny fangatahan’ny rafitra fisorohana sy ny fanohanana ny fitantanana ny hamehana (Cellule de Prévention et d’Appui à la Gestion des Urgences-CPGU) hampiasa ireo tany ireo. Izany dia hanaovana asa fananganana toeram-pialofana hamindrana ireo traboina rehefa misy loza voajanahary na hamehana hafa (abris communautaires à usage multiple) izay mirefy 26a 04ca ary hovatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD). Ka araka ny lalàna manan-kery dia tsy maintsy averina amin’ny Fanjakana izay tompon’ny tany aloha ireo ampahan-tany roa ireo izay vao afaka hanomezana fahazoan-dalana mampiasa na « affectation » vaovao ho an’ny fiadidiana ny Primatiora izay miahy ny rafitra CPGU.

    Nanao fanamarihana ny Filohan’ny Repoblika fa tena ilana fiomanana foana ny loza voajanahary mety hitranga tahaka ny fiakaran’ny rano.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanovana ny naotin’ny filan-kevitra laharana faha 075/2022/PM/SGG/SC tamin’ny 14 martsa 2022 mankatoa ny fandraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo entana ilaina andavanandro sy fitaovan’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana, mpiahy ara-teknika ny SPM.

    Mba hialana amin’ny hosoka izay misy ankehitriny no nanaovana izao fampitana am-bava izao ho fangatahana fanafoanana ny fanomezan-dalana fandraisana an-tanana faobe ny hetra sy haban-tseranana ho an’ny orinasa SPM.

    Tsikaritra mantsy fa misy tsy ara-dalàna natao nanararaotana io fanomezan-dalana nomena io, tamina fanafarana kaontenerana siramamy miisa 10 izay hita fa misoratra amina orinasa tsy miankina kanefa nampiasaina ny fahazoan-dalana nomena ny SPM.

    Manomboka izao dia tsy maintsy isaky ny andiana fahatongavana entana nafarana no hanaovana ny dingana ara-panjakana fangatahan-dalana eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra andraisana an-tanana ireo hetra sy haba amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Alefa avy hatrany amin’ny Fitaleavana jeneralin’ny Fadintseranana sy amin’ireo sampan-draharaha rehetra voakasika izany naoty vaovao izany.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanokafana fanadihadiana ara-pitantanana (enquête administrative) commodo sy incommodo momba ny fakana ho tombontsoa iombonana ny tany mitondra ny anarana « Forello Domaine » Titre n°9630 B ao Tanjombato izay fananan’ny Orinasa Famokarana Fanafody OFAFA SA. Ny ozinina mpamokatra fanafody PHARMALAGASY dia miorina eo amin’ny tany fanana manokan’ny OFAFA SA. Mba hiantohana ny fiarovana ny tany iorenan’ny ozinina PHARMALAGASY anefa dia ilaina ny mamaritra izany tany izany amin’ny anaran’ity ozinina ity. Hiroso amin’ireo dingana fanatanterahana izany ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra sy ireo minisitera voakasika.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Mba ahafahany manatanteraka ny fandaharanasany 100 andro, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Minisitera hikitika ny tetibola anatiny, ka hanesorana ampahany amin’ny tetibola natokana ho an’ny fananganana fotodrafitrasa sy fampitaovana ireo sekoly isan-tsokajiny, ary halefa ho any amin’ny fividianana boky isan-karazany ho an’ny fampiofanan-tenan’ny mpampianatra sy ny mpianatra, ny fanamboarana aron’akanjo sy dabilio ary ny fandraisana an-tanana ny fitaterana izany any amin’ny toerana tokony hampiasana azy. Eo ihany koa ny fanarenana ny « amphithéâtre lehibe eo Ampefiloha, ny fampitaovana ireo toerana lehibe fitehirizan’entan’ny MEN, ary ny fandefasana ireo « kits scolaires » hiparitaka manerana ny Nosy.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana ampahan-tany (affectation) mirefy 40 hektara avy amin’ny velaran-tany antsoina hoe « Plateau de Manolonomby Domaine » TN°61-C misoratra amin’ny Minisitera misahana ny fananan-tany, ka omena ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo. Izany dia mba hahafahana manao ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (parcs solaires) ao Tsimahabeomby Fokontany Ambihimandry ao amin’ny Kaominina Imerintsiatosika, distrika Arivonimamo. Izany dia mba ahafahana manatanteraka ny fandaharanasa 100 andron’ny Minisitera. Ity tetikasa ity moa dia mifanindran-dalana amin'ny fametrahana ny tanàna vaovao ao Fieferamanga ao anatin’ny tetikasa Ankohonana Miarina.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Minisitera amin’ny fanatanterahana ny antso ampahibemaso ho an’izay liana hividy ny sambo « flying ».  

    Efa misy fahasimbana lehibe ny sambo noho ny fiantsonany naharitra teo amin’ny seranan-tsambo nanomboka ny volana desambra 2018 izay nahatratrarana azy ity saika hitatitra an-tsokosoko andramena nankany ivelany. Asaina hanao tolotra miafina araka izany izay mpandraharaha eo amin’io sehatra io ka liana te hividy an’ity sambo ity, tolotra izay tsy mamatotra ny fanjakana malagasy fa raha tombanana ho mety, tsy hisian’ny varoboba ny tolotra voaray izay vao hirosoana ny fanekena azy sy ny fivarotana azy. Mazava ho azy fa izay tolotra tsara indrindra koa no horaisina. Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hampahafantarina ny besinimaro ny pitsopitsony ara-teknika sy ny toetoetry ny sambo efa misy fahasimbana amin’izao fotoana izao, mba ahafahan’izay liana rehetra manapa-kevitra ao anatin’ny fahalalana tanteraka ny antsipirihany mombamomba ny sambo. Tsy maintsy asiana serasera matanjaka mba ahafantatra ny mikasika izao fisokafan’ny varotra izao any amin’ireo “armateurs” rehetra ety amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina.

    Hiara-hiasa amin’ny teknisianina miadidy ny tontolo iainana sy ny sampan-draharahan’ny tontolo iainana SPAT ny vaomiera ad hoc misahana ny varotra amin’ny fanombanana ny fandraisana ireo antontan-taratasy.

    MINISITERAN’NY RANO SY NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA + MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanohizana ny fametrahana tohadrano amin'ny reniranon'i Mandrare. Fanamby lehibe an'ity fotodrafitrasa ity ny famatsiana rano ireo kaominina miisa 15 ao amin’ny Faritra Androy sy Anosy izay hianjadian'ny kere. Manana fiatiana hatrany amin’ny 810.000.000 m3 ny tohadrano, ho entina indrindra manatsara ny fiainan’ny mponina miaina ny « kere » any atsimon’ny Nosy. Maro ireo vokatra ho entin’ny fahavitan'ity tohadrano lehibe indrindra eto Madagasikara ity, toy ny:

    • Fiantohana ny fanodrahana tanimboly hatramin’ny 20.000Ha

    • Fampidirana rano fisotro madio ho ana mpisitraka miisa hatramin’ny 300000

    • Famokarana herinaratra 2MW (10,9 hatramin’ny 133 GWH isan-taona)

    • Fampiroboroboana ny fiompiana trondro eo amin’ny faritra fitahirizan-drano

    • Fisokafan’ireo faritra mitoka-monina voakasika amin'ny alalan'ny fanamboarana ireo lalan-dratsy

    • Fampiroboroboana ny fizahantany amin'ireo faritra voakasiky ny tetikasa

    Ny minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany moa no hiantoka ny fiarovana ny fananan-tany amin'ireo tany rehetra voakasik'ity tetikasa ity.

    Amin’ny volana marsa ho avy izao no tokony ho vita ny fitsirihana rehetra mikasika ny tetikasa.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin'ny fanafarana fiarakodia Toyota avy amin'ny FAO ho an'ny Ministeran'ny jono sy ny toekarena manga

    Io fiara io dia efa nampiasaina tao anatin’ny tetikasa “REEFISH” niarahana tamin’ny fandaharanasan’ny firenena mikambana mikasika ny sakafo sy ny fambolena (FAO) . Efa nifarana anefa io tetikasa io ka ny FAO, etsy andaniny, dia mikasa hanome ny fiara hampiasain’ny Minisitera. Etsy ankilany kosa, dia mbola misy an’ireo hetra sy haban-tseranana tsy voaloa ireo ka iantsorohan’ny minisitera ny fandoavana azy.

  • II - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'dRamatoa RAKOTONIAINA Malalatiana Mahanina ho Talen’ny Tetikasan'ny Filoham-pirenena

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Division Andriamatoa DERAMASIMANJAKA Manantsoa Rakotoarivelo, ho Lehiben'ny Etamazaorin'ireo Tafika

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 640 tamin'ny 10 aprily 2019 ary manendry an'Andriamatoa KOLA Emi-Haulain, ho Sekretera Jeneraly.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAFARAMALALA Florence Isabelle, ho "Directeur des Relations Multilatérales"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 356 tamin'ny 05 aprily 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMANGA Patrick, ho "Directeur des Affaires Financières"
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANAIVOSON Andoniaina Dimbimalala, ho Talen’ny Arofenitra.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMAROSON Solofo Mihary, ho "Directeur du Développement Urbain Durable"

