FIADIDIANA NY REPOBLIKA


“Tsy haitraitra ny fanaovana vaksiny”

Isan’ireo firenena manao ezaka amin’ny fahatratrarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny 90% i Madagasikara. Mbola maro ny ezaka tokony hatao vao tonga amin’izany, ka anisan’izany ny fanentanana ny ray aman-dreny ny amin’ny tombontsoa azo amin’ny fanaovana vaksiny, fa eo ihany koa ny fampitomboana ny fotodrafitrasa ahafahana manao vaksiny. Momba izany indrindra dia notokanan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina ny 04 martsa ny « Centre ami de la vaccination » etsy amin’ny Hopitalin’ny Reny sy ny zaza Tsaralalàna. Lanona izay niarahany tamin’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Profesora Ahmad Ahmad, sy ny solontena maharitry ny OMS eto amintsika Profesora Charlotte Faty Ndiaye. “Manentana ny ray aman-dreny indrindra fa ireo renim-pianakaviana mba tsy ho resin’ny tsaho manodidina ny vaksiny. Tsy haitraitra ny fanaovana vaksiny. Fantantsika fa iray amin'ireo zo fototry ny ankizy ny zo ho salama sy ho tsaboina. Koa rariny raha avelantsika hisitraka ny zony ny zanantsika” hoy Ramatoa Mialy Rajoelina. 

 Ankoatra izay, nohentanin-dRamatoa Mialy Rajoelina ihany koa ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana mba hanamafy ny fanentanana sy ny serasera momba ny vaksiny mba hahatrarana ny tanjona taha – 90 isan-jato amin’ny fanaovam-baksiny. Haparitaka any amin’ireo hopitaly lehibe manerana an’I Madagasikara ny toerana toy izao, mba hanomezana antoka amin’ny ho avy mamiratra ho an’ny zanaka malagasy rehetra tsy ankanavaka. Misokatra ho an’ny rehetra ity “centre ami de la vaccination” ity. Azo antonina amin'ny fotoana rehetra, maimaim-poana ary misy fanarahamaso hentitra. Marihina fa mitohy tsy tapaka mandray ireo Reny sy zaza ihany koa ny eny Ambohimiandra. Ary mifameno tanteraka ny asan'ireo toerana roa ireo.

Sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana
04-03-2020