FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 11 SEPTAMBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Fitantanan-draharaham-panjakana

    Mitohy ny fangatahana tatitra mazava ny fomba fanatanterahana sy fandaniana ny PIP voafaritra tao anatin’ny teti-bolam-panjakana nasiam-panintsiana 2019, nataon’ny ministera isan-tokony raha mifanaraka tsara izay voasoratra ao anatiny. Fantatra fa atomboka mialoha ny faran’ny volana ny asa rehetra voakasik’izany ary heverina ho vita ao anatin’ny 90 andro.

    Ny ministeran’ny Fitsarana dia isan’ny nanazava ny fanombohan’ny asa fanarenana sy fanamboarana fonja manara-penitra isan-tsokajiny sy ny toeram-pitsarana izay atomboka amin’ity taona ity avokoa. Ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy dia nampahafantatra fa efa mandeha ankehitriny ny tetikasa fanarenana ireo renivohitra rehetra tafiditra ao anatin’ny PNDU. Isan’izany ireo lalan-kely sy toeram-pivoahana manerana ireo renivohi-paritany rehetra izay isan’ny miantomboka eto an-drenivohitra.

    Miisa 30 ireo EPP ahitana efitrano 12 avy, hatomboka sy hotanterahana amin’ity taona ity ka isan’ny hahazo izany ny faritr’i Vatovavy Fito Vinany, ny Atsimo atsinanana, ny Menabe, ny Atsimo Andrefana, ny Diana, Vakinankaratra, Atsinanana, Haute Matsiatra, Analamanga, Amoron’i Mania, Itasy, Anosy, Bongolava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Boeny, Ihorombe, Sava.

    Miisa 08 ireo CEG ahitana efitrano 24 isany avy any amin’ny faritr’Analamanga, Itasy, Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Diana, Boeny, Anosy, Menabe.

    Miisa 6 ireo Lycée ahitana efitrano 12 atao any amin’ny faritr’Analamanga, Vatovavy Fito Vinany, Boeny, Atsinanana, Diana, Atsimo andrefana.

    Miisa 11 ireo centres agricoles ahitana efitrano miisa 12 isanisany avy any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Atsinanana, Betsiboka, Haute Matsiatra, Sofia, Atsinanana, Ihorombe, Androy, Bongolava, Diana, Alaotra Mangoro.

    Ary Centre de formation aux métiers de base ahitana efitrano miisa 2 isanisany avy any Ihorombe, Haute Matsiatra, Vatovavy Fito Vinany, Analanjiorofo, Alaotra Mangoro, Androy, Menabe, Atsinanana, Sofia, Atsimo Andrefana, Boeny, Melaky, Betsiboka, Sava.

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ihany koa ny fandaniana ny fangatahana alalana hividy avy hatrany tsy mandalo tsenam-barotra ny solika ampiasain’ny JIRAMA, saingy mila ampahafantarina mialoha ny Filoham-pirenena sy ny lehiben’ny governemanta ny fanatanterahana izany izay ao anatin’ny fotoana voafetra ihany.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny

    Ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy :

    • Nekena ny didim-panjakana mamaritra ny mikasika ny Institut National de l’Infrastructure (ININFRA)
    • Nekena ny didim-panjakana mamaritra ny mikasika fanamboarana ny sata mifehy ny « Agence Nationale d’Appui au Logement et à l’Habitat. »

    Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika

    • Nekena ny famaranana ny fifanarahana teo amin’ny OMNIS sy ny Madagascar Southern Petroleum Company Limited.
  • III- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola:

    • Atoa. RAJAOFETRA Andry Nirina, dia voatendry ho Talen’ny Tranom-piritim-pirenena.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy :

    • Atoa. RAMANAMISATA Harivololona Jean Pascal, dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny andraikitra vonjy maika ao amin’ny Agence Routière.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono :

    • Atoa. FANAZAVA Rijasoa, dia voatendry ho Directeur du Centre d’Études et de Développement des Pêche.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fitaterana, ny fizahan-tany ary ny famatarana ny toetrandro;

    • Atoa RASAMOELINA Rija Soloniony, dia voatendry hoe Tale misahana ny fitantanam-bola.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana :

    • Atoa JOROMANANTSOA Haniela, dia voatendry ho Directeur de la Programmation et Suivi-Evaluation.
    • Ramatoa ANDRIAMANEHO Irène Hanitriniala, dia voatendry ho Directeur de la Promotion de l’Entrepreneuriat.
  • IV- FANAFOANANA :

    Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ireto fanafoanana manaraka ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Masoivohom-pirenena miasa any Japon.
    • Foana ny didim-panjakana manendry ireo Tale ao anatin’ny ministera : Ny Tale misahana ny Relations bilatérales et des Fora, ny Tale ny Expansion Economique, ny Tale misahana ny arofenitra, ny Tale misahana ny affaires juridiques, Consulaires et du Contentieux.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny lehiben’ny ditrikan’i Soalala.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Talem-paritra ao amin’ny faritr’i Melaky.