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 868 tamin'ny 05 aogositra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RANAIVOZANANY Jerry, ho "Directeur du Budget"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1008 tamin'ny 20 aogositra 2020 ary manendry an-dRamatoa RATSIAVAHANA Mbinison Dorette, ho "Directeur de la Comptabilité Publique"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1486 tamin'ny 11 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARISON Sitraka Tsitohaina, ho "Président de la Commission Nationale des Marchés"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 okotobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RASAMOELINA Eric Tiana, ho "Chef de Commission Centrale pour le contrôle a priori".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1534 tamin'ny 18 novambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOMANGA Iharisoa Hanitriniaina, ho "Chef de Commission Centrale pour le contrôle a priori"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANARIJAONA Hasiniaina Tsimarofy, ho "Chef de Commission Centrale pour le contrôle a posteriori".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RANDRIARIMANGA Henri, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Alaotra Mangoro"
    • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARINORO Mamy Heriniaina, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Amoron’i Mania"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RIJAVOLA HERIJAONA Andriamihaja, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Analamanga"
    • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an-dRamatoa DABOAKY BERTRAND Anjaratiako Saholy, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Analanjirofo"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa TATAMIARISOA Hubert Dulong, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Atsinanana"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RIVOMANANTSOA Herijaona Auberlin, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Betsiboka"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RABEMANANJARA Naomy, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Boeny"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANTSOA Norohanta, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Bongolava"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAFANOMEZANTSOA Françis, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Diana"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAMILSON Zafiandry Amédé, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Haute Matsiatra"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RATOVELSON ANDRIAVELOTOVO Harinjaka Henri, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Ihorombe"
    • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an'Andriamatoa JAOROBY Elie Wilfried, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Sava"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa DOKOLAHY Randrianirina Victor, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Sofia"

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 992 tamin'ny 06 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa VONIMBOLA IIda Sarah, ho "Directeur de la Cellule Anti-Corruption"
    • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an-dRamatoa HARILALAINA Irma Juliandres, ho "Directeur de la Formation et du Perfectionnement"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 463 tamin'ny 05 aprily 2022 ary manendry an-dRamatoa SASY Nireigna Suzuéline, ho Talen’ny Serasera
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 866 tamin'ny 26 jolay 2018 ary manendry an'Andriamatoa AINA NIRINA Serge Honoré, ho "Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation"
    • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an-dRamatoa FABIOLA Eléonore, ho "Directeur des Etudes et Recherches"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 039 tamin'ny 11 janoary 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANTSIFERANA Rinarisoa Abdon, ho "Directeur des Opérations du Centre National de l’Etat Civil et de l’Identité"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 993 tamin'ny 06 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAHARIMANGANINDRIANA Verohanitra Tianamalalasoa, ho "Directeur des Opérations du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes" (BNGRC)
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 667 tamin'ny 23 jona 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAHARISON Tsiriaina Miarana, ho Préfet an'Antsirabe
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 041 tamin'ny 11 janoary 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOHAVANA Malalaharijaona Fanoela, ho Prefet an'i Tsiroanomandidy
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1413 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RASOLOMAMPIONONA Emmanuel, ho Préfet Fenoarivo Atsinanana
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 582 tamin'ny 26 may 2021 ary manendry an-dRamatoa RASATA Volahasina, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo faha V
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2010- 0262 tamin'ny 07 may 2010 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIERANA Louis Berthin, ho Lehiben'ny Distrikan'Atsimondrano
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1107 tamin'ny 08 septambra 2023 ary manendry an'Andriamatoa NAJARHOUSSEN Michel, ho Lehiben'ny Distrikan'i Soavinandriana
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 669 tamin'ny 23 jona 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONJANAHARY Jean Iajasoa, ho Lehiben'ny Distrikan'Antsirabe II
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 975 tamin'ny 09 aogositra 2023 ary manendry an'Andriamatoa NDEHA Sylvain, ho Lehiben'ny Distrikan'Andapa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1700 tamin'ny 04 septambra 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAZAROANABAVY Felanirina Hortensia, ho Lehiben'ny Distrikan'i Fandriana
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 635 tamin'ny 04 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANARIMANGA Solofoarimanana, ho Lehiben'ny Distrikan'Antanambao Manampotsy
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1559 tamin'ny 23 novambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAVALOSON RAKOTONIRINA Bernard Andriantody, ho Lehiben'ny Distrikan'Andilamena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 0995 tamin'ny 06 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIAINA Marco Eddy, ho Lehiben'ny Distrikan'i Moramanga.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1495 tamin'ny 02 novambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RABEFERANA Louis Velombita, ho Lehiben'ny Distrikan'i Maroantsetra
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1049 tamin'ny 30 aogositra 2023 ary manendry an'Andriamatoa RANJAKAMANANA Stephen Weld, ho Lehiben'ny Distrikan'i Soanierana Ivongo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1283 tamin'ny 07 septambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANTSOA Félicien, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mitsinjo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1403 tamin'ny 05 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa DAVID Jeanick Dieudonné, ho Lehiben'ny Distrikan'i Tsaratanàna
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 576 tamin'ny 17 may 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANANTENASOA Haja Andrianina, ho Lehiben'ny Distrikan'Antsalova.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 687 tamin'ny 07 jona 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOVAO Harimamy Lalaina, ho Lehiben'ny Distrikan'i Toliara II.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1626 tamin'ny 02 desambra 2020 ary manendry an-dRamatoa RAZAFITSIMIHANTA Dorcile, ho Lehiben'ny Distrikan'i Benenitra.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 976 tamin'ny 09 aogositra 2023 ary manendry an'Andriamatoa BOTOMANIRISOA Fortunat, ho Lehiben'ny Distrikan'i Betioky Atsimo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 1051 tamin'ny 30 aogositra 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARISON Mandimby, ho Lehiben'ny Distrikan'i Tsihombe.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK'ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 247 tamin'ny 03 martsa 2021 ary manendry an'Andriamatoa NDREMITSIRY Tsirinony, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa SAVA
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1324 tamin'ny 14 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa VOLOLONIAINA Aniella Elisabelle, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa Atsinanana
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 280 tamin'ny 10 martsa 2021 ary manendry an'Andriamatoa RASOLOFOSON Emile, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa Sofia.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 281 tamin'ny 10 martsa 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAFANOMEZANTSOA Jean Marie Vianney, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa Matsiatra Ambony.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFIMAHANDRY Natsika, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa Atsimo Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIARIMANANA Njatovoherimamy Perlin, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa Fitovinany
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1325 tamin'ny 14 septambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa KARDAS Senèque Zandritsivery, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa Anosy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 252 tamin'ny 03 martsa 2021 ary manendry an'Andriamatoa KALIMAHAZO Mahazoto Razanatolo, ho Talem-paritry fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa Androy

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1630 tamin'ny 02 desambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARISAONA Lova, ho "Directeur du Système d’Information"
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFIASIMBOLA Rivomahenina Dieu Donné, ho "Directeur du Contrôle Interne et de la Lutte contre la Corruption"
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABEMANANTSOA Maminiriana Rolland, ho "Directeur d’Appui aux Personnes Handicapées et Personnes Agées"

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1235 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARIJAONA Rivo Rolland, ho Talem-paritry ny asa vaventy DIANA
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 730 tamin'ny 18 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIRINA Vivian José, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy Amoron’i Mania

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANAN'ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 244 tamin'ny 23 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa FLORENT Soatiana Bety Léonne, ho "Directeur Général de l’Office National de l’Emploi et de la Formation"(ONEF)
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 577 tamin'ny 27 martsa 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAMAROSON Heridja Patrick, ho Tale Jeneralin'ny Asam-panjakana.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 525 tamin'ny 10 may 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMAHARO Andonandrianina, ho Talem-paritry harena an-kibon’ny tany Alaotra Mangoro
    • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARISON Ranasy Harisoa Primo, ho Tale Iraisam-paritry harena an-kibon’ny tany Matsiatra Ambony.
    • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an'Andriamatoa JAONARY Gérald, ho "Directeur de la Lutte Contre la Corruption" (DLCC)

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 066 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an-dRamatoa RAFIDIMANANTSOA Verotiana, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Analamanga
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1802 tamin'ny 18 septambra 2019 ary manendry an-dRamatoa RASOANARISOA Egorine, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Atsimo Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAROMANANA Ilay Narindra, ho "Directeur du Basculement vers la Télévision Numérique Terrestre"

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 833 tamin'ny 18 aogositra 2021 ary manendry ny Général de division RASENDRALAHY Hajaniaina, ho Sekretera Jeneraly
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Division RAKOTOMALALA Andriatahina Jean Herbert, ho Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 879 tamin'ny 01 septambra 2021 ary manendry ny Général de brigade RANDRIANTSARA Ihajaniaina Eric, ho "Directeur de la Planification, du Suivi et de l’Evaluation"
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana laharana faha 2022- 1079 sy laharana faha 2022-1080 tamin'ny 20 jolay 2022 nanendry ireo Tale Jeneraly miisa roa eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny.

 

Natao ny 28 febroary 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika