TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

-ALAROBIA 11 NOVAMBRA 2020-

 

 

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    ADY AMIN’NY HERISETRA ARA-NOFO:

    NHentitra ny Filoha ary nanamafy izany tamin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta nandritra ny Filankevitry ny Minisitra fa ireo rehetra manao ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo indrindra amin’ireo zaza dia tsy maintsy iharan’ny sazy mafy indrindra dia ny asa an-terivozona, araka ny voasoratra ao anaty lalàna.

    Isan’ny nampitaraina ny maro ary nahazo vahana tato hoato ny herisetra ara-nofo  mihatra  amin’ireo  zaza  ka  nohamafisin’ny  Filoham-pirenena ny fandraisan’andrakitra  hentitra  tokony  hasehon’ireo  ministera  isan-tokony voakasik’izany, toy ny ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsoasialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, ny ministeran’ny fitsarana, ary ny ministeran’ny filaminana anatiny.

    Hisy ny rafitra manokana manomboka izao hanenjehana ireo rehetra manao ny herisetra mifototra amin’ny maha lehilahy na ny maha vehivavy ary ny herisetra atao amin’ny zaza. Baiko no nomena ireo fampanoavana manerana ny Nosy fa avy hatrany dia famonjana  aloha no hampiharina amin’ireo rehetra tratra manao herisetra amin’ireo zaza madinika. Tsy maintsy hamafisina ny sazy ary tsy ahazo fanalefahan-tsazy ireo izay voaheloka amin’izany.

    MIKASIKA NY TSY FANJARIANTSAKAFO SY NY KALY TSINJO :

    Ilaina ny fampiharana aingana ny « kaly tsinjo » izay tokony ho an’ireo mpiray tanindrazana tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo aloha. Mila hentitra sy haingana ny ministera misahana izany ary tokony hitohy ny fizarana ny kaly tsinjo indrindra any amin’ireo toerana tena voa mafy.

    DORO-TANETY SY NY TONTOLO IAINANA :

    Miha-mahazo vahana ihany koa ny doro-tanety ka hisy ny fampiharana ny sazy ho mafy kokoa ho an’ireo izay manao izany ary hisy ny lamina vaovao hampiharina manomboka ny herinandro ho avy io mikasika ny fandoroan- tanety izay manempotra ny rehetra ary manimba ny tontolo iainana. Ilaina ny fandraisana andraikitra hentitra sy haingana avy amin’ny ministera miahy ny tontolo iainana.

    HO AN’NY FITATERANA ANABAKABAKA :

    Mbola mipetraka ny fanapahan-kevitra mikasika ny fikatonan’ny sisin- tany.  Rarana  ny  fitaterana  ireo  olona  avy  any  amin’ireo  firenena  efa voambaran’ny ACM sy ny ministeran’ny fitaterana mbola tena hanjakan’ny valan’aretina Coronavirus. Ireo izay tena manana antony manokana sy olana tsy maintsy vahana kosa dia jerena akaiky arakaraky ny antotan-taratasiny ka iarahana  midinika  eny  anivon’ny  tompon’andraikitra  voakasik’izany.  Tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana rehetra na avy aiza na avy aiza.

    Misy ireo teratany Malagasy miisa 78 avy atsy « Arabie Saoudite », izay iantohan’ny OIM iray manontolo ny mikasika azy ireo, nahazo alalana hody an- tanindrazana ny 25 novambra 2020 izao noho izy ireo marefo sy niharan’ny herisetra.

    HO AN’NY MIARAMILA :

    Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra fa hahitsy ny didim- panjakana mitondra ny laharana faha 2005-841 natao ny 06 desambra 2005 mikasika  ny  tambin-karama  ho an’ny  miaramila  manomboka  ny  fotoana handraisana ny didim-panjakana.

    Nampahafantarina  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ihany  koa  ny fanomezana ny zandary ny tany ao Betsinjaka Toliary II an’ny « Direction Générale de la Sécurité ".

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny angovo, ny akor’anafo sy ny minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    Nasiam-panintsiana  sy  fanamboarana  ny  didim-panjakana  laharana  faha 2019-1791  noraisina  ny  23  oktobra 2019  mikasika  ny  fanendrena  ny mpikambana  vaovao  ao  amin’ny  filankevim-pitantanan’ny  Jiro  sy  Rano Malagasy (JIRAMA).

    Araka    ny    tolo-kevitry    ny    Sekretariam-panjakana,    eo    anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, misahana ny Zandarimaria :

    Noraisina ny didim-panjakana mametra ny « bonification d’ancienneté de port de grade des officiers de carrière » eo anivon’ny Zandarimariam-Pirenena.

  • III- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    Dia notendrena araka ny didim-panjakana ireo mpitsara sivily miasa sy misolo toerana mandrafitra ny  « Tribunal Militaire d’Antananarivo »,  ny « Tribunal Militaire d’Antsiranana », ny « Tribunal Militaire de Toamasina »,  ny « Tribunal Militaire de Mahajanga », ny « Tribunal Militaire de Fianarantsoa » ary ny  « Tribunal Militaire de Toliara » hoan’ny taom-pitsarana 2020.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    • Atoa   RANDRIANARISON   Sitraka   Tsitohaina,   dia   voatendry   ho Filohan’ny « Commission Nationale des Marchés ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa.  TILAHIZANDRY  Niaina  Angelo  ,  dia  voatendry  ho  Sekretera jeneralin’ny Prefektioran’i Nosy Be.
    • Atoa ANDRIANJAKA Ernest, dia voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Prefektioran’Antsirabe.
    • Atoa RAVELOMANJAKA, dia voatendry ho lehiben’ny ditrikan’Ikongo
    • Ramatoa MAMIARISOA Aline, dia voatendry ho Governoran’Amoron’i Mania,
    • Ramatoa NOMENJANAHARY ANDRE Tafita Sareine, dia voatendry ho Governoran’Ihorombe.
    • Atoa RATSITOHARA Nerarivony Patrick, dia voatendry ho Governoran’i Melaky

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny  Fanabeazam-Pirenena :

    • Atoa VONJY NOMENJANAHARY Tantely dia voatendry ho talem-paritra Betsiboka.
    • Atoa RAKOTOARIMANANA Heriniaina Nomenjanahary, dia voatendry ho talem-paritra Vakinankaratra
    • Atoa  RAZAFINDRAHETY  Christian,  dia  voatendry  ho  talem-paritra Menabe
    • Atoa VOLONY Jimmy, dia voatendry ho Talen’ny CNAPMAD.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny  Fambolena, Fiompiana ary ny Jono :

    • Atoa RAHARIMANANTSOA Andrianomenjanahary, dia voatendry ho Tale Jeneraly mpisolo toeran’ny Office Malgache des Tabacs (OFMATA).

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny  fitaterana, fizahantany ary ny famatarana ny toetrandro :

    • Atoa KOTOMANGAZAFY Stephason François, dia voatendry ho Tale misahana ny  « Météorologie Appliquée ».

Natao androany faha 11 Novambra 2020
Ny sampan-draharaharan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika