KABARIN’I ATOA ANDRY RAJOELINA, FILOHAN’NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA, HO FAHATSIAROVANA IREO MAHERY FO’NY TANINDRAZANA - 29 MARTSA 2019 “29 MARTSA: TOLOM-PANAFAHANA TARATRY NY AMBOMPOM-PIRENENA, ANTOKY NY FANDROSOANA “

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana.

29 Martsa 1947 - 29 Martsa 2019.

Andro tsy azo kosehina eo amin’ny tantaran’ny firenena.

Andro tsy hay hadinoina.

Koa eto amin’ity toerana ity Mausolée. Toerana iray, izay manan-tantara eto amin’ny firenentsika satria mirakitra ny ampahan’ny taolam-balon’ireo tia Tanindrazana sy ireo maherifo namoy ny ainy hoan’ny firenena. Ary tsy mahagaga raha voarakitra ho hira mihintsy aza izany Mausolée izany. Satria ny fitiavan-tanindrazana manko tsy sandaina, tsy atakalo, tsy amidy, fa mitempo ao anatin’ny ny fo ary mikorina ao anatin’ny ran’ireo tia Tanindrazana.

Koa eto amin’ity toerana ity dia mahatsiaro manokana ireo nanolotra ny ainy hoan’ny Tanindrazana isika androany, izay azo lazaina fa isan’ireo vato fehizoron’ny tantaran’ity Firenentsika ity

Izy ireo no maherifo sahy nijoro niaro ny fiandriananam-pirenena, niaro ny tombotsoampirenena, nanohitra ny fanjanahana.

Malagasy aman’alina, aman’etsiny manerana an’I Madagasikara no niara-nientana naneho izany fitiavan-tanindrazana izany.

Koa ireo rehetra nijoro hoan’ny Tanindrazana dia omentsika voninahitra androany.

Satria sahy nijoro izy ireo.

Teo ny Menalamba, nanohitra ny fanjanahan-tany.

Teo ny Sadiavahy, nanohy izany tolona izany.

Teo ny VVS, izay nitsangana tao anatin’ny fotoana sarotra indrindra.

Tea ihany koa I Ralaimongo.

Fa notohizan’ireo mpitolona tamin’ny 1947, manerana ny Nosy, izany tolona izany.

Niady ho an’ny fahaleovan-tenan’ i Madagasikara izy ireo.

Ary, tsy avelantsika ho raraka an-tany izany herim-po sy herin-tsainan’ izy ireo izany. Fa ho avadintsika ho angovo hampiredarareda ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ao ampontsika.

Mahery fo ny Malagasy! Mahatsangy ary mafana fo, rehefa ho fiarovana ny fiandrianampirenena sy ny fahafahan’ny Tanindrazana.

Niaritra ny mafy ny vahoaka Malagasy ary dia nasehony hatrany hatrany, fa sahy mijoro izy, hiady hoan’ izany fahafahana izany.

Izay indrindra no nisafidianantsika ny lohahevitra entina ho fankalazana amin’ity taona ity dia ny hoe: “29 Martsa: tolom-panafahana taratry ny ambompom-pirenena, antoky ny fandrosoana “. Izay no mampijoro antsika eto anio. Ankalaza izany andro tsy fanadino izany ary hampitoetra ho lalim-paka izany fitiavan-tanindrazana nananan’ ireo ray aman-dreny izany.

Satria tonga ary ankehitriny ny fotoana, hanatanterahantsika ny tanjona nokendren’ireo zoky sy ray aman-dreny tia Tanindrazana.

Tsy hikely soroka isika, hanavotra ny Tanindrazana, hiala ao anatin’ny fahantrana.

Ho hasandra-tsika avo ny Ambompom-pirenena sy ny Fitiavan-tanindrazana, mba Handroso amin’izay I Madagasikara ao anatin’ny fahaleovan-tena marina: fahaleovan-tena ara-tsakafo, fahaleovan-tena ara-toe-karena, fahaleovan-tena ara-kolotsaina.

Mba hahitan’ny taranaka fara-mandimby amin’izay ny anjara masoandrony.

Ry Malagasy namana,

Tompolahy sy Tompkovavy.

Eto amin’ity toerana ity, eto anoloan’ity fasan’ny mahery fo ity, no hanamafy ny Velirano isika, hanohizantsika ny tolona ho any amin’ny tena fandresena.

Tonga ny fotoana hanatanterahantsika ny fananganana Madagasikara vaovao, Madagasikara mandroso, ka ho reharehan’ny Malagasy, hiadanan’ny Malagasy ary ho sangany aty Afrika.

Efa nilaza ombieny ombieny ny tenako fa azo tanterahana ny fampandrosoana an’ity firenena ity miaraka amin’ny vina matipaika sy tetikasa mirindra, ao anatin’ny firaisan-kinan’ny Malagasy rehetra tsy vaky volo tahaka ny firaisan-kinan’ny Malagasy tamin’ny 1947.

Izany indrindra no hafatra lehibe nampitain’ireo mpitolona: raha manana hambompompirenena isika, ka manana finoana sy fanantenana ary indrindra fitiavana – fitiavantanindrazana - dia tsy hisy hahasakana antsika tsy hiroso amin’ny fanarenana sy ny fampandrosoana ity firenena malalantsika ity.

Tsy ho ajanontsika ho fankalazana tsingerin-taona fotsiny izao fotoana izao fa ho ainga vaovao hanohizantsika ny ady sy tolona nataon’ireo ray aman-dreny: ady amin’ny fahantrana, tolona hoan’ny fampandrosoana.

Tsy maintsy ho tanteraka ny vina efa nofaritana sy nifanarahana.

Tsy lavitra an’ity toerana ity, fa tetsy Ambohidempona, tamin’ny 30 Septambra 1895, no tonga ny mpanjanaka, nitifitra tamin’ny tafondro ny Rovan’i Manjakamiadana, nampianjera ny fanjakana Malagasy ary nitondra ny faharesentsika.

Fa anio 29 Martsa 2019, eto amin’ity toerana ity kosa, miaraka amin’ny fitiavan-tanindrazana no hanombohantsika ny fandresen’ny Malagasy.

Masina ny Tanindrazana.

Tsy maintsy tafita i Madagasikara.

Andry Rajoelina

Filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara.