TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA ALAROBIA 10 MARTSA 2021

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    HOTANTANAN’NY TSY MIANKINA IREO « BACS » FIAMPITANA MANERANA NY NOSY :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra, ny tetikady natolotry ny ministera misahana ny fanajariana ny tany ny amin’ny hanankinana ho eo ambany fitantanan’ny sehatra tsy miankina ny fitantanana ireo « Bacs » fiampitana manerana ny Nosy eo ambany fiahiany, na ny antsoina hoe : «convention de délégation de gestion de service public ». Amin’ny alalan’ny fanaovana tolo-bidy no hametrahana ny fitantanana ireo fitaovampanjakana miisa 44 any amin’ny faritra miisa 12, izay hotantanan’ny tsy miankina. Hisy ny tolotra sy ny famaritana ny anjara andraikitry ny andaniny sy ny ankilany manoloana izany laminasa vaovao izany.

    HANDROSO AMIN’NY FANAOVANA NY FANADIHADIANA ARA-TONTOLO IAINANA SY ARA-TSOSIALY NY TETIKASA TANAMASOANDRO:

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fanaovana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy na ny EIES amin’ny fanatanterahana ny tetikasa TANAMASOANDRO hanaovana ny tanàna vaovao etsy Imerintsiatosika.

    IRAY TAONA IHANY NO ALALANA NOMENA IREO MPANJONO MALAGASY MANANA FAHAZOAN-DALANA HANJONO ETO MADAGASIKARA :

    Noho ny fisian’ny fandaminana sy ny laminasa vaovao, dia herintaona ihany no fahazoan-dalana omena ireo mpanjono malagasy hiasa eo amin’ny fari-dranomasina manomboka amin’ity taom-piasana vaovao ity. Hisy ny tahan’ny hetra vaovao havoaka ary mifanaraka amin’ny hamaroan’ny hazandrano jonoin’izy ireo sy ny karazany avy. Samy ho voakasik’izany avokoa na mpanjono vaventy, na ireo mpanjono madinika, na ihany koa ireo orinasa malagasy mpanjono sy mpanondrana hazandrano makany ivelan’i Madagasikara.

    ADY AMIN’NY VALALA : HISY NY FANONDRAHANA FANAFODY AMIN’NY VELARAN-TANY 100.000 ha:

    Hisorohana ny firongatry ny andiam-balala izay ahiana hihamaro vokatry ny rotsak’orana, dia hisy ny fanondrahana fanafody amin’ny alalan’ny angidimby amina velaran-tany mirefy 100.000 ha. Ireto avy ny toerana voakasik’izany : faritr’i Menabe, Morondava, Manja, Mahabo, Belo sur Tsiribihina, Sakaraha, Toliary faha-2, Ankazoabo, Morombe, Ampanihy Andrefana, Ihosy. Miara-manatanteraka izany ny ao amin’ny ministeran’ny fambolena sy ny ao amin’ny tafika Malagasy.

    HIVOAKA TSY HO ELA NY “CARTE VISA” AN’NY PAOSITRA MALAGASY ANTSOINA HOE « E-POKETRA »:

    Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny fivoaran’ny dinika sy ny dingana mahakasika ny fametrahana ny « e-poketra » amin’ny alalan’ny fampiasana ny “Carte Visa”. Ny BOA no hiara-hiasa amin’ny PAOMA sy ny NUMHERIT amin’izany ary efa mandeha ny fahazoan-dalana rehetra eny anivon’ny Banky Foibe sy ireo antanantohatra mpanara-maso ny fampiodinam-bola eny anivon’ny Banky na ny CSBF eto Madagasikara. Hiroso tsy hoela amin’ny fanapariahana izany eny anivon’ny mpanjifa ny Paositra Malagasy.

  • II – FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA SY DIDIM-PANJAKANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Governemanta :

    Araka ny voafaritry ny andininy faha 76 sy ny andininy faha 85 ao anatin’ny lalàmpanorenana dia noraisina ny didim-panjakana fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana voalohany ho ataon’ny Antenimiera 2 tonta ny 17 martsa izao ary haharitra 12 andro. Ireto ny laha-dinika amin’izany :

    • Fifidianana ny ho solon-tena 2 avy, avy amin’ny Antenimiera 2 tonta ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
    • Fandinihana ny volavolan-dalàna mamaritra ny famatsiam-bola azo avy amin’ny IDA mikasika ny tetikasa PRODIGY,
    • Fandinihana ny volavolan-dalàna mamaritra ny famatsiam-bola ho entina amin’ny tetikasa PRODUIR.
    • Fandinihana ny volavolan-dalàna manova ny andininy vitsivitsy ao amin’ny lalàna 2014-020 tamin’ny 27 Septembra 2014 izay nasiampanitsiana sy nampian’ny lalàna 2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018 mikasika ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana mahakasika ny fifidianana, sy ny fandaminana eny anivon’izy ireny.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono:

    • Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova ny fitantanana ny fanaraha-maso ny jono na ny « décret portant réorganisation du « Centre de Surveillance des Pêches » (CSP).

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Harena An-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika :

    • Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manangana, sy mametraka ny sata mifehy ny “Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar”.

     

  • III- FANENDRENA :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy :

    • Ramatoa NARY HERINIRINA IARIVO dia voatendry ho Tale miandraikitra ny " Infrastructure Géographique et Hydrographique” ao amin’ny Foiben-Taosarintanin’i Madagasikara (FTM).
    • Atoa RAHAINGOALISON Narizo Mahefa, dia voatendry ho Tale misahana ny « Maîtrise d’Ouvrage de Service Public » ao amin’ny FoibenTaosarintanin’i Madagasikara (FTM).

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa :

    • Atoa ZANAMASY Avantiana Augustin, dia voatendry ho Talem-paritra ao Sofia.
    • Atoa ANDRIARIMALALA Jean Sylvain, dia voatendry ho Talem-paritra ao Matsiatra Ambony.
    • Atoa RAKOTOARINOSY Julien Aimé, dia voatendry ho Talem-paritra ao Itasy.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana :

    • Atoa CARLOS Totomalaza, dia voatendry ho Talem-paritra ao Sava

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny AsaTanana :

    • Atoa RAMANANKAVANA Christian, dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny Asa-tanana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena misahana ny Zandarimaria :

    • Général de Brigade NIXOR Tsitambala, dia voatendry ho Lehiben’ny Komandin’ny fiadidiam-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Toliara.
    • Général de Brigade MAMELISOA Mbina Nonos, dia vaotendry ho lehiben’ny Kaomandin’ny « Forces d’Intervention de la Gendarmerie nationale » na ny FIGN.
       

                                 

Natao androany faha 10 Martsa 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika