TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA
ALAROBIA 03 MARTSA 2021

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    ADY AMIN’NY FIHANAHAN’NY ARETINA COVID 19:

    Mitohy ny ady amin’ny fihanahan’ny aretina Covid 19. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra noho izany ny fanalefahan-ketra mikasika ireo entana nomen’ny “Centre Africain de Contrôle et de prévention des maladies” (CDC Afrique) avy any ivelany entina mitsabo an’ity valan’aretina ity toy ny 240.000 comprimés de dexaméthasone, 302 Kits de dépistage, 604 kits d’extraction, 290 kits de prélèvements nasopharyngés.

    88  TAPITRISA  DOLARA  AVY  AMIN’NY  FONDS  MONDIAL  HIADIANA AMIN’NY ARETINA RABOKA, TAZO ARY NY SIDA:

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny  fiaraha-miasa eo amin’ny Fonds Mondial sy i Madagasikara amin’ny ady atao amin’ny aretina raboka, ny tazo ary ny Sida, eo ihany koa ny fanamafisana ny rafim-pitantanana ny fahasalamam-bahoaka mandritra ny telo taona 2021-2023.

    NOHO  NY  FITANTANANA  TSY  MAZAVA  DIA  NESORINA  TAMIN’NY TOERANY NY FILOHAN’NY ONIVERSITE AN’I TOAMASINA :

    Noho  ny  fisian’ny  fitantanana  tsy  mazava,  ny  tsy  fifehezana  ny Oniversite araka ny voalazan’ny didy aman-dalàna mifehy ny Oniversite voafaritry ny didim-panjakana laharana faha 2002-565 tamin’ny 04 Jolay 2002 nasiam-panovana sy araka ny didim-panjakana laharana 2010-129 tamin’ny  11  mars  2010,  ny  didim-panjakana  laharana faha  2012-688 tamin’ny jolay 2012 ary ny didim-panjakana laharana 2015-1510 tamin’ny 09 Novambra 2015 , ny fanodikodinana ny volan’ny mpianatra ampiasaina amin’ny zavatra hafa araka ny fanadihadiana nataon’ny tompon’andraikitra, ny  fivarotana  ny  fiaran’ny  Oniversite  izay  mifono  fanararaotana,  ny  tsy fahaizana mitantana eo anivon’ny Oniversite, dia natsahatra tamin’ny asany ny Filohan’ny Oniversite an’i Toamasina.

    Voarainy tamin’ny volana Jolay ny tetibola hoentina mandoa ny vatsim- pianarana sy ny « équipements » saingy nampiasainy tamin’ny zavatra hafa izany rehefa nodinihana ireo fampiasam-bola nataony nandritra ny fotoana nahazoany ny vola ka hatramin’ny nivoahan’ny tetiandro handoavana ny vatsim-pianarana,  izay  tsy  tanteraka  raha  tsy  nisy  ny  famoizana  aina mpianatra.

    Eo  ihany  koa  ny  fivarotana  ireo  fiaran’ny  Oniversite  izay  nasiam- panamboarana tamin’ny tetibolan’ny Oniversite nefa dia namidy 1 tapitrisa ariary ka hatramin’ny 03 tapitrisa ariary monja.

    Ary  ny  fandraisana  mpiasan’ny  Oniversite  tsy  nahazoan-dalana  na  teo anivon’ny ministera na ny filankevim-pitantanana.

    Noho  ireo  dia  nivoitra  ny  maha  fahadisoana  bevava  eo  amin’ny fitantanana ny Oniversite ny nataony ka nitarika ny fanalana azy.

    “DIGITALISATION” EO AMIN'NY FITANTANANA NY MPIANATRA SY NY MPANDRAHARAHA ENY AMIN'NY ONIVERSITE:

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fampahafantarana  ny lamin’ny tsena hoentina hanatanterahana ny Digitalisation an’ny fitantanana ny  mpianatra  sy  ny  mpandraharaha  eny  anivon’ny  Oniversite  rehetra manerana an’i Madagasikara. Ny orinasa NUHMERIT Madagascar sy ny Paoma ary ny BOA no manatanteraka ny asa izay tantanan’ny ministeran’ny fampianarana  ambony  miaraka  amin’ny  ministeran’ny  toekarena  sy  ny fitantanam-bola izay ampian’ny Fiadidiana ny Repoblika ao anatin’ny tetikasa PRODIGI.

    HOTANTERAHANA  NY  « LEVEE  SISMIQUE »  HO  FAMARITANA  NY RAMBON-TANY  AMBANY  RANOMASINA  ANY  ATSIMON’I MADAGASIKARA:

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ny “levée sismique” ho  famaritana  ny  rambon-tany  ambany  ranomasina (plateau continental) amin’ny fari-dranomasina atsimon’i Madagasikara. Izany dia iarahana amin’ny Second Institute Oceanography (SIO) ho famenoana ny antontan-taratasy  takian’ny  Firenena  Mikambana  amin’ny  fangatahana fanitarana rambon-tany ambany ranomasina nataon’i Madagasikara.

    NOFOHANANA NY « SEHI » NITANTANA NY HOTELY LEHIBE ENY IVATO:

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanafohanana ny orinasa SEHI izay tokony nitantana ny « hôtel 5 étoiles» eny Ivato, izay tsy nitsahatatra ny nitontongana nandritra ny 03 taona nifanesy.

  • II- FANENDRENA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

    • Colonel ABDOUL Henri Auguste dia voatendry ho Lehiben’ny Kaomandin’ny ZDS Mandrare (Sud) Taolagnaro.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram- pahefana :

    • Atoa RAJOHARI-ZO Fenitra, dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’Ankazoabo Sud.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa :

    • Atoa RAVALISON Andrianalisoa Solofonirina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre National de Formation Professionnelle Artisanale et Rurale » (CNFPAR)  ao Vinaninkarena Antsirabe.
    • Ramatoa RAVELOSON Zoly Volahanta, dia voatendry ho Talem- paritra ao Analamanga.
    • Atoa JAOHAVY Gatien, dia voatendry ho Talem-paritra ao Sava.
    • Atoa LALATIANA James, dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsinanana.
    • Atoa RAJAOFERA Octave Jacquis, dia voatendry ho Talem-paritra ao Analanjirofo.
    • Atoa RADIMBISON Jean Guy, dia voatendry ho Talem-paritra ao Vatovavy Fitovinany.
    • Ramatoa RANDRIANJANAKA Jugeless Annicka Ula, dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo Andrefana.
    • Atoa REDIDA Valisoa Erick, dia voatendry ho Talem-paritra ao Androy.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :

    • Ramatoa RAHARIVELO Adeline, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre Hospitalier Universitaire Joseph Raseta Befelatanana ».
  • III- FANAFOANANA:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tSiansa :

    Foana ny ampahany amin’ny didim-panjakana laharana faha 2019-711 tamin’ny 10 aprily 2019 nametrahana ireo Filohan’ny Oniversite ho an’izay mahakasika ny fanendrena an’Atoa ZAFITODY Conscient ary noraisina ny fametrahana ny « Comité intérimaire à l’Université de Toamasina »

                                 

Natao androany faha 03 Martsa 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika