TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY 10 APRILY 2019

  • FAMPAHAFANTARANA :

    « FANONDRANANA OLONA HIASA ANY IVELANY : Henjehina araka ny làlana velona ireo mpanondrana sy ireo nahatonga ny fandefasana ireo vehivavy Malagasy miasa any ivelany ka manana olana sy nijaly ary hanonitra ny karama sy voarain’ireo mpiasa sy ny lany rehetra amin’ny fikarakarana ireo vehivavy Malagasy izy ireo »

    Tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra fa hihamafy ny sazy azon’ireo manondrana antsokosoko ireo mpiasa malagasy makany ivelany, ary ireo izay rehetra fantatra fa nandefa ireto teratany malagasy nampodiana ka niharan’ny herisetra, na tsy nandray ny tambin-karamany. Ka ireo mpandefa sy ireo voarohirohy mivantana na ankolaka amin’ny fandefasana azy ireo no hanonitra ny lany rehetra sy ny tambiny rehetra mahakasika ireo vehivavy Malagasy nampodiana. Hisy koa ny fanarahamaso manokana ireo toerana fanondranana ireo vehivavy malagasy hiasa any ivelany izay voarara sy tsy nahazoandàlana ka harahi-maso akaiky ireo fivoahana ivelan’i Madagasikara amin’ireo zotram-piara-manidina mampitohy an’i Madagasikara amin’ireo faritra voarara ireo. Hisy kosa ny laharana antarobihy manokana entina ahafahan’ny rehetra mifandray mivantana amin’ny tomponandraikitra manoloana ny kolikoly sy ny fanakanana tsy amin’antony atao ireo tera-tany malagasy miditra sy mivoaka etsy amin’ny seranampiaramadina rehetra iraisam-pirenena. Ireo mpiasa malagasy manana taratasy ara-dàlana izay efa miasa any ivelany kosa dia afaka mivezivezy malalaka eto antanindrazana.

    Hisy ny fanentanana sy fampahafantarana ny rehetra iarahan’ny ministera maro misalahy manoloana ireo herisetra atao amin’ireo vehivavy malagasy mandeha mitady ravinahitra na mifindra monina any ivelany, ho fampahafantarana azy ireo ny loza sy ny zavatra miandry azy ireo any ivelany indrindra any amin’ireo faritra voarara handehanana hila ravinahitra.

    Tsy misy intsony fahazoandalàna hiasa makany ivelany makany amin’ireo firenena tsy ahitana masoivohom-pirenena Malagasy, sy any amin’ireo toerana tsy manaja ny zon’olombelona ary any amin’ireo firenena tsy manana fehezandàlana mifehy sy manaja ny zo maha olona ny isambatan’olona.

    « FANOMEZANA RANO FISOTRO MADIO : hisy ny lamina manokana hampidirana rano fisotro madio hoan’ny faritra atsinanana sy andrefan’Antananarivo » :

    Manana olana eo amin’ny famatsiandrano fisotro madio ny faritra atsinanana sy andrefan’Antananarivo toy ny etsy Ambohimangakely, Ambatomaro, Ambohihbe Ilafy, Itaosy, Fenoarivo, Ampitatafika, Ambohimahitsy, ary Ambohitrimanjaka.

    Hisy araka izany ny fametrahana lavadrano afaka manome rano hatrany amin’ny 100m3 hoan’ireo faritra ireo, izay tetik’asa vonjy aina ihany io amin’ny fampidirandrano fisotro madio, fa mbola hisy ny tetikasa goavana izay entina hamatsiana rano azy ireo. Hisy araka izany fanomezandàlana manokana hoan’ireo orinasa voakasik’izany amin’ny fanatanterahana ny asa mba hahatomombana izany ao anatin’ny fotoana fohy. Hisy ihany koa tetibola manokana ao anatin’ny lalana mifehy ny tetibola nasiampanitsiana hoentina manatanteraka izany asa fampidirandrano izany izay mitentina 5 arivo tapitrisa ariary

  • FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Ministera misahana ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, dia nolanian’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manova ny andininy mikasika ny lalana 99-022 mikasika ny fehezandalà,a mifehy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany (code minier) :

    *isan’izany ny andininy faha 180 andininy faha 2 sy faha3 izay miresaka manokana mikasika ny fanasaziana sy y fanasokajiana ireo sazy ilana ny fahadisoana eo ain’ny asa fitrandrahana, ary koa ny andininy mikasika ny fanagejana ireo entana tsy ara-dàlana sy ny sazy mifandraika amin’izany.

  • FANENDRENA:

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    Araky ny tolokevitry ny Praiminisitra :

    • Ramatoa SOLOFONIRINA Lucie, voatendry ho mpandrindra nasionaly ny ONN.

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fiarovampirenena :

    • Général de Division RAKOTONIRINA Théophile Justin, voatendry ho Lehiben’ny Etamazoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy.

    Araky ny tolokevitry Minisitry ny raharaham-bahiny :

    • Andriamatoa RATSIMANDAO Tahirimiakadaza, voatendry ho Sekretera Jeneraly.

    Araky ny tolokevitry ny Ministry ny Fitantanambola sy ny toe-karena :

    • Atoa SOJA RANDRIAMANANTENA Christophe,,voatendry ho Tale misahana ny « Services Extérieurs ».
    • Ramatoa RAZAFITRIMO Volasoa,, voatendry ho Tale misahana ny raharaham-pitsarana sy ny ady amin’ny hosoka.
    • Atoa RAKOTOARIMALALA Miarantsoa Haja,, voatendry ho Tale misahana ny « Législation et de la Valeur »
    • Ramatoa ANJARASOA Henri Nardie,, voatendry ho Tale misahana ny fitantana sy ny vola ao amin’ny INSTAT
    • Atoa RAZAFIMIARANTSOA Tovonirina Théodore,,voatendry ho Tale misahana ny « Démographie » ao amin’ny INSTAT.
    • Atoa MAMPIHONGO Roberto Carlos, vaotendry ho Tale misahana ny fanofanana, ny fikarohana ary ny fianaranasa ao amin’ny INSTAT.
    • Atoa RANDRIAMBOLAMANITRA Samuel, voatendry ho tale misahana ny « Comptabilité Nationale et Modélisation » ao amin’ny INSTAT.
    • Atoa RAKOTONDRADANY Iary Michaël, voatendry ho Tale misahana ny « Statistiques des Conditions de Vie des Ménages » ao amin’ny INSTAT.
    • Atoa RAJAOBELINA Jimmy,voatendry ho tale misahana ny « Statistiques Economiques » ao amin’ny INSTAT.

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry misahana ny Filaminam-bahoaka :

    • Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOZANANY Dany Marius, voatendry ho Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena.
    • Commissaire Divisionnaire de Police TOMBOHASY Christian, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Diana.
    • Commissaire Principal de Police RAZAKA Andriamahasoa,voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Sava
    • Commissaire de Police de 1ère Classe RAKOTONIAINA Boanalala Christian, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Itasy .
    • Commissaire Principal de Police RANDRIAMAHASOA Pascal, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Vakinakaratra.
    • Commissaire Principal de Police MORATAMBY Roger, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Sofia.
    • Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOMALALA Andriamarolahy Fanomezantsoa, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Boeny.
    • Commissaire Principal de Police TOMBO Jacky, voatendry ho Talemparitra misahana ny Filaminam-bahoaka any Betsiboka.
    • Commissaire Divisionnaire de Police RABENILAOSANA, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Alaotra Mangoro.
    • Commissaire Divisionnaire de Police RAMAMPIANDRY Nicolas, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Atsinanana.
    • Commissaire Principal de Police LEKIRA RASOLOFONIRINA Liva Stéphane, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Analanjirofo.
    • Commissaire Divisionnaire de Police RAZAFINDRAVONONA Joseph, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Amoron’i Mania.
    • Commissaire Divisionnaire de Police RAFANOMEZANTSOA Freddy Marcellin,, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Matsiatra.
    • Contrôleur Général de Police RAMANANANDRO Alexandre Gabriel, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Atsimo Atsinanana.
    • Commissaire Divisionnaire de Police ZAFIMANGASOA Gervais, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Ihorombe.
    • Commissaire Principal de Police RAZAFINDRANONY Honoré, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Menabe.
    • Commissaire de Police de 1ère Classe RALAHINIRINA Patrick Chrétien, voatendry ho Talem-paritra misahana ny Filaminam-bahoaka any Anosy.

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy :

    • Ramatoa. RAVELOJAONA Tantely Falinirina,voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny Fonds National Foncier (FNF).
    • Ramatoa ANDRIAMANJARA Mauricia Nambinina, voatendry ho Tale misahana ny « Programmation et du Suivi-Evaluation ».
    • Atoa ANDRIAMALALAVONJY Solomanoro, voatendry ho Talemparitra misahana ny faritra Analamanga.
    • Atoa RAZAFIMANDIMBY Herinirina Dominique, voatendry ho Talemparitra misahana ny faritra Bongolava.
    • Atoa RAHARIMINA Gabriel, voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Vakinankaratra.
    • Atoa ANDRIANIAINA Fanomezantsoa Lalao Alain, voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Analanjirofo.
    • Atoa. JHULVER Philah Herinony, voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Androy.
    • Atoa. ANDRINIONY Nomenjanahary, voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Anosy.
    • Atoa RANDRIANTSARA Jean François Davidson, voatendry ho Talemparitra misahana ny faritra voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Atsimo Andrefana.
    • Atoa RAMBELO Nasandrantra Andrianina, voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Menabe.
    • Ramatoa RAMANGAZAFIHARIVONY Feno Harisoa, voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Boeny.
    • Atoa ANDRIANTOLOTRA Antonine Lovaniaina, voatendry ho Talemparitra misahana ny faritra Betsiboka.
    • Atoa RAJAONA Lalanirina Jean Luc, voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Melaky.
    • Atoa SOLONIAINA Nomenjanahary, voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Sofia.
    • .Atoa MANDIMBILAZA Jean Arthur, voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Atsinanana.
    • Atoa MAHAZOSOA Tokiarimamy, voatendry ho Talem-paritra misahana ny faritra Amoron’i Mania.
    • Atoa RANDRIANARIVELO Herimanantsoa, voatendry ho Talemparitra misahana ny faritra Vatovavy Fitovinany.

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy fanofanana ara-kasa :

    • Atoa ALI Imrana, voatendry ho Tale Jeneraly miandraikitra ny « Compétences et de la Formation Professionnelle ».
    • Atoa RAZANOELISON Julien, voatendry ho tale misahana ny « Centre Régional de Formation pour l’Océan Indien »
    • Atoa. RAMIANDRARIVO Aina Andriamijery, voatendry ho Tale misahana ny « Etudes et d’Analyses des Répertoires des Compétences auprès de l’Office National des Compétences et de la Formation Professionnelle ».
    • Atoa. MBOLA Versène Zéphyrin, voatendry ho Tale misahana ny Institut National de Formation des Personnels de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle.

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny fahasalamambahoaka :

    • M. RAZAFIMAHATRATRA Rado, voatendry ho Tale miandraikitra ny CHU Anosiala.

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Fambolena, ny fiompiana ary ny Jono

    • Atoa KOFOKY Christian Félix, voatendry ho Talem-paritra any Atsimo Atsinanana.
    • Atoa ANDRIAMIARINERA Hajanirina Serge, voatendry ho Talemparitra any Menabe.
    • Atoa RAMORA Gio Francisco, voatendry ho Talem-paritra any Anosy.
    • Atoa. IONIARILALA Rovasoa, voatendry ho Tale misahana ny mpiasa.
    • Atoa RAOELINA Bruno Alain, voatendry ho Tale misahana ny « Appui et de Valorisation des Produits d’Elevage »
    • Ramatoa. RASOANARIMALALA Harimanana, voatendry ho Tale misahana ny « Services Vétérinaires »
    • Ramatoa RAKOTONJANAHARY Vola, voatendry hoe Tale misahana ny « Collecte et de la Valorisation des Produits Halieutiques »

    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharaonkarena stratejika :

    • Voatendry ny mpikambana ao amin’ny filakevim-pitantanan’ny OMNIS : Ramatoa Delmotte Stéphanie, Atoa Kalo Narcisse, Atoa Razanamparany Eric Maminirina, Atoa Rakotondrazafy Andrianjakatiana, Atoa Andriamanohy Henri Victor

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika

    • Atoa RANDRIAMITANTSOA Paul Auguste, voatendry ho Tale misahana ny « Centre National de Recherches Industrielle et Technologie (CNRIT) ».
    • Atoa RAKOTOSAONA Rianasoambolanoro,voatendry ho Tale misahana « Centre National d’Application des Recherches Pharmaceutiques (CNARP) ».
    • Atoa. MONG Yves Jean Michel, voatendry ho Tale misahana ny Centre National des Recherches sur l’Environnement.

    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny Vehivavy

    • Atoa RAZAFINDRALAMBO Andriambarivelo, voatendry ho Tale misahana ny fandrindrana ny fampitambaovao.
    • Ramatoa VAVITIANA Lys Mireille Espérance, voatendry ho Talemparitra any Menabe.

    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

    • Chef d’escadron Andrianarisaona Herilalatiana,dia voatendry ho mpitantana ny « cellule de lutte contre la cybercriminalité »
    • Ramatoa RAZAFINDRAZAKA RAMAROSON Holy Alexandra, voatendry ho tale miandraikitra ny « Conservatoire National de Madagascar ».
    • Ramatoa. JOSIA Nadine, voatendry ho mpandrindra Nasionaly misahana ny « Cellule Promotion Volontariat »
    • Atoa BELALAHY Jean Yves Evariste, voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Office de la Radio et de la Télévision publiques de Madagascar (ORTM).
  • FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireo didimpanjakana :

    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono:

    • Foana ny fanendrena ny talem-paritra ao Atsimo Atsinanana  tao amin’ny ministera miankina amin’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fambolena sy Fiompiana teo aloha.
    • Foana ny fanendrena ny Take Jeneralin’ny jono sy ny « Aquaculture »

    Araky ny tolokevitry ny Ministeran’ny Angovo ny Rano ary ny akoranafo

    • Foana ny fanendrena ny Tale misahana ny « Promotion de l’Hygiène »

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny harena ankibon’ny Tany sy ny loharonkarena stratejika :

    • Foana ny fanendrena ny tale iraisam-paritra tany Antsiranana
    • Foana ny fanendrena ny Talem-paritra any Fort-Dauphin.

    Araky ny tolokevitry ny Ministeran’ny Asa, ny fampanananasa, ny asampanjakana ary ny lalana sosialy :

    • Foana ny fanendrena ny Sekertera Jeneraly.

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famatarana ny toetr’andro :

    • Foana ny fanendrena ny Sekretera Jeneraly, ny Tale Jeneralu ary ireo Tale foibe sy ireo Talem-paritra rehetra.
    • Foana ny fanendrena ny Tale misahana ny Ecole Nationale d’Enseignement Maritime de Mahajanga (ENEM).
    • Foana ny fanendrena ny Tale misahana ny fanofanana amin’ny asan’ny fizahantany.