TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSIROHITRA

-ALAROBIA 18 NOVAMBRA 2020-

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ANY ATSIMO :

    Rahampitso alakamisy 19 Novambra 2020, hisy ny fivoriana manokana tarihin’Atoa. Filoham-pirenena iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Banky iraisam-pirenena, ny Vondrona Eoropeana, ny PAM, ny USAID, ary ny UNICEF, hamaritana ny asa goavana atao iarahana, ary koa hametrahana ireo tetibola manokana ho entina hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny ady amin’ny haintany any Atsimo. Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany izany ho fanamafisana ireo asa efa natomboka toy ny :

    • fametrahana ireo toeram-pitsaboana sy fanarenana ara-tsakafo sady toeram-pamatsiana ara-tsakafo ny mponina any Atsimon’ny Nosy toy ny ao Ifotaka izay efa miasa ankehitriny ;
    • fizarana sakafo mahatratra 6000 taonina ho an’ny mponina any iarahana amin’ny PAM ;
    • fametrahana ireo komity miady amin’ny haintany « Comités anti-kere » izay tarihin’ny Governora any amin’ny faritra sy ny lehiben’ny distrika voakasik’izany ary ireo solon-tena isan-tokony avy amin’ny ministera maro sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny miankina na tsia amin’ny fanjakana ;
    • fizarana rano sy sakafo (350t) iarahana amin’ny MAHAKAMA ;
    • ny fandrindrana ny fanisana ny mponina tena iharan’ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo ;
    • ny fametrahana ny toeram-ponenana manakaiky fari-drano ho an’ireo fianakaviana marefo izay homena toerana 1000m² isam-pianakaviana mba ahafahan’izy ireo mivelona sy mamboly ary miompy. Fambolena amin’ny alalan’ny fanondrahana (goutte à goutte) ireo farim-pambolena, ny fiompiana osy sy ny fanodinana ny vokatr’izany ao anaty fohy ezaka izay ho fidiram-bola maharitra ho azy ireo ary fametrahana toeram-ponenana mendrika no atao. Efa nanomboka ny asa amin’ny famaritana ireo toerana hanaovana izany tetikasa izany izay manakaiky ny reniranon’i Mandrare ary atomboka ao Ifotaka.
  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    Noraisina ny fandaniana ny volavolan-dalàna mikasika ny famatsiam-bola ho amin’ny tetikasa PRODIGY (projet d’appui à la gouvernance digitale et aux réformes de l’État civil et des identifiants) mitentina 143 tapitrisa dolara iarahana amin’ny Banky Iraisaim-pirenena natao sonia ny 12 Oktobra 2020.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola sy ny Minisitry ny indostria ny varotra ary ny asa-tanana ary ny Minisitry ny fambolena, fiompiana ary ny jono :

    Noraisina ny fandaniana ny volavolan-dalana, mikasika ny fampindramam-bola iarahana amin’ny BAD/FAT, mitentina 28 tapitrisa dolara, ho amin’ny tetikasa PTASO na ny « Projet de Développement de la zone transformation agro-industrielle dans la région du Sud-ouest de Madagascar » natao sonia ny 15 oktobra 2020 

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny kolontsaina sy ny serasera :

    Nodinihana sy nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany ny volavolan-dalàna mikasika ny politikam-pirenena momban’ny kolontsaina.

  • III- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana 

    • Atoa BOTOLAHY Charles, dia voatendry ho Talem-paritra miadidy ny fonja ao Analanjirofo
    • Atoa INDRIAMIFIDY Nantenaina Gérald, dia voatendry ho Talem-paritra miadidy ny fonja ao Melaky.
    • Atoa JANARISONA, dia voatendry ho Talem-paritra miadidy ny Fonja ao Matsiatra Ambony.
    • Atoa RASOLONJATOVO Harilantoniaina Michel, dia voatendry ho Talem-paritra miadidy ny fonja ao Atsimo Andrefana.
    • Atoa DARSON Havelomamiakadaza Jean Michel, dia voatendry ho Talem-paritra miadidy ny fonja ao Menabe.
    • Ramatoa VOLAZARA Sakina Mohamady, dia voatendry ho Tale miadidy ny fandraharahana ny fonja eo anivon’ny ministera. 

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola 

    • Ratoa RAKOTOMANGA Iharisoa Hanitriniaina, dia voatendry ho lehiben’ny vaomiera foibe misahana ny tsenam-panjakana (Chef de Commission Centrale des Marchés)
    • Atoa NOMENJANAHARY Dupont Herilala, dia voatendry ho lehiben’ny vondrom-paritra misahana ny tsenam-panjakana ao SAVA.
    • Atoa RANDRIA Herbert Gilles, dia voatendry ho lehiben’ny vondrom-paritra misahana ny tsenam-panjakana ao Menabe.
    • Atoa RANDRIAMBOLOLONIAINA Claude Aurélien Rafid, dia voatendry ho lehiben’ny vondrom-paritra misahana ny tsenam-panjakana ao Melaky.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana 

    • Atoa BAZEZY Vanombe Clavelah Roslan, dia voatendry ho Prefet any Maevatanana.
    • Atoa RAKOTOMAHANDRY Timothée, dia voatendry ho Préfet any Ambatondrazaka.
    • Atoa HERMAN Reminantenaina, dia voatendry ho Préfet any Antsiranana.
    • Ratoa ANDRIAMANANA Ravaka Vincentelie, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’Ambilobe

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka

    • Atoa ANDRIANJAKA RAZAFINARIVO Isaie, dia voatendry ho Tale misahana ny « Agence de Contrôle de la Sécurité sanitaire et de Qualité des Denrées Alimentaires »
    • Ratoa RAKOTOARISON Ratsaraharimanana Catherine Nicole, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre d’Aide Médicale d’Urgence ».
    • Ratoa RAVAOARISOA Lantonirina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Laboratoire d’Analyses Médicales Malagasy ».
    • Atoa RANDRIANARISOA José Clément, dia voatendry ho Tale misahana ny Soins de Santé de Base.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono

    • Colonel RABARISON Tina Luc Olivier, dia voatendry ho Tale mpiandraikitra ny « Centre de Surveillance des Pêches » (CSP).

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, Fiompiana, Jono sy ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa  

    • Atoa ANDRIAMAHERIARISOA Lazahasina Jocelyn, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ara-bola ao amin’ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (CENRADERU/FOFIFA).
  • IV - FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto:  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny Vehivavy :  

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-181 tamin’ny 20 febroary 2019 nanendrena ny Tale misahana ny « Audit et Contrôle Interne ».
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2016-1071 tamin’ny 27 jolay 2016 nanendrena ny Tale misahana ny fitantanana ara-bola .

                                 

Natao androany faha 18 Novambra 2020 

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika